(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 2009)
Tamin'ny 22 Aprily, notsikerain'ny depiote Askarbek Shadiev nandritra ny fotoam-pivorian'ny antoko ”Ak Zhol” ny petadrindrin'ny dokambarotry ny Birao Soisa ho an'ny Fiarahamiasa. Tohina tamin'ny nametrahan'ny mpanao sary iray tsy fantatra anarana sarina lakroa fotsy iray teo amin'ny sainam-pirenen'i Kyrgyzstan ilay depiote.
Misy petadrindrina lehibe iray ho fankalazana ny tsingerina faha-15 niforonan'ny Birao Soisa Ho an'ny Fiarahamiasa, izay nametrahana lakroa fotsy be tamin'ny sainam-pirenena Kyrgyzstana teo amin'ny fifanapahan'ny Lalana Mira sy ny Arabe Gorky. Mety tsy dia nisy niraharaha izany angamba ianareo. Mino aho fa tokony hanara-maso ny zavatra toy izao ny governemanta. Fanambaniana ve izao?, hoy izy.
Tao anatin'ny tafatafa Kloop.kg , naneho hevitra mikasika ny fanambarany ihany koa i Askarbek Shadiev.
Misy lakroa fotsy be eo amin'ny sainantsika Kyrgyz. Mihevitra aho fa tsy mifanaraka amin'ny fenitra ara-moraly izany ary fandikàna ny lalàna mikasika ny Sainan'ny Repoblika Kyrgyz. Mila mametraka izany raharaha izany manoloana ny fitsarana isika ary handresy, hoy i Shadiev.
Tokony ataony miaraka ireo saina ireo, fa tsy tokony nanao sary io lakroa io teo amin'ny sainantsika. Tsy mahatakatra izany ny vahoakantsika, ary mihevitra aho fa manafintohina izany, hoy i Shadiev.
Ho valin'ny famelezana nalefan'i Shadiev, nanazava ny Birao Soisa Ho an'ny Fiarahamiasa, fa nomen'ny Vaomieram-pirenena Nasionaly momba ny Tenim-pirenena ambany fiahian'ny Filoha azy ireo ny fanomezandalana ofisialy hampiasa faneva toy ireny.
Maneho ny faha-15 nitsingerenan'ny fiarahamiasa teo amin'i Kyrgyz-Soisa ilay fango natao pirinty teo amin'ireo petadrindrina dokambarotra sy sehatra fampiroboroboana maro hafa / Fango maneho ireo fanevan'ny firenena roa mpinamana, natambatra – ny Repoblika Kyrgyz sy i Soisa, hoy ny birao Soisa.
Nitsikera avy hatrany an'ilay mpanao sary tsy fantatra anarana ireo mpampiasa Aterineto ary namoaka sarin'ilay solombavambahoaka niaraka tamin'ny sainam-pirenen'ireo firenena roa ireo ho toy ny mariky ny firahalahiana eo amin'i Kyrgyzstan, Soisa ary i Shadiev. Na izany aza, nitovy ny hevitr'ireo mpampiasa aterineto ireo:
Hitantsika indray fa tsy misy atao ny Parlemanta. Tokony ireo mpisotro ronono sy bekotro maroholatra mahantraeto amintsilka no ho eritreretin'io …, hoy [ru] ny hevi-dehiben'i SpaceWalker, mpampiasa ny sehatra fifanakalozankevitra Diesel.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...