Indonezia: Efi-Pivoriana IM Misahana Fanavotana Tamin'ny Horohorontany

(Fanamarihana: nivoaka tamin'ny 31 mey 2006 ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy)


DSC01549
Sary navoakan'i Yulianta Ramelan.

Ny World Wide Help Group dia mikarakara fivoriambe IM (antserasera) mivantana mandritra ny fotoana rehetra hifanampiana tamin'ny fihovitrovitry ny tany tao Java amin'ny alalan'ny fampiasana Yahoo Messenger ahafahan'ny bilaogera sy ny olombelona maneran-tany mifanerasera ao amin'ny efitrano antserasera fihaonana ahitana mpirotsaka antsitrapo miisa dimy. Nanolo-tena ihany koa ny mpirotsaka an-tsitrapo hiantso na handray antso avy amin'ny sampan-draharaham-panampiana avy amin'ny olona voakasika/liana avy amin'ilay efitrano fivoriana. Notadiavina amin'ny alalan'ny fangitra GPS hanaovana sarintany sy hampitana fangataham-panampiana ihany koa ny vaovao ary manolotra fanampiana. Raha hanatrika ny fivoriam-be, iangaviana mba handefa mailaka misy ny  mari-panondroana Yahoo ao amin'ny messenger ao amin'ny javaquake.worldwidehelp.info. Ny efitrano fivoriana IM dia velomina avy ao Milan, Londres, New Jersey ary ny Trinidad.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.