Ejypta: Milaza ny Tantarany Ireo Bilaogera Nogadraina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Bilaogera Ejiptiana 20 mahery teny an-dalana hanome voninahitra ny fianakavian'ireo niharam-boina tamin'ny famonoana ireo kôpta no voasambotra raha tonga tao an-tanànan'i Naga Hammady ao Ejypta ny fiara-dalamby nandehanan'izy ireo. Noafahana ry zareo fotoana fohy taorian'izay ary milaza ny tantarany amintsika.

Manoritra indray ny tanjon'ny dia i Dr Mostafa Al Naggar, tompon-kevitra tamin'ny fitsidihana:

نحن وفد شعبي من النشطاء والمدونين
نعبر عن انفسنا كمصريين وليس اي حزب او تيار او حركة
– ذاهبون لاداء واجب العزاء والربط علي قلوب اخواننا الاقباط وهذا الغرض الاول والاخير للرحلة اي رحلة انسانية
السفر الخميس مساءا والعودة مساء الجمعة
وبعثت بها لعدد محدود من اصدقائي المدونين ونشطاء حقوق الانسان وأكدت علي أن هدف الزيارة انساني محض وأننا لا نريد استعراضا اعلاميا
Vondrona mpikatroka Ejiptiana sy bilaogera tsy mifandray amin'ny antoko na hetsika na iza na iza izahay. Teny an-dalana hanome ny teny fiaraha-miorinay ho an'ireo rahalahy Kôpta izahay ary hanome voninahitra ny fianakavian'ireo niharam-boina – izany no antony tokana sy voalohany ny fitsidihanay. Nanasa ireo namana bilaogera vitsivitsy sy mpikatroka zon'olombelona aho ary nanaiky izahay rehetra fa fitsidihana maha-olombelona madiodio ity fa tsy deradera ara-baovao.

Nahazo antso izy alohan'ny nandehanana:

جاءتني مكالمة أخري من شخص مجهول : سألني انت د . مصطفي النجار؟؟؟ ، قلت له : انت مين؟ قال لي : مالكش دعوة انت جي نجع حمادي ليه احنا مش عايزين قلق ، الحزب عامل حاجة بكرة ومش ناقصة ناس مش من البلد ييجوا ..سألته أي حزب ؟؟ أغلق الهاتف في وجهي ، لم اتوقف معه قليلا وقلت في نفسي سيبك منه

Nahazo antso tsy fantatra anarana aho; nanontany ilay mpiantso raha Dr Mostafa Al Naggar aho, nanontany aho hoe iza izy, ary nilaza tamiko izy mba hiraharaha ny asako manokana ary nilaza tamiko koa mba tsy handeha any Naga Hammady. Hoy izy: “Mikarakara zavatra iray rahampitso ny antoko ary tsy mila olon-kafa izahay.” Nanontaniako izy hoe Antoko inona no tiany resahina, saingy napetrany ny finday ary tsy noraharahiako ny antso.

Rehefa tonga izy ireo, dia nohodidinin'ny polisy ka tahaka izao ny resadresaka nifanaovan'ny manampahefana sy Dr Al Naggar:

اقتربت منه وسألته : هو في ايه حضرتك؟؟
قال لي : مفيش خلي زمايلك يركبوا بالذوق بدل ما نطلعهم احنا
قلت له : ليه حضرتك احنا عملنا ايه عشان كل دا ، احنا جايين نعزي وماشيين ؟
نظر لي باستخفاف وقال : تعزوا ؟؟ انتم مقبوض عليكم اطلع يلا
حالة من الذهول انتابت الجميع ، تسألني ماريان : هو في ايه ؟ أنا أصلا غير فاهم لما يحدث ، لا أجيبها
اقتربت من الضابط قلت له : طيب حضرتك سيب البنات تمشي واحنا هنطلع معاك
صرخ بي : انتو هتختاروا …يلا اركب كلكم جايين معانا
وركبنا جميعا سيارة الاعتقال التي ذهبت بنا الي مركز شرطة نجع حمادي ثم الي مديرية أمن قنا حيث تم حبسنا هناك في زنزانتين واحدة للبنات وأخري للشباب
Nanakaiky kokoa aho ary nanontany azy hoe: Inona no olana?
Hoy izy: Tsy misy! Teneno fotsiny ireo mpiara-miasa aminao mba hiditra alohan'ny hanerenay azy ireo.
Hoy aho taminy: Nahoana? Inona no nataonay no hanaovana anay tahaka izany? Tonga haneho fiaraha-miory izahay ary hiala avy eo.
Nijery ahy tamin'ny tsiky maneso izy ary niteny hoe: Fiaraha-miory? Voasambotra ianareo rehetra! Andao!
Sahiran-tsaina avokoa izahay rehetra ary nanontany ahy i Marian hoe inona no olana ary tsy nahateny aho.
Nanatona manamboninahitra aho ary nilaza taminy hoe: Avelao hody any an-trano ny tovovavy ary hiaraka aminareo izahay.
Nikiakiaka tamiko izy niteny hoe: Mihevitra ve ianao fa manan-tsafidy?! Miaraka aminay ianareo rehetra!
Nentina tany amin'ny tobin'ny polisy Nagaa Hammady izahay ary avy eo nentina tany amin'ny governoran'i Qena, toerana nanagadrana anay tamin'ny efitrano roa samihafa; ny iray ho an'ny lehilahy ary ny iray ho an'ny vehivavy.

Mba hiresahana ny vono olona sy ny fisamborana tsy ara-dalàna, Mahmoud Saber nandefa rohy tao amin'ny bilaoginy sy tao amin'ny Facebook manambara ny:

مؤتمر المبادرة المصرية للحقوق الشخصية
Hetsika Ejypsiana ho an'ny Fifanarahana Manokana momba ny Zo.

Ahmed Badawy nandefa sary vitsy ato sy nizara ny zava-niainany, hoy izy:

كان فيه ضابط كل شوية يدخل مبتسم ابتسامة واسعة و يحكيلنا قصة سيدنا يوسف اللى قعد فى الحبس 7 سنين و ازاى الدنيا مليانة مآسى و مشاكل و حوادث و أننا لازم نستحمل من غير ما نعمل دوشة
Nisy manamboninahitra iray manokana tonga nitsidika anay matetika miaraka amin'ny tsikitsiky lehibe eo amin'ny endriny; Milaza aminay foana ny tantaran'i Josefa sy ny fomba nigadrany nandritra ny 7 taona sy ny fiainana feno olana, loza – ary tsy maintsy mizaka ny lozany izahay.

Sherif Abdel Aziz nibilaogy ny fijoroany vavolombelona:

عندما قررت الذهاب لنجع حمادي كان قراري نابعا من كوني ملتزما تجاه قضية الفتنة الطائفية وأسبابها وطرق حلها، وأني معني بها منذ انطلاق مبادرة (مصارحة ومصالحة – معا أمام الله ) … كنت أريد أن أعزي المكلومين الذين فقدوا أبناءهم وبناتهم في حادث بشع نعرفه جميعا ، وان اصافح ايادي اهالي الضحايا الابرياء واتعلم منهم شيئا جديدا في حياتي ، تخيلت نفسي وانا ذاهب الي الكاتدرائية التي حدثت امامها المذبحة المؤسفة والمؤلمة ، كنت اريد ان اشاركهم في الالم إن سمحوا لي بهذا وإن كنت اعرف ان ايا من افعالي او كلماتي لن ترجع من مات ولن تخفف الم الفقد مهما حدث …ذهبت لاقول لهم ” انا مسلم ولا ارضى بما حدث”

Rehefa nanapa-kevitra handeha ho any Nagaa Hammady aho, ny fanapahan-kevitra noraisiko dia noho izaho nanoka-tena tanteraka hiady amin'ny fizarazarana ara-pivavahana sy ny antony. Te hiezaka hampionona ireo ray aman-dreny nidonam-pahoriana aho, izay namoy ny havan-tiany tamin'ny loza mahatsiravina. Te hamihina ny tànan'ireo niharam-boina tsy manan-tsiny aho ary hizara ny fanaintainany sy ny alahelony. Fantatro fa tsy hisy na inona na inona hamerina indray ny maty saingy te hilaza amin'izy ireo aho fa Silamo aho ary tsy mankasitraka ny zava-nitranga!

Wa7da Masrya namoaka ny sarin'ilay polisy nisambotra azy ireo ary nitaraina noho ny fampijaliana nataony:

Arresting Officer

Mandritra izany, Amira El Tahawi namoaka sary avy ao anatin'ny efitranony ao amin'ny fonja. Nahita graffiti nosoniavin'i El Kamony, izay toa iray tamin'ireo mpitifitra tamin'ny vono olona izy ireo; hoy ny voasoratra:

اذا كان الدفاع عن الحق جريمة فليحيا عالم الاجرام
Raha heloka bevava ny fiarovana ny fahamarinana, dia ela velona ny tontolon'ny heloka bevava

Mohamed Adel (Ameed Meit), namoaka ny sarin'ireo bilaogera taorian'ny famotsorana azy ireo ary  Amira El Tahawi nandefa sary tao amin'ny Facebook izay mamintina ny fijerena diso:

Bigotry

Ny sary dia vaovao roa avy ao amin'ny gazety Al Naba'a – ny iray (ankavia) manondro ireo kristiana maty ho toy ny “niharam-boina”, ny iray (ankavanana) manondro ny Silamo maty ho toy ny “maritiora”.

Tahaka ny olon-drehetra, manontany tena i Sandmonkey hoe Inona no Nitranga Tao!

So, the government decided to finally release the detained activists on Saturday, and they arrived on Saturday night back to Cairo, unharmed and all. There was no beating, there was no torture, unless you count having to spend a whole day and night in a small room without anything to lay or sit on torture […] The next morning, the order for the release of the activists was made, and they chose not to tell them. They just left them there till noon, and then went and gotten them out of their cells, put them in Mini-buses, and sent them back to Cairo. They are all safe, sound and exhausted. They still got no explanation as to why they were treated this way, and they never got to reach the families of the victims to offer their condolences. Having muslims consoling the families of Christian victims of muslim hate-crimes, well, that's just too much of a risk apparently. It might lessen the hate or something, and we can't have that!

Araka izany, nanapa-kevitra hamotsotra ireo mpikatroka nogadraina amin'ny Asabotsy ihany ny governemanta nony farany, ary tonga tao Kairo ny Asabotsy alina izy ireo, salama tsara ny rehetra. Tsy nisy ny daroka, tsy nisy ny fampijaliana, raha toa ka tsy  maintsy mandany andro sy alina manontolo ao anaty efitrano kely iray tsy misy na inona na inona hatoritoriana sy hipetrahana amin'ny fampijaliana […] Ny ampitso maraina, natao ny filaharan'ny famotsorana ireo mpikatroka, ary nisafidy izy ireo mba tsy hilaza izany amin'ireo mpikatroka. Navelan'izy ireo teo hatramin'ny tolakandro fotsiny izy ireo, ary avy eo nandeha sy namoaka azy ireo tao am-ponja, nametraka azy ireo tao anaty fiara, ary nalefany niverina tany Kairo. Salama, avotra sy reraka izy rehetra. Mbola tsy nahazo fanazavana mikasika ny antony nanaovana azy ireo toy izany izy ireo, ary tsy mba nahita ny fianakavian'ireo maty akory izy ireo mba hanolotra fiaraha-miory. Ny fahitana Silamo mampionona ireo fianakavian'ireo Kristiana niharam-boina noho ny heloka fankahalana nataon'ny Silamo, dia be loatra mety hitera-doza kokoa. Mety hampihena ny fankahalana izany na zavatra, ary tsy afaka ny hanana izany isika!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.