Tantara tamin'ny 11 Aogositra 2017
Indonezia: Efi-Pivoriana IM Misahana Fanavotana Tamin'ny Horohorontany
Ny World Wide Help Group dia mikarakara fivoriambe IM (antserasera) mivantana mandritra ny fotoana rehetra hifanampiana tamin'ny fihovitrovitry ny tany tao Java amin'ny alalan'ny fampiasana Yahoo Messenger
Shina: Mpanao Fihetsiketsehana Nosamborina Noho Ny Sora-bavety Miresaka Zon'olombelona Tao Amin'ny Fihetsiketsehana Tsy Tia Japana
Nampiseho ny fisamborana ireo mpanao hetsi-panoherana miisa telo tao Shenzhen izay nanao fihetsiketsehana am-pilaminana teo afovoan'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy tia Japoney an'arivony omaly fa nanara-maso tsara sy nahafehy ny hetsi-panoherana ny mpitandro ny filaminana.
Nametraka Ny Rejisitry Ny Mpandikatenin'ny Tompotany I Arzantina
Nametraka ny Rejisitry ny Mpandika ny Fitenin'ny Tompotany i Arzantina taorian'ny raharahan'i Reina Maraz izay tany am-ponja nandritra ny telo taona noho ny antony tsy fantatra satria tsy nisy ny mpandika teny Quechua tao amin'ny firenena.
‘Lehiben'ny Mpandoto Resaka Antserasera'? Niaiky Ny Filohan'i Filipina Rodrigo Duterte
Nahita ny fanadihadiana fa 200.000 dolara Amerikana no nolaniana mba hamatsiam-bola andian-tafika mpandoto resaka an-tserasera hanohana an'i Duterte izay nahitana olona miisa 400 ka hatramin'ny 500 .
Fanoherana ‘Fitsipaham-pitokisana’ Niteraka Fanakatonana Parlemanta
Mihozongozona noho ny didy jadona ny firenena satria mitombo hatrany ny fiampangana ny filoha Yameen noho ny fanampenam-bava ny mpanohitra sy ny fanagadrana ireo mpanohitra ara-politika, anisan'izany i Nasheed, izay voalaza fa voampanga tamin'ny fiampangana namboamboarina.