Bilaogin'ny Skoto Shiliana

(Fanamarihana: efa tamin'ny Janoary 2006 ny lahatsoratra teny Aglisy)

Nisy tao Shily nandritra ny 96 taona ny hetsika Skoto. Manana mpitarika mampiroborobo sy mizara ny soatoavina ara-tsosialin'ny fikambanana ity vondrom-piarahamonina amin'ny tambajotra ity. Amin'izao fotoana izao, tanora maherin'ny 70.000 no mandray anjara ary olon-dehibe 11000 no milatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fivondronana skoto 850 manerana an'i Shily.

Nanangana bilaogy ho varavarankely mampiseho ny asan'izy ireo ny sasany amin'ireo vondrona. Sekoly mpitari-dalana mandefa lahatsoratra momba ny lasim-pahavaratra farany ny Primo Works. Namoaka hira faneva sy tantara samihafa tamin'ny lasy kosa ny Fivondronana Skoto, Antu Ayekan.

Ny Fivondronana San Agustín indray mampiseho sary sy torohay ho an'ny ray aman-dreny mikasika ny asan'izy ireo.

Bilaogin-tSkoto tsy ofisialy iray, indray mikendry ho toeram-pihaonana ho an'reo skoto. Afaka mijery fanamarihana mikasika ny ahiahin'ny ray aman-dreny, fampahafantarana ireo fivondronana skoto isan-karazany, ary toerana mety hanaovana lasy lehibe ny tsirairay ao anatin'izany bilaogy izany..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.