Ny Tontolon'ny Bilaogy Syriana, Lavitry ny Pôlitika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2006)

Hohalavirintsika ny pôlitika maloto ao Afovoany Atsinanana amin'ity herinandro ity, mba miova kely. Ary hifantoka kokoa amin'ny lafiny fiarahamonin'ny tontolon'ny bilaogy Syriana.

Atomboka amin'i Soraya, mpankafy zavakanto miresaka momba ilay Fetiben'ny Jazz natao tamin'ity volana ity tao amin'ny tanànan'i Damaskôsy fahiny, miaraka amin'ireo tarika niakatra an-tsehatra tao amin'ny Manda navaozina ao Damaskôsy sy lalina tany anelakelantranon'i Damaskôsy Fahiny.

Raisina ho tokana ao Afovoany Atsinanana ny Ôrkesitra Jazz Soisa-Syriana. Ary nosoratana sy narindran'ireo mpamoronkira maro malaza maneran-tany ny feonkirany, anisan'izany i Like Frank Kalberg (Finlandy), i Amadis Duncal sy i Oliver Verdle (Soisa), ary i Allen Johnson (Etazonia). Ahitàna mpitendry zavamaneno 42 mizara ho mpikambana Syriana sy Soisa ny Ôrkesitra Jazz (ilay tarika lehibe).

Manana fandalinana tsara momba ny iray amin'ireo boky manan-danja indrindra ao amin'ny Tantaran'i Syria, mitondra ny lohateny hoe Steel and Silk…, i Abu Kareem:

Misy dikanteny ny asasoratr'i Sami Moubayed, ahitàna pejy 623: ireo lehilahy sy vehivavy nandrafitra an'i Syria tamin'ny 1900-2000. Mirakitra fohifohy ny mombamomba an'ireo Syriana 341 tsapan'i Moubayed fa nanana akony lehibe indrindra -na tsara na ratsy- teo amin'ny tantaram-pirenena. Mandrafitra ny mombamomba ireo olo-malaza avy amin'ny endrika rehetra hitam-bahoaka izy, anatin'izany ireo mpanao pôlitika, miaramila, mpiasam-panjakàna, mpanabe, ary mpanoratra.

Mizara tsidika kanto naharitra adiny iray avy any amin'ny tanindrazany tao Tartous hatrany al-Swanda i Abu Fares, miaraka aminà tontolo mahavariana.

Raha nanana adiny iray an-tànana aho ka namela ahy hitondra fiara ny toetrandro, zotra azo atao ny miala an'i Tartous avy aty avaratra dia mizotra mankany Al-Sawda, 12 km mianavaratra atsinanana. Mandalo ny Faritra Indostrialy Afa-kaba aho ary manohy mahitsy any amin'ny araben'i Tartous-Lattakia fahiny. 3 km miala eo, tonga eo aminà fiampitàna lalamby sy tetezana eo ambonin'i Nahr Al-Hsein (نهر الحصين) aho.

Manohy aminà resaka matotra kokoa, miresaka momba ny fomba hiadian'i Israely ny Horohoro amin'ny Horohoro i Brian Anthonyavy amin'ny fomba fijerinà teratany Britanika mipetraka any Damaskôsy…

“Aza manakaiky an'i Yarmouk mihitsy,” hoy ny mpiara-miasa amiko nampitandrina ahy, nanozongozona ny fanondrony.
“Fa maninona?” hoy aho, nanontany tena momba ny zava-mitranga any amin'ny tobin'ny mpitsoaponenana Palestiniana ivelan'ny tanàna. Henoko fa nisy fihetsiketsehana tany roa andro lasa izay.

Farany, faranantsika amin'ny tosan-kevitr'i Omar, antsoina hoe Eritreritra Ravarava …

tokony hisy lalàna manohitra ny olona liana tampoka amin'ny pôlitika iraisam-pirenena…tsy tokony hahazo hiady hevitra momba ireo raharaha farany ianao mandra-pijerinao vaovao iraisam-pirenena mandritra ny 180 ora fara-fahakeliny…(izany hoe, aza mijery vaovao tselatra eo an-tenatenan'ny fizaràna roa an'ireo tantara mitohy “law and order” sy “CSI Miami” ary avy eo miresaka momba ny fandrahonan'ny fampihorohoroana iraisam-pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.