Fanentanana Revolisionera ao amin'ny WSF

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Miloa-bava amin'ny tsikera fanatsarana amin'ny sehatry ny fikarakarana ireo bilaogera nanatrika ny Forum Sosialy Manerantany (WSF). Noresahin'ireo bilaogera bebe kokoa ny lohahevitra mifandraika amin'ny olan'ny fitaterana, ny tobin'ny tanora, ary ny torohay.

Nilaza fomba fijery samihafa teo amin'ireo mpanatrika momba ny fidiran'ny governemanta Venezoelana an-tsehatra tao amin'ny Forum ny bilaogera Miozolomana iray. Mifandraika amin'ny adihevitra mavesa-danja mifantoka momba ny lalana ho avin'ny WSF amin'ny fandaharana hetsika ara-politika, forum adihevitra lehibe na fihaonann'ny fiarahamonim-pirenena ny lohahevitra.

Mpianatra iray ao Berkeley mitantara ny diany nanerana ny zaridainan ‘i Caracas sy ny valan-javaboary manodidina izay hita fa toby mivoatra (camp on the move). Namorona ny voambolana (dis)organization (ratsy karakara) mba hamintinana ny hetsika ireo mpianatra ao amin'ny Ten Bard College miara-manoratra bilaogy iombonana

Tsy dia niraharaha firy momba ny fanakianana ireo mpamaham-bolongana Amerikana Latina nanatrika ilay hetsika, ary nifantoka bebe kokoa tamin'ny fiderana ny atrikasa sy ireo fifanakalozan-dresaka natrehin'izy ireo.Nientanentana tamin'ny Antoko Fandotoan-dRindrina notontosaina tao amin'ny Forum ireo bilaogera mifandray amin'ny hetsika open source sy rindrambaiko maimaimpoana|malalaka. Manamarika i Luigino Bracci, bilaogera Venezoelana, fa tokony hanaraka ity lalana ity ny sampam-panjakana miandraikitra ny fampiroboroboana ny fampiasana rindrambaiko maimaimpoana ao Venezoela, ary hanatontosa lanonana tahaka izao hampielezana ny tombontsoa azo avy amin'ny rindrambaiko malalaka eo amin'ny sarambabem-bahoaka.

Nanokatra blaogy voatokana hitaterana “tsy am-pahazotoana” amin'ny ataon'ireo avy amin'ny elatra havia anjatony manatrika ny WSF ny vondrona bilaogera Venezoelana manohitra ny fitsabahan'ny fanjakana amin'ny politika ara-toekarena sy ny fanasoavam-bahoaka. Mandritra izany fotoana izany, misamonomonona amin'ny fandraisan'i Cindy Sheehan anjara amin'ny fihetsiketsehana manohitra ny ady ireo Amerikana US tsy manatrika ny Forum.

Namorona ny lafiny fanalan'andro tao amin'ny WSF ny fahafenoan-kavina sy tombokavatsa mety ho azon'ny olona iray ao Caracas. Mitatitra ireo andian-danonana tsy mety tapitra eo amin'ny mpandeha Forum sy ny mpanao fihetsiketsehana ihany koa ireo Venezoelana bilaogera.

Nentin'ny vahiny mpanohana an'i Chávez ny fanamarihana sady mampalahelo no mampihomehy amin'ny faniriany hanesorana ny sariny maneso ny fitifirana am-basy tao Puente Llaguno, toerana nahafatesana venezoelàna maherin'ny folo raha nanandrana handeha ho any amin'ny lapan'ny governemanta ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra mba hiantso nitaky ny fialan'ny filoha Chávez tamin'ny Aprily 2003.

Na izany na tsy izany, hita ho nahazo zavatra betsaka avy amin'ny fifanakalozan-dresana nandeha tao Caracas ireo mpandray anjara amin'ny Forum. Araka ny voalazan'ny iray amin'ireo mpianatra ao amin'ny Bard College, “ny fanentanana dia efa revolisiona ao anatiny, manaraka avy hatrany ny hafa rehetra.”

Tags: |

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.