Rosia: Rongony atsindrona no antony voalohany miteraka ny VIH/SIDA

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny septambra 2008)
Raha i Afrika Atsimon'i Sahara no mitoetra ho faritra mizaka ny VIH indrindra, tatitra iray navoakan'ny UNAIDS (Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny SIDA) no nilaza fa mampanahy ny fitomboan'ny tranga any amin'ny faritra hafa tahaka an'i Rosia. Maro amin'ny manampahaizana manokana momba ny VIH/SIDA ihany koa no naneho ny ahiahiny fa miatrika fielezan'ny valan'aretina  VIH/SIDA i Rosia sy ireo firenena tao amin'i Firaisana Sovietika teo aloha. Fa tsy tahaka  ireo any amin'ny faritra maro manerana izao tontolo izao, tamin'ny fampiasaina fanindromana fanafody no nahazoan'ny ankamaroan'ny ao Rosia VIH.

Mihamitombo ny fielezan'ny valan'aretina VIH ao Rosia, na dia tsy haingana toy ny tamin'ny taompolo 1990 aza. Miovaova ny fanombanana, saingy azo eritreretina fa efa hahatratra iray tapitrisa ny isan'ny olona miaina miaraka amin'ny VIH ao Rosia. Ny fampiasana rongony (na fanafody) atsindrona no lalana voalohany ifindran'ny VIH — io no tompon'antoka amin'ny roatokon'ny tranga VIH vaovao ao tamin'ny taona 2006. Mamelabelatra ny lohahevitra i Neil Smith, namoaka lahatsoratra ao amin'ny docshop.com.

“Certain parts of Russia are plagued by HIV/AIDS outbreaks as a result of people sharing syringes and needles. The problem is so serious that the World Health Organization has tabbed Russia as the nation with the worst HIV/AIDS epidemic in all of Europe, encompassing nearly a million infected people. VOANews.com cites ‘intravenous drug use, especially among young people’ as the primary vehicle causing the rapid infection to continue and worsen with each passing year. Moscow and St. Petersburg are believed to be the most heavily impacted areas.”

“Faritra vitsivitsy ao Rosia no tratran'ny fielezan'ny VIH/SIDA vokatry ny fifampizaran'ny olona fitsindrona sy fanjaitra. Lalina tokoa ny olana ka notondroin'ny OMS ho firenena ielezan'ny VIH/SIDA indrindra manerana an'i Eoropa i Rosia, aru safoina hanakaiky ny iray tapitrisa ny olona tratra. Notondroin'ny VOANews ny fampiasana fanafody (na rongony) atsindrona, indrindra eo amin'ny samy taona ho antony voalohany ifindran'ny valan'aretina haingana ary miharatsy isan-taona izany. Moskoa sy St. Petersburg no heverina ho faritra betsaka tratra indrindra.”

Ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina, miaraka amin'ny VIH/SIDA no lasa olana lehibe indrindra ao Rosia rehefa rava ny Firaisana Sovietika, satria rehefa misokatra ny sisintany dia lasa mora kokoa ny fidiran'ny mpivarotra rongony tsy ara-dalàna. Ankehitriny tombanana fa manodidina ny 1,5 tapitrisa ka hatramin'ny 3 tapitrisa ny isan'ny olona mpanjifa rongony atsindrona ao Rosia, manindrona heroinina sy ireo rongony hafa fanondran'ny mpanao azy. Maro amin'ireo mpanao azy no mampiasa fitsindrona vao avy nampiasaina, ka mampitombo ny herijika hifindran'ny VIH.

Ao amin'ny bilaoginy, Kh. Atiar Rahman miresaka momba ny olan'ny fitomboan'ny fampiasana rongony sy ny fiantraikany ratsy.

“Unfortunately, the social base of drug addiction is expanding. Today this disease has percolated to all sections of society, encompassing the territory – world wide, especially the depressed areas. This is leading to an avalanche-like spread of AIDS…Most of the drug addicts — up to 53 percent — are persons with no definite occupation. It is they who strengthen the army of distributors now as well, which in its turn gives go to a crime flare.”

Indrisy fa mihamivelatra ny fototra ara-piarahamonina amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Ankehitriny tafiditra amin'ny sarangan'olon rehetra ity aretina ity, miely manerana ny zaratany – maneran-tany, indrindra fa any amin'ny faritra tratran'ny fahakiviana. Izany no  mitarika mankany amin'ny fielezan'ny SIDA… Mahatratra hatrany amin'ny 53 isanjaton'ny mpiankin-doha amin'ny rongony no tsy manana anton'asa raikitra. Ry zareo no mampitombo ny isan'ireo mpanely azy, ary dia lasa mirona mankany amin'ny heloka bevava avy eo.

Fomba iray hanemorana ny fielezan'ny VIH amin'ny alalan'ny fitsindrona efa nampiasaina ny programa fifanakalozana fitsindrona. Mihoatra ny 50 ny isan'ny tetikasa fifanakalozana fitsindrona tao Rosia tamin'ny taona 2007. Iray amin'ireny programa ireny no velomin'ny Humanitarian Action Fund, miorina ao St. Petersburg, izay miasa amin'ny alalan'ny hopitaly mandehandeha ambonin'ny bus iray nohavaozina. Miasa amin'ny alina mijanonjanona any amin'ireo faritra falehan'ny mpiankin-doha amin'ny rongony ny bus ary manolotra fanjaitra sy fitsindrona madio, ary manolotra servisy ara-tsosialy sy ara-pahasalamana hafa koa. Ao amin'ity lahatsary, itantaran'ny mpanorina ny fikambanana, Sasha Tsekhanovich, ny ezaka ataony sy ny fanilikilihana mihatra amin'ny mpiankin-doha amin'ny rongony.

http://services.brightcove.com/services/viewer/federated_f8/1125995047

Fomba iray hafa lazain'ny manampahaizana ara-pahasalamana maro ho kitro ifaharana hifehezana ny fielezan'ny VIH eo amin'ny mpandrongony atsindrona ny fitsaboana amin'ny alalan'ny solon-drongony. Ohatra, ny fanomezana methadone, endrika ôpioma sentetika, ho an'ireo miankindoha amin'ny heroinina hanampy azy ireo hiala amin'ny heroinina. Tsy tondroina hitsaboana any Rosia anefa ny Methadone, ary heverina ho fady ny miresaka izany. Tamin'ny fiandohan'ity taona 2008 ity ny lehiben'ny fahasalamam-bahoaka ao amin'ny firenena no nilaza fa tsy vonona handray fitsaboana fampidirana methadone hanoloana heroinina i Rosia. Takelaka iray ao amin'ny bilaogy Drug Rehab nanazava bebe kokoa avy eo.

“Methadone treatment is taboo in Russia because many feel that it is simply replacing one addiction with another. In fact, even bringing up the topic can provoke serious legal sanctions. Posting studies that show the effects, both positive and negative, of methadone treatment are illegal also. In fact, charges are often brought up against doctors that post these findings on their websites. Because methadone treatment is difficult to get in Russia, many find that the detox is ineffective and once they leave the drug rehab program, they use again.”

Fady ny miresaka fitsaboana amin'ny alalan'ny Methadone ao Rosia satria maro no mahatsapa fa manolo fiankinan-doha iray amin'ny fiankinan-doha iray hafa fotsiny izany. Ny zavamisy, na dia ny miresaka ilay lohahevitra fotsiny aza dia mety hahavoasazy mafy. Tsy ara-dalàna ihany koa ny mamoaka fanadihadiana mampiseho ny fiantraikan'ny methadone, na ny ratsy na ny tsara. Ny marina, ampangaina matetika izay dokotera mamoaka ny zavatra hitany momba izany ao amin'ny tranonkalany. Satria sarotra ny fahazoana fikarakarana amin'ny alalan'ny methadone ao Rosia, dia maro no mahita fa tsy mahomby ilay fanadiovam-poizina satria vantany vao miala amin'ny programam-piarenana avy amin'ny rongony ry zareo dia lasa miverina mampiasa rongony indray.

Na izany aza dia asongadin'ny manampahaizana manokana fa tsy ny mpandrongony ihany no tratran'ny VIH/SIDA ao Rosia. Mitombo ihany koa, hatramin'ny faran'ny taompolo 1990s ny fifindrana amin'ny alalan'ny firaisana tsy voaaro eo amin'ny lahy sy ny vavy, ary misy ny karazam-pifaninanana eo amin'ny mpivaro-tena sy ny fampiasana rongony atsindrona. Unkie Dave, mibilaogy ao amin'ny Booming Back, milaza fa ny lakilen'ny fihenan'ny valan(aretina VIH amin'ny ankapobeny dia ny mijery ny sary iray manontolo.

“AIDS is a disease of poverty and ignorance, affecting the most vulnerable and marginalised in any society. In America it is a disease of black women, in Russia it effects intravenous drug users, in Thailand it affects sex workers, and so on. But by focusing on only one group in any culture, it gives the impression that all other groups are unaffected, leading to risky behaviour by the mainstream, and the further marginalisation of those at the edges.”

Aretin'ny fahantrana sy ny tsi-hafalalàna ny SIDA, mihatra amin'ireo marefo sy voahilikilika indrindra ao amin'ny fiarahamonina. Aretin'ny vehivavy mainty hoditra izany ao Amerika, aretin'ny mpanindro-tena amin'ny rongony kosa izany ao Rosia, any Thailand izy mahatratra ny mpivaro-tena, sy ny sisa tsy voatanisa. Fa amin'ny fifantohana amin'ny  vondrona iray isaky ny kolontsaina, dia toy ny mampihevitra fa tsy mba tratrany ny vondron'olona hafa, izay mety hiteraka fihetsika tsy voatandrina ho an'ny sarambamben'ny olona, sy manosika bebe kokoa ireo efa an-jorombala.”

Saripikan'ny Close Up Syringe avy amin'i big_chocolate_monster ao amin'ny Flickr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.