Tantara tamin'ny Oktobra, 2017
Taïwan : Nopotehina Ireo Trano Miendrika “OVNI”
Nanazava tao anatin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny bilaoginy i avant tamin'ny 3 Jolay 2008 fa harodana ireo trano malaza miendrika ovni ao amin'ny torapasika fitsangatsanganana ao ambanivohitr'i Taipei, ao Taiwan..
Noivaivain'ny Praiminisitra Albaney ny Mpanao Gazety Ny Taorian'ny Nifidianan'ny Parlemanta Ny Fiarovana Ilay Mpanao Lalàna Tsy Ho Samborina
"Helohin'ny Sendikan'ny Mpanao Gazety ny fihetsika sy ny fanevatevana toy izany izay mifandray mivantana amin'ny toe-javatra sarotra atrehin'ny mpanao gazety eto Albania."
Kebab, Eny; Revolisiona, Tsia: Mpifindra-monina Sy Ny Tolona Ho An'i Katalaonina

"I was surprised that people sporting dreadlocks, turbans, braids, and other Afrocentric apparel failed to acknowledge the word "migrant" at an event supporting those being persecuted in Catalonia..." "Tena gaga aho fa ny tanora manao 'volo rasta', 'misaron-doha (turbans), mirandrana, sy ny akanjo hafa miendrika Afrikana dia toa tsy nahafantatra ny teny hoe "mpifindra monina" tao amin'ny hetsika ho fanohanana ireo izay nenjehina tao Catalonia...."
Taiwan: Puncar Mampihena Ny Hantsana Nomerika
Mianoka ambaratongam-pandrosoana tsara i Taiwan ary raha ampitahaina amin'ireo faritra hafa amin'izao tontolo izao ilay nosy dia heverina ho manana zo mitovy ihany ny mponina ao aminy. Saingy mbola lalina ny hantsana nomerika misy eo amin'ny tanàndehibe sy ny ambanivohitra.
Shina: Hetsi-panoherana Am-pilaminana
Toa mitohy hatrany ny olan'ny mponina ao amin'ny tanànakely ao Huacao any ambanivohitra distrikan'i Minxing ao Shanghai. Nampiseho ny tatitra avy amin'ny fampitam-baovao tao tanibe roa taona mahery lasa izay fa rehefa niandry nandritra ny taona maro ireo mponina dia tsy mbola nahazo ny onitra tamin'ny fivarotana ny taniny
Bilaogin'ny Skoto Shiliana
Nisy tao Shily nandritra ny 96 taona ny hetsika Skoto. Manana mpitarika mampiroborobo sy mizara ny soatoavina ara-tsosialin'ny fikambanana ity vondrom-piarahamonina amin'ny tambajotra ity. Amin'izao fotoana izao, tanora maherin'ny 70.000 no mandray anjara ary olon-dehibe 11000 no milatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fivondronana skoto 850 manerana an'i Shily.
Fampitàm-Pampianarana Amin'ny Alalan'ny Bilaogy
Manome hery ho an'ireo mpampianatra, izay tafasaraka amin'ny jeografian'i Shily ireo blaogy miditra amin'ny sehatry ny fanabeazana, mba hifaneraserana amin'ny fomba izay tsy dia azo natao teo aloha.
Iran: Fanangonan-tsonia ho an'ireo Gadra Politika & Fianjeran'ny Fiaramanidina!
Bilaogera Iraniana maromaro no nanasonia fanangonan-tsonia iray (taratasy) izay nangatahan'izy ireo ny famotsorana ireo gadra politika ao amin'ny fonjan'i Karaj Rejai Shahr. Nangatahana mba handefa solontena any amin'io fonja io ny Amnesty international, Red Cross sy ny fikambanana hafa mpanao asa soa. Toy izao no vakin'ny fangatahana:
Tsy Manambola Hianarana Ao Shily
Tamin'ity herinandro ity, noho ny fahadisoan'ny fandaminana ny angon-tahiry, nomena ho an'ireo mpanankarena nisoratra anarana ny fampindramam-bola avy amin'ny governemanta ary koa ny fanampiana ara-bola ho an'ny fianaran'ireo mpianatra kely fidiram-bola.
Goyana: Fitantarana Hafa Tamin'izay Zava-nitranga Nandritra ny Fampisehoan'i Akon
Niteraka resabe tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Goyaney ny herinandro lasa teo, ny lahatsary iray nahitana ilay mpihira hip-hop Akon nidaroka tanora tovovavy mpankafy iray nandritra ny fihetsika tao anaty vahoaka tamin'ny fampisehoana Carifesta tao Goyana .