Diaspora Afrikana: Fotoan-tsarotra ho an'ireo Afrikana any Frantsa sy Belzika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2006)

Maro ireo blaogy amin'ny teny frantsay no niresaka mikasika ny fahoriana farany teo niainan'ireo Afrikana mpifindra-monina tany Frantsa sy Belzika.

Fifantenana ny Mpifindra-monina

Kianin'ny Le Pangolin, ilay fihodinana faran'ny politikan'ny ministry ny Atitany Frantsay Nicolas Sarkozy, momba ny mpifindramoninaToy ny fandrebirebena tsy hijery ireo tena olana ara-tsosialy napetrak'ireo mpanohitra ao amin'ny CPE [Lalàna ho Fampanànana  Asa Ny Tanora] no fahitan'ilay blaogera ny fizohiankevitr'i Sarkozy. Toherin'i  Le Pangolin ny fanambaran'i Sarkozy hoe maniry i Frantsa ny  ”hifantina ireo mpifindramonina monina ao aminy” amin'ny alalan'ny politika vaovao sy teritery kokoa:

La France a toujours choisi son immigration, rappelez-vous des balayeurs sénégalais que la France est allée prendre au Sénégal et Mali, des ouvriers des usines automobiles Renault et Peugeot qu’ils sont allés chercher au Maghreb pour casser le parti communiste et la Cgt qui étaient virulents et puissants dans les années 50 à 1970.

Efa nisafidy foana ny mpifindramonina ao aminy i Frantsa, tadidio ireo Senegaly mpamafa làlana izay nalain'i Frantsa tany Senegaly sy Mali, ireo mpiasa tao amin'ny orinasa fanamboarana fiara Renault sy Peugeot izay nalainy tany Maghreb mba handravàna ny antoko kaominista sy ny Cgt izay nahery sy natanjaka tany amin'ny andian-taona 50 ka hatramin'ny 1970.

Esoin'ny  Le Pangolin ny governemanta Frantsay izay rendrika anatina hetsi-panoherana momba ny tsy fanànan'ny tanora asamiezaka mafy ny hampitodika ny sain'ny vahoaka ho  any amin'ny ”sorona” iray, ireo Afrikana mpifindramonina :

Le message est donc clair, on ne fera plus venir ces gens, on veut des immigrés qualifiés ayant fait des études chez eux, désormais vous aurez ces emplois (…) Les personnes qui sont visées par le CPE sont surtout les non qualifiées, or depuis longtemps le patronnât français et l’élite française ont réservé ces emplois aux immigrés (balayeurs, femmes de ménages, gardiennage, garde malade, éboueurs, ouvriers du bâtiment, coursiers).

Mazava izany ny hafatra, tsy hiantso ireo olona ireo hankaty intsony isika, mpifindramonna mahay izay efa nandalo fianarana tany an-taniny no ilaintsika, ankehitriny hanana ireo asa ireo ianareo (…) Ireo olona tsy manana traikefa ny ankamaroany no voakendrin'ny CPE, ary manomboka izao natokan'ireo frantsay mpampiasa sy ireo frantsay sangany ireto asa ireto ho an'ny mpifindramonina (mmpamafa làlana, mpiasa an-trano, mpiambina, mpiandry marary, mpandroaka fako, mpiasa mpanamboatra trano, irakiraka).

Tiavo i Frantsa na Ndeha Mandeha

Tany amin'ny Seha-piresahana (forum) Realisance, ny bilaogera  Musengeshi Katata no  mitsikera ny tenin'i Sarkozy ”Tiavo i Frantsa na Ndeha Mandeha” izay toy hitany ho toy ny maneso maneho ny tsy fanirian'i Frantsa handray Afrikana na ny hanomezana azy ireo fahafahana mitovy amin'ireo omena ny Frantsay fotsy:

La France, monsieur Sarkozy, ce n´est ni une prostituée obligée à lever ses jupons les jours de famine, ni une église où tous les vices sont acceptés pourvu qu´on dise amen ou encore une nations gouvernée par des principes occultes et douteux ; c´est hélas bien autre chose que cela : c´est une des nations les plus ambitieuse de cette terre. Et malgré tous ses manquements et ses défauts, dans son cœur vivant et chaud, elle couve un des meilleurs idéals de l´existence humaine, et ne vous en déplaise, c´est ce havre brûlant et vertueux que nous aimons aveuglément. Et croyez-le ou pas, nous allons la défendre et continuer à l´aimer, parce que nous sommes persuadé qu´elle représente, dans son âme attendrie et sincère, le plus beau de tout rêve humain.

I Frantsa, Atoa Sarkozy, dia sady tsy makorelina voatery manainga ny feny amin'ny andro mosary, na fiangonana hanaikena ny fahotana rehetra rehefa miteny ‘amen’ na koa firenena fehezin'ny fitsipika miafina sy mampiahiahy; indrisy fa zavatra hafa noho izany izy io : anisan'ireo firenena mpangirika indrindra eto an-tany izy. Ary na eo aza ireo tsy fahombiazany sy ny kilemany, ao amin'ny fony velona sy mafana, mikolokolo ireo idealy anisan'ny tsara indrindra amin'ny fisian'ny olombelona izy, ary tsy mandiso fanantenana anao, izany dia ilay fialofana mafana sy tsara tiantsika an-jambany. Ary minoa ahy na tsia, hiaro azy sy hitia azy foana isika, satria resy lahatra fa izy dia maneho, amin'ny fanahy malemy sy marina, ny tsara indrindra amin'ny nofinofin'ny olombelona.

Miantsona ao Belzika

Avy any Frantsa, mikisaka ho ao Belzika isika miaraka amin'i Etienne Ngandu avy ao amin'ny  Le Renouveau Congolais izay manoratra mikasika ny vondrona Afrikana mpifindramonina rahonana ho ampodiana, izay noraisin'ny fiangonana Sint Antoniuskerk an-tanana. Nipetraka tao Gand nandritra ny taona maro izy ireo ary mianatra any amin'ny sekoly ao an-toerana ny zanany, hoy ilay blaogera, saingy nolavina ny fipetrahan'izy ireo. Mitantara ilay blaogera:

Nous sommes allés donc à la rencontre de ces hommes et femmes qui ne demandent qu’à vivre et être traités avec dignité. En effet, ces personnes ont perdu complètement tout repère de la vie, puisque se retrouvant en marge de la société car tel est le sort réservé à tous ceux qui n’ont pas le fameux sésame qu’est un titre de séjour valable. Tous vivent dans la peur et l’angoisse de se faire expulser à tout moment de la Belgique.

Nandeha nihaona tamin'ireo lehilahy sy vehivavy tsy mangataka afa-tsy ny hiaina sy ho karakaraina am-pahamendrehana izahay. Raha ny marina mantsy, tena very tanteraka ny fiheveran'ireo olona ireo ny fiainana, satria eny an-tsisin'ny fiarahamonina no misy azy ireo. Ary izany no lahatra ho an'ireo tsy manana ilay ‘ sesame ‘ malaza, izany hoe ilay fahazoandalàna hipetraka. Miaina ao anatin'ny tahotra sy ny tebiteby ny ho voaroaka amin'ny fotoana rehetra ao Belzika avokoa ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.