26 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 26 Avrily 2018

Pakistàna: Ny Lova Navelan'i Benazir Bhutto

  26 Avrily 2018

Lefy ihany ny vaovao momba ny fahafatesan'i Bhutto. Mifantoka amin'izay mety ho lova navelany ny mpitoraka bilaogy. Tahaka ny politika mampiavaka an'i Azia Atsimo matetika, ny ankamaroan'ny fifanolanana dia mirona amin'ny fianakaviana sy ny Antoko Politikan'ny vahoaka.

Rising Voices Any Sierra Leone Sy Bangladesh

  26 Avrily 2018

Tamin'ity herinandro ity, dia nasongadinay ny fivoaran'ny roa amin'ireo tohanan'ny Rising Voices any Azia sy Afrika. Mpianatra asa ao amin'ny Think Build Change Salone any Siera Leone no manomboka manoratra ireo traikefany raha toa ka mifantoka amin'ny fanampiana lahatsary sy sary ao amin'ny kitapon'ny fahaizamanaony kosa ireo vehivavy ao amin'ny Nari Jibon.

Diarin'ny Fiarahamonina: Manabe Olontsotra Mpanao Gazety Avy Amin'ny Fotony

  26 Avrily 2018

Am-pifaliana no ampahafantaranay anao ny fahadimy amin'ireo andiany voalohany nahazo tohana ara_bola avy amin'ny Rising Voices. Fandaharanasa nosoratan'ny olontsotra manana kendry ny hanentana ireo tanora mipetraka any amin'ny 'faritra mahanatra' mba ho Olontsotra mpanao gazety mpanadihady, hikaroka, hanoratra ary hanaparitaka fitantarana tsy misy toa azy momba ireo vondrom-piarahamonina tsy fantatra, ho an'ny vaovao ao an-toerana sy erantany.