(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tunileaks – tetikasan'i Nawaat
Nifantoka tamin'ny Telegraman'ny Ambasady Amerikana Wikileaks ireo mpikatroka Toniziana, nanokana tranonkala iray vaovao hamoahana sy hanadihadiana ireo fanambarana mifandraika amin'ny fireneny. Natsangan'i Nawaat ny Tunileaks adiny iray taorian'ny namoahan'ny tranonkala mpanao ampamoaka ny telegrama tamin'ny Alahady 28 Novambra.
Ny famoahana voalohany dia nahitana telegrama miisa 17 avy amin'ny Masoivohon'i Etazonia any Tonizia. Mampiseho ny fifanakalozan-kevitra teo amin'ny masoivoho sy ny Departemantam-panjakana Amerikana ny ankamaroan'ireo telegrama ireo. Nampitaina teo anelanelan'ny 28 Mey 2008 sy 9 febroary 2010 ireo antontan-taratasy voasokajy. Nosoratan'ny masoivoho Gordon Gray ny roa amin'ireo antontan-taratasy ary avy amin'ny teo alohany ny 15 sisa.
Miresaka indrindra momba ny tsy firaharahiana ny zon'olombelona ao Tonizia sy ny famerana ny fahalalahana maneho hevitra izy ireo. Natsangana tao amin'ny Twitter ny tenirohy #tunileaks. Nizara tsiambaratelo samihafa navoakan'ny tranonkala ny olona.
Nampahafantarina tao Tonizia ny fonja miafina sy ny fampijaliana
Namoaka tsiambaratelo manokana momba ny fianakavian'ny eo amin'ny fitondrana sy ny manodidina azy akaiky ihany koa ny antontan-taratasy.
Tsy nahafantatra aho fa manana tigra ao an-trano ihany koa i Sakhr Materi .
Nosakanan'ny governemanta Toniziana, malaza amin'ny famerana ny fahalalaham-pitenenana haingana ny fidirana amin'ny Tunileaks. Nosakanany voalohany ny http://tunileaks.appspot.com/ (tsy misy https). Andro iray taty aoriana, nakatony koa ny adiresy IP an'ny Google App Engine (209.85.229.141) mba hanakànana ny Tunileaks amin'ny https, ka mahatonga ny appspot.com ho tsy azo idirana ampahany ao amin'ny firenena.
No , they have censored appspot.com because of #tunileaks.
Let them block #tunileaks + Nawaat appspot.com proxies. They will block Gmail and Google search #tunisia.
Tsia, nosivan-dry zareo ny appspot.com noho ny #tunileaks.
Avelao izy ireo hanakana ny#tunileaks + Nawaat appspot.com proxy. Hanakana ny fikarohana Gmail sy Google #tunisia ihany koa izy ireo.
Na dia ny endrika elektronikan'ny gazety Libaney ‘Al akhbar’ aza dia voasivana tany Tonizia ihany koa taorian'ny famoahana telegrama sasany navoakan'ny Tunileaks.
Mamoaka telegrama vaovao navoakan'ny Tunileaks ny gazety Libaney ‘Al Akhbar’, izany no mahatonga azy ho voasivana ao Tonizia androany.
Hanjary ho voafetra ihany koa ve ny tontolon-tsibera ao Tonizia raha miha-maro ny telegrama sy tsiambaratelo avoaka sy ampahafantarina?