Tantara tamin'ny 25 Marsa 2018
Kyrgyzstan: Horonantsary Nataon'ny Vondrom-piarahamonin'ny Niova Sy Mpitia Mitovy Fananahana Ho Valintenin'ny Tenin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana Mankahala Azy Ireo
Ny horonantsary eo amin'ny aterineto izay namboarin'ny vondron'ny nanova na mpitia mitovy fananahana Labrys ao Kyrgyzstan ho valin'ny tenin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana mankahala ny mpitia mitovy fananahana izay voajery mihoatra ny in-409 tao anatin'ny 15 ora avy nivoahany ary izao lasa nasiana feo faharoa sy dikanteny amin'ny Anglisy.
Mihoatra Sisintany Ny Fisaonana An'i Stephen Hawking
Nahafantatra ny fahirata-tsaina ara-kôsmika an'i Stephen Hawking ny rehetra, saingy vitsy no nahatakatra izany. Eny fa na dia ireo astrônôma ngezalahy sy ngezavavy aza.
Ejypta: Milaza ny Tantarany Ireo Bilaogera Nogadraina
Bilaogera Ejiptiana 20 mahery teny an-dalana hanome voninahitra ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ny vono olona Coptic no voasambotra raha tonga tao an-tanànan'i Naga Hammady ao Ejypta ny fiara-dalamby nandehanan'izy ireo. Noafahana izy ireo fotoana fohy taorian'izay ary milaza ny tantarany amintsika.
Tonizia: Mitohy Ny Sivana Satria Manohy Manao Ampamoaka Ny Telegrama Wikileaks
Nifantoka tamin'ny Telegraman'ny Ambasady Amerikana Wikileaks ireo mpikatroka Toniziana, nanokana tranonkala vaovao hamoahana sy hanadihadiana ireo fanambarana mifandraika amin'ny fireneny. Natsangan'i Nawaat ny Tunileaks adin'iray taorian'ny namoahan'ny tranonkala mpanao ampamoaka ny telegrama tamin'ny Alahady 28 Novambra .
Filipina: Namonjy Ain'Olona Miisa 36 Nandritra Ny Tondradrano Ny Hazo Dita
Nanjary 'Hazon'aina' ara-bakiteny ny Hazo Dita 12 metatra tao Metro Manila rehefa nampiasaina ho fialofan'ny mponina izay voafandrika tao an-tranony nandritra ny tondradrano sy ny oram-batravatra. Lesona: Aza tapahina ny hazo.