Tsy Manambola Hianarana Ao Shily

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ity herinandro ity, noho ny fahadisoan'ny fandaminana ny angon-tahiry, nomena ho an'ireo mpanankarena nisoratra anarana ny fampindramam-bola avy amin'ny governemanta sy ny fanampiana ara-bola hianaran'ireo mpianatra kely fidiram-bola. Araka ny nosoratan'ny “Mechonbarsa” , nampanantena  ny filoha Lagos fa mpianatra 40.000 no ho voakasiky ny fampindramam-bola sy ny vatsim-pianarana, saingy mpianatra 14.000 monja ankehitriny no hanana izany fahafahana izany. Nasehony koa ny kaody SQL izay nitarika ny fahadisoana. Miezaka manasongadina ny fitsipika sarotra amin'ny fahazoana vatsim-pianarana ny blaogy vaovao, Derecho a la education. Nanambara tao amin'ny tranonkalany ny Minisiteran'ny Fampianarana, MINEDUC fa 49.000 ireo mpianatra nangataka ny fanohanan'ny governemanta.

Etsy ankilany, nanazava i Rafaela, mpianatra lalàna avy amin'ny fianakaviana saranga antonony fa nekena ny fampindramam-bola ho azy mba hanohizany ny  fianarany momba ny lalàna saingy naharay taratasy hafa izy telo andro taty aoriana izay nilaza fa fahadisoana ny fankatoavana ilay fampindramam-bola. Mihevitra i Rafaela fa tokony hojerena akaiky kokoa ny fanomezana vatsim-pianarana fa tsy variana amin'ny toe-draharaha ara-toekarena ihany. Tamin'ny tranga iray hafa, nanoratra i Tama fa nahazo fampindramam-bola izy, saingy miaraka amin'ny fepetra fa mianatra any amin'ny ivontoerana iray izy, fa tsy any amin'ny oniversite. Mieritreritra hampiasa izany fampindramam-bola izany izy mba hianatra psikôlôjia araka ny efa nomaniny na hanova taranja ho amin'ny asa sosialy na psikô-pedagojia mba hahazo tombony amin'ny famatsiam-bola.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.