Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Desambra, 2018

Tantara tamin'ny Desambra, 2018

31 Desambra 2018

Ejipta: Nidal Hassan – Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?

Mpitsabo aretin-tsaina ao amin'ny tafika Amerikana izay teratany Arabo ny Major Nidal Hassan izay nanao ilay fitifirana faobe tao Fort Hood tao Texas, namonoany miaramila 12 ary olontsotra iray. Miatrika fiampangana mikasika vonoolona nokasaina izy ankehitriny. ''Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?'', hoy ireo blaogera Ejiptiana manontany.

Shina: Mitady Fanendrena ny Tranombakoky ny Kolikoly

Kasaina ho atsangana ao amin'ny faritany atsimo-atsinanan'i Sichuan ny tranombakoka iray momba ny kolikoly, araka ny tatitry ny China Daily, izay mitanisa avy tamin'ny gazety iray tao an-toerana. Mitady fanendrena avy amin'ireo mpampiasa aterineto hanondro ireo mpiasam-panjakana 100 voafatotry ny kolikoly be indrindra nandritra ny taonjato farany teo ilay tranombakoka.

Pakistana: Hamehana/ Onjam-peo Ilaina Maika Ho An'ireo Tràboina Tamin'ny Horohorontany

Nangataka fihetsehana avy hatrany mba hampiroboroboana ny fikorian'ny vaovao mankany amin'ireo tràboina tamin'ilay horohorontany lehibe tao Pakistana tamin'ny 8 Oktobra 2005, ny Internews,

Kyrgyzstan: FAndrafetana Dokambarotra Manafintohina, Niteraka Adihevitra Nasionalista

Tamin'ny 22 Aprily, notsikerain'ny depiote Askarbek Shadiev nandritra ny fotoam-pivorian'ny antoko ''Ak Zhol'' ny petadrindrin'ny dokambarotry ny Birao Soisa ho an'ny Fiarahamiasa. Tohina tamin'ny nametrahan'ny mpanao sary iray tsy fantatra anarana sarina lakroa fotsy iray teo amin'ny sainam-pirenen'i Kyrgyzstan ilay depiote.

Chernobyl: Taratasy Tsy Nosoratana Mihitsy

Manoratra mikasika ny zavatra niainany tamin'ny naha miaramila noterena hanompo tany Chernobyl 20 taona lasa izay (Rosiàna) ny mpampiasa LJ wall4 - avy any Lviv, Okraina, izay ankehitriny monina ao Connecticut. Arahina sary marobe miloko fotsy sy mainty an'ny tafika ilay tantara.

Ny herinandro tao Bahrain

Herinandro hafa mafana ny tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Bahrainita, miaraka amin'ireo bilaogera sasany mitolona ao ambadiky ny fanentanana fanoherana ny sektarisma, Just Bahraini; ny hafa kosa vao tafaverina tamin'ny fialantsasatra lavalava; ary misy ny mankalaza ny andro nahaterahany (?)!

Ny Herinandro Tany Bahrain (5)

Ny Herinandro Tany Bahrain (5)

Ny herinandro tao amin'ny bilaogy Boliviana -Feb 2006

Mbola any amin'ny hetsika ataon'ny governemanta vaovao ihany no itodihan'ny jiro. Bilaogera Boliviana sasany no maneho ny fifandraisany amin'ireo mpikambana ao amin'ny ekipa vaovao.

Fanavaozana avy amin'ny Tontolon'ny Blaogy Poloney (3)

Fanavaozana avy amin'ny Tontolon'ny Blaogy Poloney

Any Brezila, filaharana handresena ny tahotra ary hitolomana ho an’ny zon’ireo mpifindra monina

Mpifindra monina an-jatony monina any Brezila no nanao diabe tao São Paulo mba hitaky ny zo bebe kokoa ary hankalaza ny firenena izay nofidiany honenany.