‘Lehiben'ny Mpandoto Resaka Antserasera'? Niaiky Ny Filohan'i Filipina Rodrigo Duterte

Miaramila maka sary selfie miaraka amin'ny Filohan'i Filipina Rodrigo Duterte tao amin'ny toby miaramila ao Mindanao. Sary tao amin'ny pejy Facebook Seraseran'ny Filoham-pirenena (Ny Governemantan'i Filipina).

Niteraka tabataba tao Filipina ny fanadihadiana nataon'ny Oniversiten'i Oxford  noho ny fanaovana fanadihadiana ny ezaka nataon'ny fitantanan-draharahan'i Rodrigo Duterte mba hanodikodinana ny media sosialy tamin'ny alalan'ny fandotoan-dresaka sy ny kaonty hosoka. Nanamafy ny zavatra efa nahian'ny mpitsikera ny governemanta efa hatry ny ela ny fikarohana  kanefa nandà mafy izany ny mpanohana ny filoha .

Nilaza tao amin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tatỳ aoriana i Duterte tenany, na izany aza,  fa nanarama mpaneho hevitra antserasera izy ny tena marina nandritra ny fifidianana.

Mitondra ny lohateny hoe “Troops, Trolls and Troublemakers: A Global Inventory of Organized Social Media Manipulation” (Andian-tafika, Mpandoto Resaka sy Mpanakorontana: Fanisana Ankapobeny Momba Ny Lamina Fanodikodinana ny Media Sosialy) ny fanadihadiana tamin'ny volana Jolay 2017 nataon'i Samantha Bradshaw sy i Philip N. Howard ary nifantoka tamin'ny fampiasana ny miaramila antserasera na ny tafika mpandoto resaka avy amin'ny governemanta, ny miaramila, ary ireo antoko politika any amin'ny firenena miisa 28.

Nametraka ny lisitr'ireo karazana hafatra , fitaovana sy tetikadin-tserasera izay nampiasaina manerana ny firenena ireo mpikaroka sy ireo karazana fandaminana isankarazany ihany koa izay nampiasain”ireo manampahefana mba hanodikodinana ny hevitry ny vahoaka amin'ny alalan'ny media sosialy.

Nahita izy ireo fa tao Filipina,  nokaramaina mba hameno ny media sosialy niaraka tamin'ny fanehoan-kevitra manohana ny governemanta ny mpandoto resaka mpanohana an'i Duterte sady mandrahona sy mandoto ny resak'ireo mpiseran'ny media sosialy manana hevitra hafa tamin'ny alàlan'ny fampiasana kaonty hosoka sy botomilina mandeha ho azy.

Nanamarika  ny fikarohana nataon'i Oxford tamin'ny fanombanana ny fahaiza-manaon'ireo fikambanana manokana izay noforonina hanangonana tafika antserasera fa tsy miankina fotsiny amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo sivily sy ny olom-pirenena voakarama ny fitaovan'i Duterte tamin'ny fifidianana taona 2016, fa nanarama mpandraharaha tsy miankina ihany koa izy toa an'i Nic Gabunada izay mpitantana dokambarotra teo aloha sady Filoha lefitra teo aloha tao amin'ny Fahitalavitra lehibe ABS-CBN.

Ankoatra ireo fanombanana ny fahaiza-manaon'ny tafika antserasera voarindra an'i Duterte amin'ny lafiny fanangonana olona sy ny tetibola dia tsikaritr'ireo mpikaroka ihany koa fa ny fisian'ny mpikambana vonjimaika voalamina tanaty ekipa. Vola 200.000 dolara amerikana mahery na 10 tapitrisa pesos Filipiana no vola nolaniana mba hamatsiana miaramila mpandoto resaka an'i Duterte izay nanana mpiasa mpikambana teo ho eo amin'ny  400 ka hatramin'ny 500 isa teo ho eo, araka ny fanadihadiana.

Mba hanamafisana ny tsikaritry ny fanadihadiana, niseho avy hatrany tao amin'ny media sosialy ireo mpandoto resaka tao amin'ny media sosialy sy ny bilaogera mpanohana an'i Duterte mba hanameloka ny fanadihadiana nataon'ny Oxford sy ny Oniversite Oxford , ka nahafeno ny pejy  Facebook miaraka amin'ny lahatsoratra masiaka.

Pikantsarin'ny pejy Facebook-n'ny Oniversiten'i Oxford feno fanehoan-kevitra avy amin'ny mpanohana an'i Duterte.

Tao anatin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, niaiky i Duterte fa nanarama mpiaro antserasera izy kanefa nandritra ny fampielezan-kevitry ny fifidianana taona 2016 ihany izany .

P10 million ang gastos ko? Ako? Sa election siguro, sa elections ma'am more than…They were all during the campaign.

Ny tenako ve no nandany P10 tapitrisa ? Izaho ve? Angamba nandritra ny fifidianana, tamin'ny fifidianana izany ma'am, nandany mihoatra noho izany aho … fa nandritra ny fampielezan-kevitra ireo rehetra ireo.

Nilaza i Duterte fa tsy mila mpiaro antserasera intsony izy raha niala ilany tamin'ilay hevitra hoe nandany vola tamin'ny tafika antserasera mba hifehezana ny media sosialy ny governemanta:

Pero ngayon, hindi ko na kailangan [But now, I do not need it]. I do not need to defend myself against attacks. I stated my piece during my inauguration and my campaign.

Pero ngayon, hindi ko na kailangan [Nefa ankehitriny, tsy mila izany aho]. Tsy mila miaro ny tenako amin'ny fanafihana aho. Nambarako ny teniko nandritra ny fanokanana ahy sy ny fampielezan-kevitra nataoko.

Mba hanafenana ny fampiresahany izay nomen'ny mpanao tsikera anarana  hoe ilay “Lehiben'ny Mpandoto Resaka” ao amin'ny firenena sy mpampijaly olona lehibe indrindra dia namely ny Oniversiten'i Oxford, iray amin'ireo Ivontoeram-pampianarana ambony indrindra manerantany, ihany koa i Duterte:

Oxford University? Eskwelahan sa mga bobo ‘yan ah.

Ny Oniversiten'i Oxford ve? Sekoly ho an'ny olona adala izany.

Saingy nandà ny manamboninahitra iray avy ao amin'ny antoko politikan'ny filoha fa tsy nanarama mpandoto resaka antserasera nandritra ny fifidianana taona 2016 ny ekipan'ny fanentanana :

Ho fanamarihana, miteny amin'ny anaran'ny antoko @PDPLABAN aho, tsy nanarama VELIVELY na nampiasa mpandoto resaka antserasera izahay.

Farany, tsara ny manisy sira kely ny fampisehoana nataon'i Duterte. Noho ny governemantany voalaza tsy tapaka ho mpampiely lainga sy ny rafitra ara-miaramila voatsikera ho manaparitaka vaovao faikany ao anatin'ny ady amin'ny ady anaty akata, dia mety ho tendron'ny vaingan-dranomandry ihany ny zavatra fantatsika ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.