Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 25 Jona – 01 Jolay 2018?

Sary avy amin'ny mpisera Flickr Jocelyn Kinghorn. CC BY-SA 2.0

Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manavatsava firenena, kolontsaina ary fiteny.

Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa manao izany kosa izahay satria tianay hatrany mba hisy fiantraikany manerana izao tontolo izao ny asa mafy ataonay.

Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 25 Jona ka hatramin'ny 01 Jolay 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao no ahitana ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 197 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices:

1. Etazonia
2. Brezila
3. Japana
4. Frantsa
5. Filipina
6. Arzantina
7. Espaina
8. Meksika
9. Taiwan
10. Pero
11. Alemaina
12. Bangladesh
13. Arabia Saodita
14. Kolombia
15. India
16. Rosia
17. Italia
18. Fanjakana Britanika
19. Angola
20. Kanada

Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator avy ao amin'ny Random.org ary hanao topi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:

81. Qatar
185. Seychelles
165. Nouvelle Calédonie
109. Finland
132. Armenia

Global Voices amin'ny teny anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

1.Kintan'ny football iray vao misandratra anisan'ny Uyghurs iray tapitrisa mahery alefa any amin'ny toby fanarenan-tsaina shinoa

2. Tsy misy taratasy, tsy misy herinaratra, tsy misy vaovao: mbola mihamafy hatrany ny fanaraha-maso ny vaovao any Venezoela

3. Voampanga noho ny fanohintohinana ny fiarovam-pirenena tamin'ny fisoloantena ny hetsi-panoherana manohitra ny hijab i Nasrin Sotoudeh, mpisolovava Iraniana

4. “Voaloboka saosisy” Nepaley: Malaza ao amin'ny Fanjakana Britanika, tsy fantatra ao Nepal

5. Mety hanimba ny fahalalaham-pitenenana sy hanakorontana ny raharaham-barotra ny lalàna vaovao momba ny fiarovana an-tserasera ao Vietnam

Global Voices Lingua

Ny Lingua dia tetikasa iray handikanteny ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ireo tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.

Arabo

Bangla

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nentim-paharazana)

  • 台灣:對成衣品牌Lativ失望 (Taiwan: Nandiso fanantenana ny tsy fahombiazana tamin'ny fampanantenana akanjo ‘Vita Taïwan,” nivoaka voalohany tamin'ny taona 2012)

Tseky

Holandey

Frantsay

Alemà

Grika

Hongroà

Indoneziana

Italia

Japoney

Koreana

Makedoniana

Malagasy

Nepali

Poloney

Portiogey

Punjabi”

Rosiana

Espaniola

Swahili

Tiorka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.