Ireo toerana hanatontosan'ny Global Voices ny asany

Raha efa nanontany tena ianao hoe aiza ireo GVer mpiara-miasa aminao no manao ny asany dia jereo eto ambany!

(Ho havaozantsika matetika ity lahatsoratra ity satria mbola maro kokoa ny olona mandefa ny sarin'izy ireo. Naotin'ny mpanitsy: ary efa misy fanavaozana sary tokoa ao amin'ny teny anglisy ao ary ny sary navoaka farany no ambony indrindra)

Amanda Lichtenstein, ao Skokie, Illinois, Etazonia:

“Sary aoriana avy amin'i Pernille Bærendtsen ary nohatsaraina avy any Zanzibar.”

Nevin, any Victoria, Canada:

“Ny biraoko be korontana, izay anoratako ny tsara indrindra.”

Carolina, ao Charleville-Mézières, Frantsa:

“Eo aoriana, ny Batik (lamba kisarisary) fanomezana fanaovam-beloma manokana avy amin'ny namako tamin'izany fotoana izany ary ny soavaly Galopette no mpiara-miasa amiko amin'izao fotoana izao.”

Dércio, any Bordeaux, Frantsa:

Ny biraom-piasako ho an'ny GV ao an-trano. Eto amin'ity toerana (voalamina tsara) ity no hitondrako an'i Afrika mpiteny paortiogey ho an'izao tontolo izao)

Manuel, any Portiogaly:

Ny toeraam-piasako ho an'ny GV tamin'ny taona 2016.

Alena, any Diemen, Holandy:

“Eny! Mbola niaraka taminay ny hazo krismasy! Niaraka tamin'ny Taom-baovao Tranainy Rosiana, tsaroanay ny andro nanariana izany . #thenetherlands#gvworkspace

Veroniki, any Atena, Gresy:

“Avia eto amin'ny biraon'ny tontolo virtoaly… 🙂 #gvworkspace #AndrasoNyMasoandroNyMaraina

Laura, any Paris, Frantsa:

“Ity ny iray amin'ireo toeram-piasan'ny GV maro ! Ity no iray amin'ireo toerana tiako indrindra ao an-tanàndehibe, toerana mafana sy mahafinaritra ao amin'ny Marais :-)”

Pantha, ao Dhaka, Bangladesh:

Rawan, ao Giza, Ejipta:

#gvworkspace ?

Geplaatst door Rawan Gharib op Maandag 28 januari 2019

Elisa, any Aachen, Alemaina:

#gvworkspaceJoining the call to post a photo of where I'm usually sitting when contributing to Global Voices :)Left:…

Geplaatst door Elisa Marvena op Maandag 28 januari 2019

Namaly ny antso mba handefa ny sarin'ny toerana izay hipetrahako rehefa mandray anjara ato amin'ny Global Voices aho. Ankavia: boaty haingon-trano tranainy araka ny nanaovako azy ary sary hosodokon'i Fela Kutti tranainy nataoko, karatra paositalin'i Crète, diary fahiny ary solosaina ( zavatra tranainy maro)…

Kevin, any Melbourne, Aostralia:

Ho an'ny toeram-piasan'ny Global Voices Online: ny biraom-piasako milamina. Hita eto ny fahatsiarovana maro miafina . Tany amin'ny Vovonana GV 2012 tany Nairobi ny fonon-databatra. Tsy naseho ny fanambaràn'ny Firenena Mikambana momba ny zon'olombelona- pensily hazo ho an'ny tontolo any an-dranomasina -Andininy faha 19. Misy ny sariitatra avy amin'ilay Aostraliana mahafinaritra ny fitoerana “souris”.

Pernille, any Copenhague, Danemark:

Rehefa any Copenhague dia eto no hanoratako ny lahatsoratra Global voices (sy ny zavatra hafa). Eo ambony latabatra tsy mihetsika, miaraka amin'ny aterineto haingam-pandeha, tsy misy fahatapahan-jiro firy …

Ian ao Bordeaux, Frantsa:

Ny toerana hiasan'ny ONG mahatalanjona.

Anastasia any Amsterdam, Holandy:

Niaraka tamiko izy tany amin'ny Vovonana GlobalVoices. Ao anatiny. Ary manampy ahy amin'ny asako izy ankehitriny. Any ivelany.

Tadeo, any an-tanandehiben'i Mexico :

Toy ny ataon'ireo namako GV rehetra . Dia zaraiko aminareo ny zoronjoron-trano kely hampiasaiko rehefa miasa ho an'ity fikambanana mahafinaritra ity aho. Tiako raha mba manana ora maromaro isa-kerinandro aho ho amin'izany.

Gabriela , ao Lima, Però:

Ny toerana hiasako ho an'ny GV. Aza jerena ny korontana keliko. Eo am-panombohana ny fandikantenin'ny GV Espaniola aho izao. Mampamangy avy aty Lima, Pero.

Gohary, any Kairo, Ejipta:

Ny toerana hiasako ho an'ny GV, ny birao ao an-tranoko izay hiasako ho an'ny Global Voices Online.

Neunzero, any Hong Kong:

View this post on Instagram

#gvworkspace

A post shared by @ neunzero on

Jer Clarke , ao Montreal, Kanada:

Ny namako ato amin'ny Global Voices dia naneho ny sarin'ny toerana hiasany ho an'ny GV ao an-tranony ho firaisankina amin'ny namana mpandray anjara miasa irery. Indro ary ny ahy! Ary seza/mitsangana no ampiasaiko, zaraiko eto ny elanelam-potoanako.

Marianna Breytman, any Washington Heights, ao an-tanandehiben'i New York :

Topi-maso kely amin'ny toerana hiasako ho an'ny Global Voices Online (ny zoro-trano ao amin'ny efitrano keliko mampihomehy)

Filip Noubel any Prague, Repoblika Tseky:

Toerana hiasana ho an'ny GV aorian'ny fandaminana ny efitrano, ary miaraka amin'ny fankatoavan'ireo saka mba ahafahany mitazana eny an'arabe ambany.

Georgia Popplewell, any Trinite sy Tobago:

Natao toerana hiasana vonjimaika ihany ity, raha nanao fanadiovana birao aho. Roa herinandro taty aoriana dia mbola mipetraka vonjimaika eto aho miaraka amin'ny toerana tsy dia malalaka, tsy misy toerana firy ho an'ny boky sy ny fitaovana sasantsasany saingy vitsy fialamboly kokoa.

Amin'ny atoandro sy amin'ny alina (akisaho ny sary)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.