Pakistana: Hamehana/ Onjam-peo Ilaina Maika Ho An'ireo Tràboina Tamin'ny Horohorontany

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 2005)

Nangataka fihetsehana avy hatrany mba hampiroboroboana ny fikorian'ny vaovao mankany amin'ireo tràboina tamin'ilay horohorontany lehibe tao Pakistana tamin'ny 8 Oktobra, izay nahafaty olona mihoatra ny 53.000 sy niteraka fisianà 3 tapitrisa mahery tsy manan-kialofana ny Internews, fikambanana iraisam-pirenena iray miasa ho an'ny fampandrosoana ny haino aman-jery. Tena voa be ny haino aman-jery teny amin'ny toerana nitrangan'ny loza, miaraka amin'ny fahasimbàna be nanjo ireo fandefasana onjam-peo ho an'ny daholobe sy ara-barotra ary ny fanaovana printy ny gazety sy ireo toerana fanapariahana.

Efa nanaparitaka andianà mpamokatra onjam-peo iray ahitana ekipana iray misy 12 mpanao tatitra an-gazety ny Internew mba hamokarana fandaharana hanasongadinana ny filàna maika ho an'ireo olona monina eny amin'ny faritra tratran'ny horohorontany amin'ny fiteny eny an-toerana. Alefa amin'ny onjampeo FM manokana napetraka ao amin'ny tanànan'i Abbottabad ireo fandaharana ireo, ao amin'ny Sisintany Avaratra Andrefana (NWFP), miaraka amin'ny onja izay afaka mahatratra saika ny faritra rehetra voakasik'ilay horohorontany ao Pakistàna Avaratra sy ny Kashmir tantanin'i Pakistàna.

Toy izao ireo zavatra tena ilaina amin'ny resaka fotodrafitrasa fampielezana/ haino aman-jery, fanampiana  amin'ny  famokarana & fampiofanana:

- fampitàna, tandroka vy, toerana fampielezampeo mandehandeha, ary mpihary herinaratra
– mpandrakitra minidisk, solosaina finday, finday mandeha zanabolana, fitaterana, ary fanohanana ara-teknika
– fitaovana famokarana afaka hoentina tanana & mitoboka

Raha toa ka afaka manampy amin'izany filàna izany ianao na mahafantatra olona afaka manampy amin'ny fahazoana ireo fametrahana onjam-peo vonjimaika ireo dia mba mifandraisa amin'i Adnan Rehmat amin'ny laharana +92(300) 850 6354 na mifandraisa amin'ny Biraon'ny Internew ao Pakistana amin'ny laharana +92(51) 287 7984, azafady. Raha tsy izany dia afaka mandefa imailaka amin'i Adnan sy i Ivan Sigal ianao (Marihana hatrany fa efa tamin'ny 2005 ny lahatsoratra teny anglisy).

Loharano: ReliefWeb & Fifandraisana amin'ny ekipa eny an-kianja

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.