Tantara tamin'ny 15 Aogositra 2018
Fanentanana Revolisionera ao amin'ny WSF
Miloa-bava amin'ny tsikera fanatsarana amin'ny sehatry ny fikarakarana ireo bilaogera nanatrika ny Forum Sosialy Manerantany (WSF). Noresahin'ireo bilaogera bebe kokoa ny lohahevitra mifandraika amin'ny olan'ny fitaterana, ny tobin'ny tanora, ary ny torohay.
Fanavaozana avy ao Ogandà: resaka fandriampahalemana, fampihavanana, ary filoha tezitra
Tamin'ny herinandro lasa teo, nitondra ireo mpikomy avy tao amin'ny LRA hivory tamin'ny voalohan'ny volana Desambra ho ao amin'ireo toerana roa fivoriana ao atsimon'i Sodàna ilay fanavaozana indray ny fampitsaharana fifampitifirana.
Banjina Iray Mikasika Ny Tontolombolongana Ao An-tandrok'i Afrika Sy Sodàna
Revo amin'ny fandanjalanjàna ny teo-draharaha politika ao amin'ny fireneny ireo Etiopiana bilaogera taorian'ireo fifidianana solombavam-bahoaka natao tamin'ny volana May 2005, izay nandresen'ny antokon'ny Praiminisitra Meles Zewani eo amin'ny fahefana. Tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Politics is the Continuation of War by Other Means, (Fitohizan'ny ady amin'ny fomba hafa ny politika) kianin' i Ethiopundit ny governemanta Etiopiana noho ny fomba izay nitantanany ireo fifidianana sy ny famonoana an'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny volana Jona, ankoatra ireo zavatra hafa.
Shina: Miloa-bava ireo mpisera MSN voakatona
Niharatsy hatrany ho an'ireo mpisera any Shina ny tolotra MSN satria nanova ny kaonty Passport ho Live.com ny Microsoft vao haingana. Taorian'ny nanoratan'i Frank Dai, bilaogera ao amin'ny Global Voices Online lahatsoratra momba io olana io, tapa-bolana lasa izay, nanomboka nampiaka-peo ireo mpampiasa MSN Messenger, Hotmail sy MSN Spaces.
Rosia: Rongony atsindrona no antony voalohany miteraka ny VIH/SIDA
Raha i Afrika Atsimon'i Sahara no mitoetra ho faritra mizaka ny VIH indrindra, tatitra iray navoakan'ny UNAIDS (Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny SIDA) no nilaza fa mampanahy ny fitomboan'ny tranga any amin'ny faritra hafa tahaka an'i Rosia.
Korea Atsimo: Blaogy, Blaogera Ary Marika
Na misy aza ny tambajotra izay azo handrafetana ny fisakaizana ho mafy orina, dia tsara kokoa ny tena fihaonana hita maso mba hifankahalalana betsaka kokoa.
Malezia: Manana Blaogy Sy Kaonty Twitter Ny Praiminisitra Vaovao
Misy mitsikera ny vohikalan'i Najib noho ny maha-raitra azy. [...] Izy ihany ve no namorona an'io? Andraso kely, tsy izy ve no nanakana an'ireo media enina tety anaty tambajotra tsy ho azo nidirana nandritra ny fivoriamben'ny UMNO? Angamba afaka manao izay lazainy i Najib ary mankato ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra.
Ao India, arovan'ny polisy ny omby, ahilika miandry fotoana ny olona
"Mampalahelo ny mahafantatra fa masina kokoa ny fiarovana ny omby noho ny fiainan'ny olombelona... Moa ve atao anjorom-bala tokoa ny vitsy an'isa eto amin'ny firenena ka kolokoloina ho olom-pirenena sokajy faharoa??"
Ny endrika matroky ny mondialy tany Rosia, fanorisorenana ireo vehivavy “sariaka loatra” amin'ireo vahiny

Ho rava afaka herinandro maromaro ny fifaliana niainana anaty mondialy saingy mbolamitoetra ny fanontaniana matotra amin'ny zon'ny vehivavy rosianina.