Mampiantrano ny diabem-pireharehan'ny pelaka voalohany ny vondrom-piarahamonina LGBT ao Goyana

Sary saina avana avy amin'i Jaime Pérez, CC BY-NC 2.0.

“Aelezo ny fitiavana, fa tsy ny fankahalana”, izany no teny filamatra nanakoako nandritra ny diabem-pireharehan'ny pelaka voalohany tao Goyana tamin'ny 3 Jiona 2018. Hetsika ahafahan'ny vondrom-piarahamonina LGBT ao amin'ny firenena mba hivoaka amin'ny tsy fahitana azy ireo ary hitaky ny zon'izy ireo mba hirehareha amin'ny maha-izy azy ireo sy hanan-jo hifidy izay hotiavina:

‘Aelezo ny fitiavana, fa tsy ny fankahalana’

Arahabaina noho ny diabem-pireharehanareo voalohany hatramin'izay, Goyana! #LoveIsLove??pic.twitter.com/lEFxgf5Kja

Nanomboka tao amin'ny kianjan'ny revolisiona ao an-drenivohitra Georgetown ny fetibe, ahitana ireo mpandray anjara nanao fitafiana avana sy mandihy mozika soca no sady nanao diabe ho firaisankina hanoherana ny fankahalana sy ny fahateren-tsaina izy ireo

#Guyana_Pride
Fotoana Mampirehareha mba hankalaza ny fisian'ny Olom-pirenena LGBTQ+ ao Goyana pic.twitter.com/S5PdblZn7b

Ny firaisana amin'ny lava-pitombenana (fantatra amin'ny anarana hoe “sodomia” any amin'ny faritra maro any Karaiba) dia mbola tsy ara-dalàna any Goyana, na dia eo aza ny didim-pitsarana manan-tantara tamin'ny raharaha Caleb Orozco tany Belize tamin'ny taona 2016, sy ny vao haingana indrindra momba ny raharaha Jason Jones tao Trinidad sy Tobago, izay samy nilazana ny fanamelohana ny sodomia ho tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana. Tsy nilaozana adihevitra sy  fanehon-kevitra ratsy manerana ny faritra ireo raharaha roa ireo, ary tahaka izany koa ny filaharambe amin'ny diabem-pireharehana ao Goyana.

Naresaka tamin'ny fomba fijeriny mifanohitra ireo mpiserasera. Tamin'ireo hafatra tamin'ny Facebook, namela fanehoan-kevitra masiaka i Yolanda Adams izay naneho fa mandray anjara asa goavana amin'izany ny fivavahana :

Mr President stand your ground, if you only promote this act, the country will be curse[d] because God is totally against it. He has destroy[ed] a nation already because of this act and hasn't changed. These are not the days to please mankind, your first duty is to protect the inncocent (sic) children. Because if you don't you will answer to God.
So don't make decisions on Votes, God put you there not man.
So please put God first.

Mijoroa ry Filoham-pirenena, raha mampiroborobo ity hetsika ity ianao dia ho voaozona ny firenena satria manohitra izany tanteraka Andriamanitra. Efa namotika firenena iray izy noho io fihetsika io ary tsy niova. Tsy ireo andro ireo hampifaliana ny olombelona, ​​ny adidinao voalohany dia ny miaro ireo zaza tsy manan-tsiny. Satria raha tsy manao izany ianao, dia ho adinin'Andriamanitra.
Noho izany, aza mandray fanapahan-kevitra amin'ny Latsa-bato, Andriamanitra no nametraka anao teo fa tsy olombelona.
Koa azafady, ataovy loha-laharana Andriamanitra.

Nanohitra ny fanafoanana ny lalàna ihany koa i Shanna Leaona Patterson:

This government stands a better chance if they legalize small quantities of marijuana instead of antimen so they had better choose wisely

Manana vintana tsara ity governemanta ity raha mankatoà ireo marijuana madinika fa tsy ny “antimen”, tokony hisafidy tsara amim-pahendrena kokoa izy ireo

Ny voambolana Goyaney milaza ny pelaka dia “anti-man”.

Mpisera Facebook, Brenda Oliver nilaza ity:

People just trying a thing that will not pass in Guyana. Guyana is not America

Miezaka manao zavatra tsy ho ekena ao Goyana ny olona. Tsy Amerika i Goyana

Mpisera Facebook hafa nihevitra fa fanoherana goavana ny lalàna ao amin'ny firenena ny hetsika, ary marobe ireo adihevitra momba ny fanozonana ara-pivavahana. Nilaza ny mpaneho hevitra iray fa manana olana hafa tokony hovahana ny firenena – tahaka ny fifandraisana ara-poko ohatra – izay maika kokoa. Ireo izay manohana ny filaharambe – na farafaharatsiny ireo tsy naneho hevitra — dia toa hita fa vitsy an'isa.

Ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT ao Goyana anefa, dingana voalohany manohitra ny fanilikilihana atrehin'izy ireo noho ny fironana ara-pananahana sy ny maha-lahy sy vavy ny hetsika. Mpikambana ao amin'ny Parlemanta Priya Manickchand, izay manohana ny ezaky ny vondrom-piarahamonina LGBT, nilaza fa “tokony ho afaka manana ny safidiny manokana ny vahoaka”, ary tsy tokony idiran'ny governemanta ny efitrano fandrian'ny olona.

Nahasarika fanohanana an-tserasera ny fanambaràny. Mpisera Facebook Shannon Andre Persaud nanoratra hoe:

I really can’t tolerate people against the LBGTQ community. What a tremendous step it was to see this embraced in Guyana but not of course without the ignorant trolls. But instead of engaging with discriminative and uneducated people, I unfriended and problem solved! Love is love ❤️ And this world could do with less hatred and discrimination and lots more love and humanity. #isupportthelbgtqcommunity

Tena tsy zakako ny olona manohitra ny vondrom-piarahamonina LBGTQ. Dingana goavana tokoa ny nahita azy miditra an'i Goyana saingy mazava loatra fa nisy ireo mpandoto rindrina tsy miraharaha. Raha tokony hifanerasera amin'ny olona manavakavaka sy ratsy taiza, nesoriko namana dia voavaha ny olana! Ny fitiavana dia fitiavana ❤️ Ary afaka manao zavatra tsy misy fankahalana sy fanavakavahana izao tontolo izao sy fitiavana sy maha-olombelona bebe kokoa.

Nisy ihany koa ny fanandrata-teny tao amin'ny Twitter:

Iray tokony handeha! #Guyana no firenena tokana Amerikana iray izay mbola tsy ara-dalàna ny fahapelahana. Vao avy nanatontosa ny diabem-pireharehany voalohany ny LGBT. Aleo antenaina fa ny tsy fanamelohana no ho avy manaraka: Arahabaina @SASODGuyana @GuyanaTrans & Guyana Rainbow Foundation. FIRAISANKINA

Lafiny iray amin'ny ady ataon'ny vondrom-piarahamonina ho an'ny fitovian-jo ny diabe. Nanana hafatra ho an'ny manampahefam-panjakana i Joel Simpson, tale mpitantana ny Fiarahamonina manohitra ny Fampironana ara-nofo sy Fanavakavahana (SASOD) izay nikarakara ny diabe – ny fiarahamonina LGBT dia manantena hahita fandraisana andraikitra.

Na izany aza, misy ny fanoherana goavana. Tamin'ny fihaonambe andro iray mialoha ny diabem-pireharehan'ny pelaka, naneho ny tsy fankasitrahany tamin'ny alalan'ny fahandrahoanan tsy handray anjara amin'ny fifidianana ny mpikambana ao amin'ny Georgetown Ministers’ Fellowship na Sakaizan'ny Fanompoana (Fivavahana) ao Georgetown. Manindry amin'ny tsy fandravàna ny lalàna sodomia efa tranainy ny vondrom-piarahamonina Kristiana izay mandrafitra ny 60% n'ny mponina ao Goyana, toy izay nitranga any amin'ny faritany hafa. Nandrahona hanakana ny diabe mihitsy aza ny Fellowship, saingy noho ny fisian'ny polisy marobe, tsy nisy ny zava-nitranga nanahirana.

Simpson, izay nanatrika ny kaonferansa amin'ny maha-solontenan'ny vondrom-piarahamonin'ny pelaka, nilaza fa mbola miandry ny fampanantenana hanova ny lalàna nolazaina tamin'ny fampielezan-kevitra tamin'ny taona 2015  ny olom-pirenena LGBT:

We are voting, tax paying law abiding citizens like everyone… We are not asking for anything special. We should enjoy protection from discrimination.

Mifidy izahay, olom-pirenena manaja ny lalàna fandoavan-ketra tahaka ny tsirairay….Tsy mangataka zavatra manokana izahay. Tokony hahazo fiarovana manoloana ny fanavakavahana izahay…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.