Ny herinandro tao amin'ny bilaogy Boliviana -Feb 2006

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2006)

Hita amin'ny teny Espaniola ny lahatsoratra orizinaly

Mbola any amin'ny hetsika ataon'ny governemanta vaovao ihany no itodihan'ny jiro. Bilaogera Boliviana sasany no maneho ny fifandraisany amin'ireo mpikambana ao amin'ny ekipa vaovao. Ohatra,  Fadrique Iglesias Mendizábal no tompon'andraikitra ao amin'ny bilaogy El Clavo en el Zapato (Ny fantsika amin'ny kiraro). Mahafantatra tsara ny Minisitra lefitry ny Fanatanjahantena izy, iray amin'ireo biraom-panjakana izay zara raha mipoitra amin'ny lohatenim-baovao. Faly ihany koa izy fa lasa ny manampahefana teo aloha, kanefa mbola mipetraka ny fanontaniana momba ny vola natokana ho an'ny lalaon'ny Fifandaminana Deportiva Sudamericana” (Odesur), izay natao tao La Paz, saingy nofoanana avy eo. Tsara kokoa ny fahitana ny fitantanana vaovao mikasika ny fanatanjahantena araka ny filazan'i Iglesias Mendizábal, izay ahitana fananganana kianjan'ny baolina kitra vaovao.

Tsy mora ny mianatra mahafantatra ireo Minisitra vaovao. Voatsikera ny Filoha vaovao Evo Morales noho ny fanendrena manampahefana ambony tsy manana traikefa lehibe eo amin'ny sehatra fitantanam-panjakana. Mpiasa an-trano teo aloha ny Minisitry ny Fitsarana vaovao, Casimira Rodríguez. Na izany aza, miaro ny fanendrena azy i Elizabeth Peredo Beltrán ao amin'ny bilaogy Solon Foundation. Nisy ny fanehoan-kevitra mikasika ny lasan'i Rodríguez, toy ny hoe:

“Do you know why domestic workers aren’t supposed to have Sundays off? Because they end up becoming government ministers!”

“Fantatrao ve hoe nahoana ireo mpiasa an-trano no tokony hiasa andro Alahady? Satria ho lasa minisitry ny governemanta ry zareo! “

Tadidin'i Peredo Beltrán ny fihaonana tamin'i Rodriguez tamin'ny taona 1996, izay niasa an-trano nanomboka tamin'ny faha-13 taonany, sy ny fomba niadiany ho an'ny zon'ny mpiasa an-trano tamin'ny alàlan'ny fivoriana niaraka tamin'ireo minisitra, mpikambana ao amin'ny parlemanta sy ireo mpampiasa mpiasa an-trano. Nofaranany tamin'izao manaraka izao:

What we should ask ourselves is that in spite of the endless parade of doctors, experts and other notables throughout the administration of justice and in other public institutions, why have the mechanisms of exclusion still remain? During this new stage, the challenge is still grand, but not only for Casimira Rodríguez or Evo Morales Ayma. We all should become committed to defeating discrimination, inequality, injustices and other psychological barriers. Imagining a different world is not so easy, but it still remains possible.

Ny tokony hanontaniantsika amin'ny tenantsika dia hoe, na dia eo aza ny fisesisesiin'ny dokotera, manam-pahaizana sy ireo misongadina ao amin'ny fitantanana ny fitsarana sy any amin'ny andrim-panjakana hafa, nahoana no mbola mitoetra ny rafitra fanilikilihana? Amin'ity dingana vaovao ity, dia mbola lehibe ny fanamby, tsy ho an'i Casimira Rodríguez na Evo Morales Ayma ihany. Tokony hanolo-tena isika rehetra mba handresy ny fanavakavahana, ny tsy fitoviana, ny tsy rariny ary ny sakana ara-tsaina hafa. Tsy mora ny mieritreritra tontolo hafa, saingy mbola azo atao izany.

Lucia Rojas manoratra momba ny lahatsoratr'i Peredo Beltrán ao amin'ny Observatorio Boliviano ary manampy rohy manan-danja ahitana tafatafa niaraka tamin'ny Minisitry ny Fitsarana sy C.V. fohy avy amin'ny tranonkalan'ny governemanta Boliviana.

Natao fitaovana hamoahana sy hiampangana ireo hetsika sasany ihany koa ny bilaogy. Ohatra, tao an-tanànan'i Santa Cruz, nandefa ny fitarainan'izy ireo ara-pitsarana manohitra ireo mpikambana ao amin'ny Federasionany manokana ny Federasionan'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Gazety tamin'ny filazana fa mifanohitra amin'ny satan'ny fikambanana ny fifidianana Komitim-pifidianana. Namoaka ny fitarainana ara-pitsarana ahitana sonia tao amin'ny tranonkala ofisialin'ity fikambanana ity ilay bilaogera.

Miguel Centellas kosa mihevitra ny fiovana lehibe amin'ny fifandraisana eo amin'i Morales sy ny Filoha Venezoeliana Hugo Chavez. Ny ankamaroan'io fiovàna io dia nisy ifandraisany betsaka tamin'ny fanambarana vao haingana nataon'ny governemanta Breziliana fa mety hanome gazy natoraly ho an'i Brezila i Chavez amin'ny vidiny mihoatra ny ampahatelon'ny vidiny izay atolotry ny mpifanolobodirindrina Boliviana. Ny bilaogin'i Centellas, Ciao! kosa ahitana topi-maso mialoha amin'ny toko miainga amin'ny asa fanohanana eo am-pandrafetana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.