Tantara tamin'ny 15 Jolay 2017
Vaovao Farany GV Lingua : Jona 2017
Manolotra ny Vaovao Lingua volana Jona 2017 ny Mpitantana ny Lingua
Amerika Latina: Rehareha Amin'ny Fandraisana Anjaran'Ireo Mpitendry Zavamaneno Ao Amin'ny Amboaram-peon-javamaneno YouTube
Nanoratra ny fanombohan'ny YouTube Symphony Orchestra (Amboaram-peon-javamaneno YouTube) tao amin'ny Carnegie Hall ny bilaogera avy any Amerika Latina, izay nahitana ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana an-tserasera manerana izao tontolo izao nalefa fiaramanidina ho any New York mba handray anjara amin'ity orikesitra ifarimbonana ity.
Ekoadaoro: Ireo Fokon'I Amazonia Miady Amin'ny Orinasa Lehibe Mitrandraka Solitany
Ny fahalianana miredareda amin'ny harenan'i Amazonia dia vokatry ny iray amin'ireo sary nivoaka tao amin'ny Aterineto vao haingana tamin'ny 23 May izay mampiseho ny mpikambana ao amin'ny foko Amazonia Breziliana tsy mbola nanana fifandraisana mihitsy tamin'ny olona avy any an-drenivohitra ary nitifitra ny fiaramanidin'ny mpaka sary tamin'ny zana-tsipìka
Arzantina: Mi* Sehatra Ho An'ny Olom-pirenena Mpanao Gazety Miteny Espaniola Vao Misondrotra
Nitsimoka tao Arzantina ny tranonkala Mi * fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena , fikasana ho lasa sehatra ho an'ny olom-pirenena mpanao gazety miteny espaniola vao misondrotra mba hamoahany ny asany sy handraisany fanehoan-kevitra, hiresahany foto-kevitra, hahazoany fiofanana sy hizarany votoaty.
Lahatsary: Tanora Manerana Izao Tontolo Izao Maneho Hevitra Ao Anatin'ny 60 Segondra
Manome fahafahana ho an'ny tanora 12 ka hatramin'ny 20 taona manerana izao tontolo izao haneho hevitra sy hianatra mikasika ny lahatsary mba hifaneraserana amin'ny alàlan'ny fandravana ny sakana toy ny sisintany, ny fiteny sy ny halavirana miaraka amin'ny lahatsary maharitra 60 segondra ny tetikasa OneMinutesJr .
Goatemala: Teknolojia sy Tranonkala, Lohahevitra Amin'ny Fampisehoana Lahatsary Maharitra 120 Segondra
120 Segundos dia iray amin'ireo tetikasa vaovao avy amin'ny fiarahamonina Maestros del Web. Avy amin'ny dika ara-bakiteny Espaniola ny teny hoe Webmaster ny anaran'ny fiarahamonina ary mikasika ny teknolojia, fandrindrana sy famoronana momba ny tranonkala ary koa iray amin'ireo sehatra fifanakalozan-kevitra amin'ny teny Espaniola mavitrika indrindra.
Kazakhstan: “Fahadisoana Ara-Antontanisa”, Tantaran-Kolikoly Vaovao
Nosazian'ny fitsarana Kazakhstan omaly ny fisamborana an'i Nurman Bayanov, Filoha lefitry ny Sampan'ny Antontanisa misahana ny fanodikodinana ny vola nomena ny fanisam-bahoakam-pirenena [ru]: