Ejipta: Ny raharaham-pitsarana ambony an'i Kareem

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2007)
abdel_karim_blogger_s50.JPG

Andrasana hohenoin'ny fitsarana ao Alexandra ny 12 Martsa ny rahaharam-pitsarana ambony an'ilay bilaogera Ejipsiana Kareem Nabeel Sulaiman

Nametraka tantara ity bilaogera Ejipsiana ity tamin'ny volana lasa teo noho izy mpanoratra voalohany voasazy efa-taona an-tranomaizina ao amin'ny firenena noho ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny bilaoginy.

Voampanga ho nanala-baraka ny Silamo sy nanevateva ny filoha Ejypsiana Hosni Mubarak ity lehilahy 22 taona, mpianatra teo aloha tao amin’ny Oniversite Al Azhar ity. Nokianin'ireo bilaogera, mpanoratra, mpikatroka zon'olombelona sy mpiaro ny fahalalahana miteny manerantany ny sazy, ary nitaky ny famoahana azy tsy misy hatak'andro izy ireo.

Bilaogera namana Freedom for Egyptians nandefa lahatsoratra miresaka ny manjo an'i Kareem.

“As an Egyptian fellow blogger I stand with Karim, because I will never side with processes meant to terrorize innocent citizens who are exercising their innate right to freedom of expression and because I will never be part of a tribunal of inquisition in the 21st century. Those tribunals judged arbitrarily and without appeal like the current Emergency Laws and military courts applied in Egypt,” she writes.

“During the Middle Ages between the 5th and the 15th centuries, the Catholic Church was not only a religious institution, but also an immensely rich financial establishment that interferes and influences politics in the West. The largest Sunni religious institution in Egypt and the Middle East, Al-Azhar, has the right to give its say in politics and referring people accused of heresy to courts and prisons. If the measure cannot be damaging enough to send people to prisons like Egyptian blogger Abdel Karim, an irreversible Fatwa (religious opinion) can lead an Islamic fanatic or extremist to put an end to a person exercising his freedom of expression by spilling his blood. The Cairo-based religious institution is financed by the government and their employees are civil servants.”

“Amin'ny maha bilaogera mpiray tanindrazana Ejipsiana, manohana an'i Karim aho, satria tsy hanohana velively ireo dingana natao hampihorohoroana olom-pirenena tsy manan-tsiny izay mampihatra ny zony amin'ny fahalalaham-pitenena aho ary satria tsy ho anisan'ny fitsarana mpanao fanadihadiana amin'ny taonjato faha-21 aho. Nitsara an-tondromolotra ireo fitsarana ireo ary tsy nisy ny fampiakarana ny raharaha ambony tahaka ny Lalànan'hy hamehana tany mihotakotaka ankehitriny sy ny fitsarana ara-miaramila mihatra ao Ejipta”, hoy izy.

“Nandritra ny Vanim-potoana Antenantenany teo anelanelan'ny taonjato faha-5 sy faha-15, tsy toerana ara-pivavahana ihany ny fiangonana katolika, fa toerana manankarena ara-bola goavana koa izay mitsabaka sy mampiasa hery amin'ny politika tao Andrefana. Manan-jo haneho ny heviny ara-politika ny Al-Azhar, toeram-pivavahana Sonita lehibe indrindra ao Ejipta sy Afovoany Atsinanana, ary mandefa ireo olona voampanga amin'ny fivadiham-pinoana ho eny amin'ny fitsarana sy ny fonja. Raha tsy dia mampidi-doza loatra ny fepetra fandefasana olona any am-ponja tahaka an'ilay bilaogera Abdel Karim, mety hitarika any amin'ny fanatisma Islamika na ekstremista hamarana tanteraka ny fahalalahany miteny amin'ny alalan'ny fandatsahana ny ràny ny Fatwa (hevitra ara-pivavahana). Ny toeram-pivavahana ao Kairo dia tohanan'ny governemanta ara-bola ary mpiasam-panjakana no mpiasan'izy ireo.

Tranonkala natsangan'ny vondrona mpanohana an'i Kareem namoaka izao manaraka izao:

Outside Abdul Kareem’s court room, many Egyptians were calling for his imprisonment, and extremists went as far as demanding that he be stoned. (Let us not also forget the prosecution lawyer who called for waging a “jihad” on Kareem.)

It is therefore encouraging for the world to see that many Egyptians, Arabs, and Muslims actually do stand up for Kareem’s right to express himself. In fact, we have set up a section dedicated to ‘Arab & Muslim Voices for Kareem’ to prove this.”

Tao ivelan'ny efitranom-pitsarana an'i Abdul Kareem, Ejiptiana maro no nitaky ny fanagadrana azy, ary lasa lavitra nitaky ny hitora-bato azy ireo ekstremista. (Aoka isika tsy hanadino ny mpampanoa lalàna izay nitaky ny hanaovana “jihad” amin'i Kareem.)

Noho izany dia mampahery kokoa ho an'izao tontolo izao ny mahita fa maro amin'ireo Ejipsiana, Arabo sy Silamo no miaro ny zon'i Kareem haneho ny heviny. Raha ny marina, nanangana sehatra iray natokana ho an'ny ‘Feon'ny Arabo & Miozolomana ho an'i Kareem’ izahay mba hanaporofoana izany.”

Azo jerena ao amin'ny www.freekareem.org ny fanehoan-kevitra bebe kokoa momba ny raharahan'i Kareem.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.