Iran: Herisetra, Vehivavy Mpitandro Filaminana & Baolina Kitra

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2006)

Araka ny filazan'ny haino amanjery sy ireo bilaogy marobe, nidaroka sy nisambotra olona am-polony ny mpitandro filaminana tao Iran taorian'ny ezaky ny vondrom-behivavy mafàna fo iray hanao fihetsiketsehana itakiany zo ara-dalàna bebe kokoa teo aminà kianja iray ao Téhéran renivohitra ny Alatsinainy 12 Jona. Maro ireo bilaogera nitatitra ity hetsika ity ary naka sary ny fihetsiketsehana.

Miteny kokoa nòho ny teny ny sary

Naka sary maromaro an'ilay hetsipanoherana sy ireo vehivavy mpitandro filaminana (fantatra amin'ny sarondoha lokom-bolontany) i Mansour Nasiri, mpanoratra bilaogy an-tsary avy ao Téhéran. Manazava ilay bilaogera fa fitakiana fitovian-jo ho an'ny vehivavy no anton'ilay fihetsiketsehana. Araka ny voalazan'i Nasiri dia nidaroka ny ankamaroan'ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana ireo vehivavy mpitandro filaminana ireo.

null

Hita eo ankavian'ilay sary ireo vehivavy mpitandro filaminana, fantatra amin'ny sarondoha lokom-bolontany sy ireo kibay tazonin-dry zareo. Nanazava i Nasiri fa sady nangataka ny fitovian-jo izy ireo no nangataka ihany koa ny fanafoanana ny lalàna manome fahafahana ny lehilahy Iraniana hanana vady efatra.

Namoaka sary tsara kalitao avy amin'ilay hetsipanoherana nilamina nampiasàna herim-pamoretana i Kosoof, mpanoratra bilaogy an-tsary iray hafa. Hoy izy:

………..”Mahatsapa alahelo aho…be loatra…tsy noho ireo sary jerenao ireo…fa noho ny zavatra hitako tany ary tsy misy sary ny amin'izany (Persiana).”

Olombelona tsy manan-jo isika !

Milaza i Sharbighese fa natahotra izy ary tokony nanomana fanadinana saingy nanapa-kevitra ny hanatevin-daharana anatin'ilay fihetsiketsehana. Milaza izy fa resin'ireo mpitandro filaminana ny isan'ireo olona sahy nihiaka hoe “Olombelona isika kanefa tsy manan-jo” na koa hoe “Mitaky ny fanafoanana ny lalàna manohitra ny vehivavy izahay” (rohy maty). Tsy nahafehy ny vahoaka ny mpitandro filaminana, maro ireo olona mijery anay saingy matahotra ny hanohana ny hetsika…

Famoretana & Vehivavy Mpitandro Filaminana

Manoratra momba ny vaovao azony tamin'ny yahoo messenger avy aminà namana iray any Téhéran i Lady Sun. Mitatitra izy:

“Iray amin'ireo namako izay tanatinà birao iray akaikin'ny kianja Hafte Tir (toerana nanaovana ilay hetsipanoherana) no nilaza tamiko tao amin'ny yahoo messenger fa maro ireo vehivavy mpitandro filaminana miaraka amin'ny baomba mandatsa-dranomaso. Nanana entona miloko mena koa izy ireo atifitra an'ireo vehivavy, mba hahafantarany azy ireo raha toa ka misy mitsaoka. Nanambara ihany koa izy fa ratsy fanomanana ny hetsika ary tsy nisy toerana manokana nomanina tao amin'ilay kianja lehibe. Koa dia niparitaka eran'ny kianja ny olona. Milaza koa izy fa misy ireo nalefa tany am-ponja ary nisy ireo tany amin'ny hôpitaly”

ary fanampin'izay dia hoy izy

* Vaovao farany 2: fanaintainana, fanaintainana, fanaintainana, rikoriko, herisetra, halozàna, habibiana, fifikirana amin'ny nentin-drazana…

Tsy misy olona mahafantatra marina ny isan'ny olona voasambotra. Nisy ireo tsy hita popoka, ny sasany moa ninia nanjavona mihitsy; tsy misy vaovao marim-pototra. Maratra ny vatan'ireo namako satria voadaroka, kanefa mbola maratra kokoa nòho izany ny fon-dzy zareo. Maratra ny fony, saingy manjelatra ny masony…

Na dia nifantoka tamin'ilay fihetsiketsehana aza ny ankamaroan'ny olona tao Iran, maro koa ireo nitodika tany ivelan'ny firenena – ary mazava ho azy fa ny fiadiana ny tompondaka erantany amin'ny baolina kitra no nisarika ny sain-dry zareo ireo.

Resy tamin'ny fihodinana voalohany nifanandrinany tamin'i Meksika i Iran: 3 sy 1. Tahaka ny mahazatra dia miezaka mandinika ilay lalao sy mijery ireo tompon'andraikitra tamin'ity fahareseny ity ireo bilaogera Iraniana!

Aiza ireo mpanohana ?

Milaza i Legofish fa tsy nampiseho ireo mpanohana Iraniana teny amin'ny kianja ny Fahitalavitra Alemàna, afa-tsy lehilahy iray resin-tory, na dia tamin'ny fotoana nahatafidiran'i Iran baolina iray aza. Milaza ilay bilaogera fa mety ny governemanta Iraniana mihitsy no nangataka azy ireo tsy hampiseho izany (rohy maty). Niteny koa izy fa araka ny filazan'ireo namany any Alemaina dia vitsy ireo Iraniana ao amin'ny manodidina no manohana ny lalaon'ny ekipam-pirenena Iraniana.

Lalao Fiarovan-tena

Miteny i Parsa fa naniry ny hampiditra baolina iray tamin'io lalao io ny ekipantsika ary nanao lalao fiarovan-tena. Nanampy koa ilay bilaogera fa fahavoazana goavana izany ary marefo eo amin'ny fiarovantenany ny ekipantsika (Persiana).

Mpanazatra tsara nefa tsy tena mahay!

Milaza i NickAhang, bilaogera & mpanao sariitatra monina ao Kanadà, fa tsara kanefa tsy tena mahay ny mpanazatra antsika, Branco. Samy nanakiana an'i Ali Daei, kapiteny Iraniana, ho efa diso antitra loatra raha hilalao, ireo bilaogera sy ireo Iraniana maro hafa. Nanampy ilay bilaogera fa raha te hanome voninahitra an'i Daei (mpilalao, 37 taona) izy dia afaka alainy ho mpanampy azy izy. Mpilalao mahay saingy anatin'ny ekipam-pirenena (Persiana) monja i NickAhang addsAli Daei.

Inona no tena loza?

Kanefa misy faharesena goavana kokoa nòho ny sasany. Milaza i Abbas Maroufi, bilaogera sady mpanoratra avy ao Alemaina, fa tsy ny faharesentsika tamin'ny baolina kitra no tena loza, fa ny fidarohana vehivavy ataon'ireo vehivavy mpitandro filaminana (Persiana).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.