Tamin'ny Alatsinainy maraina ny 31 Jolay, nafàna ny raharaha politika tao Maldiva satria nanao fihetsiketsehana tao amin'ny People's Majlis, parlemanta ao Maldiva ireo mpanohitra ao amin'ny parlemanta, ary nihodidina sy niaro ny filohan'ny parlemanta, Abdulla Maseeh Mohammed ny miaramila. Nitranga herinandro monja taorian'ny nandroahan'ny mpitandro ny filaminana sy ny miaramila an-keriny ireo mpanao lalàna mpanohitra tao amin'ny Majlis sy nisamborana mpanao lalàna roa ny atoandron'ny 24 Jolay tao Male renivohitra izany.
This was Maldives Parliament Chambers this morning! Millitary officers obstructing opposition MPs. pic.twitter.com/lsQhg6KvrU
— Maji?? (@abdulmaajid) July 31, 2017
Parlemantan'i Maldiva androany maraina ity! Mandroaka ireo solombavambahoaka mpanohitra ny mpitandro ny filaminana.
#Maldives People's Majlis – Military personnel forming a wall inside the chamber. pic.twitter.com/fAQCnaJ4wr
— ?? (@Simwarr) July 31, 2017
#Maldives Majlis-mbahoaka – Mihodidina ny parlemanta ny miaramila.
Soldiers in plainclothes inside Parliament, to remove Opposition. No legal grounds for soldiers inside chambers before session begins. pic.twitter.com/ZI5CJLxkzV
— Eva Abdulla ??? (@evattey) July 31, 2017
Miaramila manao fanamiana sivily ao anatin'ny Parlemanta, mba handroaka ny Mpanohitra. Tsy misy antony ara-dalàna hidiran'ny miaramila ao amin'ny parlemanta alohan'ny hanombohan'ny fivoriana.
Tamin'ny 3 Jolay, nametraka fitsipaham-pitokisana an'i Abdulla Maseeh Mohamed izay ahitana mpanasonia 45 amin'ireo mpikambana 85 ao amin'ny parlemanta ny antoko mpanohitra efatra Maldives United Opposition (MUO), sonia 42 no takiana ho an'ny fitsipaham-pitokisana. Mpiara-dia lehibe amin'ny filoha Maldiva Abdulla Yameen Abdul Gayoom ny filohan'ny Antenimiera, Maseeh, izay miatrika fiampangana maromaro momba ny kolikoly hanenjehana azy.
Nanohitra ny fanekena ny fitsipaham-pitokisana tao amin'ny Fitsarana Tampony ny Antokon'ny Fitondrana, Antokon'ny Fandrosoana ao Maldiva (PPM), manontany raha niharan'ny fepetra manohitra ny fialàna an-daharana (anti-defection) ireo mpanao lalàna taloha ao amin'ny PPM, izay nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana. Tamin'ny 13 Jolay, namoaka didim-pitsarana momba ny fanoherana ny fialàna an-daharana nangatahan'ny Mpampanoa lalàna ny Fitsarana Tampony, izay nilaza fa ho very seza ireo mpanao lalàna raha milaza amin'ny Parlemanta ireo mpifidy fa 1.) nandao ny antokony izy ireo 2.) voaraoka izy ireo 3.) niova antoko.
Mifototra amin'io didim-pitsarana io, tafala tamin'ny sezany ireo mpanao lalàna mpanohitra 4, izay nahatonga ny 24 jolay nokasaina hanaovana ny latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny tsy fahaizan'ny filohan'ny parlemanta satria nilatsaka ambanin'ny isa kely indrindra ilaina 42 ny isan'ny sonia hanaovana fitsipaham-pitokisana tarihin'ny mpanohitra. Niteraka korontana tao amin'ny firenena izany. Nisioka ny solombavambahoaka mpanohitra Rozaina Adam
We cannot make a defection law without bringing relevant changes to the constitution. The Constitution doesn't give space 4a defection law.
— MP Rozaina Adam?? (@Roxeyna) July 13, 2017
Tsy azontsika atao ny manao lalàna momba ny fialàna an-daharana kanefa tsy mitondra fanovana azo antoka amin'ny lalàmpanorenana. Tsy manome sehatra hanaovana lalàna fialàna an-daharana ny lalàmpanorenana.
Ho fanoherana ny didim-pitsarana, nangataka ny Mpanohitra Tafaray ao Maldiva (MTM) fa tsy maintsy apetraka hodinihana sy hofidiana ny fitsipaham-pitokisana izay natao tamin'ny 24 Jolay ary niantso ireo mpanohana mba hidina an-dalambe. Nanontany momba ny fanoheran'ny Majlis ny fanonganana noho ny tsy fitokisana sy ny fampiatoana ny fivoriana rehetra hatramin'ny 31 Jolay ihany koa izy ireo, noho ny antony voalaza fa “fanamafisana ny fepetra ara-piarovana ao andrenivohitra noho ny fety fankalazana ny Fahaleovantena”. Ho setrin'izany, nanondro ny lalàna takian'ny lalàmpanorenana momba ny fivoriana aorian'ny 14 andro nametrahana ny fanonganana ny MTM.
Nakaton'ny governemanta Maldiviana ny Parlemanta, narindran'ireo mpitandro filaminana, ary nampitandrina ny mety hisian'ny famoretana hetsi-panoherana. Tamin'ny 24 Jolay, saika ny mpanao lalàna mpanohitra rehetra no nanao diabe nankany amin'ny Majlis, nahavita nanapaka ny sakana voalohany ary niditra tao amin'ny tokontanin'ny parlemanta. Namaly tamin'ny fandroahana sy fanesorana ireo mpanao lalàna mpanohitra ho any ivelany ny miaramila, nanohy nanao fihetsiketsehana niaraka tamin'ireo mpanohana 300 teo ho eo tao izy ireo. Niparitaka tany amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny tifitra ranon-tsakay ary olona maromaro no nosamborina, anisan'izany ireo mpanao lalàna roa sy mpanao gazety maromaro.
Nanjaka tao amin'ny Twitter ny zava-nitranga androtr'io:
Opposition lawmakers get in to the Parliament, despite police and military blockade. pic.twitter.com/tuJ9GfIWR4
— Junayd ???? (@mjunayd) July 24, 2017
Niditra tao amin'ny Parlemanta ireo mpanao lalàna mpanohitra, na dia teo aza ny fanakanan'ny polisy sy ny miaramila
Maldives Constitution has been suspended while the Parliament is under-siege by Maldives National Defence Force. (1/2) pic.twitter.com/i3wblT5BIv
— Mohamed Musthafa (@Thimarafushi) July 24, 2017
Naato ny Lalàmpanorenan'i Maldiva raha eo ambanin'ny fifehezan'ny Tafi-piarovam-pirenena Maldiva kosa ny Parlemanta.
All Mps attacked with pepper spray. pic.twitter.com/0fEztkKlAI
— MP Rozaina Adam?? (@Roxeyna) July 24, 2017
Notafihana tamin'ny tifitra ranon-tsakay ny solombavahoaka rehetra.
MPs @faya_i@MariyaDidi@MohamedAmeeth being dragged out of parliament by @MNDF_Officialpic.twitter.com/yhUgUTvxWk
— Munshid ??? (@dyingregime) July 24, 2017
Solombavambahoaka @faya_i@MariyaDidi@MohamedAmeeth noroahin'ny @MNDF_Official tao amin'ny parlemanta.
Niaro ny fampiasana ny Tafi-piarovam-pirenena Maldiva ny fanambarana an-gazety navoakan'ny Sekretarian'i Majlis, milaza ny “fanambarana diso” momba ny fifehezan'ny miaramila ny parlemanta.
Filoha teo aloha Maumoon Abdul Gayoom (sy rahalahin'ny filoha Yameen tsy iray ray na reny) naneho hevitra hoe:
Appalled by the way Hon MPs were mishandled both inside parliament & on the roads today. All MPs MUST be respected. #NationFirst
— Maumoon Abdul Gayoom (@maumoonagayoom) July 24, 2017
Sanganehana tamin'ny fomba ratsy nitondrana ny solombavambahoaka Hon tao amin'ny parlemanta sy ny arabe androany. TSY MAINTSY hajaina ny solombavambahoaka rehetra.
Nanao tetezamita nankany amin'ny demaokrasia i Maldiva tamin'ny taona 2008 saingy niaina tsy fahatomombanana ara-politika ny firenena rehefa voatery niala noho ny filazana fa “fanonganam-panjakana” tamin'ny taona 2012 ny filoha voafidy tamin'ny fomba demaokratika voalohany, Mohamed Nasheed,. Nandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena nampifanditra tamin'ny taona 2013 ny filoha Abdulla Yameen. Mihozongozona noho ny didy jadona ny firenena satria mitombo hatrany ny fiampangana ny filoha Yameen noho ny fanampenam-bava ny mpanohitra sy ny fanagadrana ireo mpanohitra ara-politika, anisan'izany i Nasheed, izay voalaza fa voampanga tamin'ny fiampangana namboamboarina.
Natsangana ny antoko iraisan'ny mpanohitra tarihan'i Nasheed, filoha teo aloha sy lehiben'ny antoko Demaokraty Maldiviana, izay monina an-tsesitany amin'izao fotoana izao ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, mitsoaka sazy an-tranomazina ao Maldiva ny Mpanohitra Tafaray ao Maldiva. Ny tena tanjon'izy ireo dia ny famerenana ny demaokrasia amin'ny laoniny amin'ny alàlan'ny fanesorana ny filoha Abdulla Yameen Abdul Gayoom amin'ny fomba ara-dalàna ary mitsara azy noho ny famotsiam-bola sy fiampangana hafa.
Tamin'ny volana septambra lasa teo, nampiseho ny fomba nanodikodinan'ny filoha Yameen sy ny mpiara-dia aminy vola an-tapitrisany dolara, fanomezana kolikoly ho an'ny mpitsara sy manampahefana ambony hafa, sy nampiasa hery hanesorana ireo mpiasam-panjakana mijoro ny “Stealing Paradise (Mangalatra Paradisa),” tatitra fanadihadiana avy amin'ny Al Jazeera. Nolazain'ny governemanta Maldiva fa mitongilana sy manala-baraka ny tatitra fanadihadiana.
Naneho ny ahiahiny momba ny famoretana mpanohitra sy haino aman-jery ny Firenena Mikambana taorian'ny fanakatonana ny parlemanta.
Ho hita eo ny fomba hitantanan'ny filoha Yameen ny fihamaroan'ny mpanohitra azy, amin'ny fampiasany ny heriny mba hampiasa ny fitsarana ho ao amin'ny tanjony ara-politika.