Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

06 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 06 Jolay 2018

Iran: ny angano sy ny marina momba ny Twitter

Nankalazain'ny fitantaran'ny haino aman-jery iraisam-pirenena momba ny hetsi-panoherana Iraniana nandritra ireo herinandro vitsy lasa ho toy ny fitaovana hikarakarana sy hitaterana momba ny hetsi-panoherana ny 'herin'ny Twitter', saingy nisy vokatra tsara sy voka-dratsy ny fiankinan-doha tamin'ny Twitter tamin'ity krizy ity.

Mampiantrano ny diabem-pireharehan'ny pelaka voalohany ny vondrom-piarahamonina LGBT ao Goyana

#Guyana no firenena tokana Amerikana iray izay mbola tsy ara-dalàna ny fahapelahana. Vao avy nanatontosa ny diabem-pireharehany voalohany ny LGBT. Aleo antenaina fa ny tsy fanamelohana no ho avy manaraka

Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 25 Jona – 01 Jolay 2018?

Nandritra ny herinandron'ny 25 Jona ka hatramin'ny 1 Jolay 2018, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 197 ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Ny laharana faha 19 ao amin'ny lisitra ve ? Angola. Ary ny faha 185 ? Seychelles.

Meksika: Fanentanana hiarovana ny safidim-bato

Ny "Cuidemos el voto" [“Andao arovana ny vato”] dia tetikasa mikendry ny hiarovana ny vaton'ny Meksikana mandritra ny fifidianan'ny 5 jolay manoloana ireo "fahavalo ela": herisetra, karapanondro hosoka, fangalaram-bato, fanimbana ny vata fandrotsaham-bato ary ireo sakana hafa amin'ny fisian'ny fifidianana mangarahara. . Ny Fitaovam-piadiany? SMS, Twitter ary ny tranonkala.

Ejipta: Ny raharaham-pitsarana ambony an'i Kareem

Andrasana hohenoin'ny fitsarana ao Alexandra ny raharahan'ilay bilaogera Ejipsiana Kareem Nabeel Sulaiman

Nanao fambolen-kazo ny Bilaogera FOKO avy eto Madagasikara

Rising Voices

Taorian'ny atrikasa momba ny fampiasana ny Flickr sy ny fomba famahanana bilaogin-dahatsary, navitrika tamin'ny fanadihadiana momba ny tondradrano tamin'ny rivodoza Ivan sy ny fambolen-kazo nataon'izy ireo tany Andranovelona niaraka tamin'ny Vondrona Namana SeraSera ny ekipa FOKO eto Madagasikara.