Bukavu sy ny Sisintany Roandey-Kongoley: Tanàna Anaty Ady

(Marihana fa efa nivoaka tamin'ny volana Mey 2007 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy) 

Namaritra ny ahiahiany mikasika ny ho avin'i Bukavu i Kakaluigi, misionera katolika nonina tao Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo (RDC) nandritra ny 35 taona.

Tanànan'ireo tafavoaka velona i Bukavu. Nandritra ny ady voalohany tao Kongo (1996-1997), nalaina an-keriny i Bukavu nandritra ny ady nifanoheran'ny ny tafiky ny fitondrana Tutsi tamin'ny Hutus, nialokaloka tao amin'ny faritra ireto farany ireto taorian'ny fandripahana tao Roandà. Nifanandrina tao ireo tafiky ny fitondrana sy ny mpikomy nandritra ny ady faharoa tao Kongo (1998-2003). Tamin'ny taona 2004, niharan'ny faneren'ireo miaramilan'ny Jeneraly Nkunda,  jeneraly mpisintaka, mpanohana ny Tutsi ny tanàna, tao anatin'ny telo andro, vehivavy 16.000 no voavetaveta.

Mbola manjaka ao Bukavu ny tsy fandriampahalemana sy ny herisetra. Mitohy ny  fanafihana  ataon'ny FARDC sy ny ady ao Kivu-Avaratra.

Mbola tsy nitondra filaminana sy fitoniana nampanantenaina ny fifidianana filoham-pirenena. Manontany tena i Kakaluigi hoe ny tombontsoan'ny vahoakan'i Bukavu sa ny tombontsoan'ny fitondrana Roandey no katsahin'ny filoha Kongoley Joseph Kabila .

Bukavu ce 20 mai 2007, le matin. Tout est suffisamment calme et tranquille, mais beaucoup d’appréhension se manifeste dans les milieux de nos populations. Il y a trop de nuages à l'horizon, qui ne font pas bien espérer. On ne sait pas où on veut aller, et vers quelle partie Kabila se penche. On se demande: avec qui il dialogue vraiment, si avec les congolais ou avec les rwandais. Ou bien au cours de la journée il est avec nous et pendant la nuit il est avec Kigali.

L’histoire de Nkunda nous fait penser trop de choses qui ne sont pour rien claires. J’ai l’impression qu’une situation, très semblable à celle de 1998, peut-être, se prépare secrètement, même s’il n’y a pas, probablement, la volonté politique internationale qu’il avait il y a 9 ans, car es choses sont fortement changées.

Mais toujours est plus clair que la Rwanda a la main prise sur le Congo quant à des intérêts pour la population. Les gens ont récupéré courage et esperance. Nous souhaitons qu'elles ne soient pas déçues au-delà de toute limite. (PB)

Bukavu, marainan'ny 20 May 2007. Mangina tanteraka ny zava-drehetra, saingy misy ny tahotra ao anatin'ireo mponinay. Feno rahona eny amin'ny faravodilanitra, izay tsy manome fanantenana tsara. Tsy fantatray izay tiana aleha, sy ny hoe antoko iza no hironan'i Kabila. Mivoaka ny fanontaniana hoe: Iza moa no tena resahany, ny Kongoley sa ny Roandey. Sa miaraka amintsika izy mandritra ny tontolo andro, ary miaraka amin'i Kigali amin'ny alina.

Mahatonga anay hieritreritra zavatra maro loatra izay tsy mazava mihitsy ny tantaran'i Nkunda. Tsapako fa ny toe-javatra mitovy tamin'ny taona 1998, angamba, dia miomana mangingina, (na dia tsy misy aza), angamba amin'ny fahavononana amin'ny politika iraisampirenena nisy 9 taona lasa, satria betsaka ny zavatra niova tamin'izany.

Saingy mazava kokoa fa manana fahefana ao Kongo mikasika ny tombontsoa ho an'ny vahoaka i Roandà. Nahazo herim-po sy fanantenana ny olona. Manantena izahay fa tsy ho diso fanantenana mihoatra noho ny fetra izy ireo . (PB)

Bukavu Preschool

Sary avy amin'i Julien Harneis: Sekoly garabola ao akaikin'i Bukavu, Repoblika Demaokratikan'i Kongo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.