24 Jolay 2017

Tantara tamin'ny 24 Jolay 2017

Iran:  Nitokona Ny Mpiasa Noana An'aliny

Nanomboka nitokona tamin'ny herinandro lasa ny mpiasa an'arivony tsy nandray karama tao amin'ny orinasa mpanodina siramamy Haft Tapeh ao Shoush any amin'ny faritanin'ny Khuzestan any Iran . Nandefa ny mpitandro filaminana ny governemanta mba hampiasa famoretana tamin'ireo mpiasa, kanefa mbola nitohy hatrany ny fitokonana.

24 Jolay 2017

Shily: Horohorontany sy Fiakaran'ny Ranomasina

Firenen'ny horohorontany i Shily. Nandritra ny volana vitsy lasa, niharan'ny hetsika horohoron-tany isan'andro ny faritra ao Aysén. Tamin'ny herinandro lasa, niteraka firodanan'ny fiord ny horohorontany mahatratra 6.2 amin'ny maridrefy Richter. Namely ny tanàna kely ao Puerto Tortuga ihany koa ny andiana horohorontany, nandrava zavatra maro nandritra ny fandalovany.

24 Jolay 2017

Bilaogy Bangla: Famahana Fady Sy Adihevitra

Manan-jo hanoratra ny mpanoratra rehetra, sy fahalalahana haneho ny hevtr'izy ireo. Saingy tsy midika izany fahalalahana izany fa afaka manoratra na inona na inona izy ireo. Misy fetrany ny fahalalahana. Mino manokana aho fa lohahevitra afaka hiadian-kevitra ny fivavahana. Saingy tokony hifanaja, marina ny adihevitra ary tsy mandratra ny hafa.

24 Jolay 2017