Amerika Latina: Rehareha Amin'ny Fandraisana Anjaran'Ireo Mpitendry Zavamaneno Ao Amin'ny Amboaram-peon-javamaneno YouTube

(Marihina fa tamin'ny 20 Aprily 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Image by *spud* on http://www.flickr.com/photos/shaun/3284113715/

Sary avy amin'ny *spud* tao amin'ny http://www.flickr.com/photos/shaun/3284113715/

Nanoratra ny fanombohan'ny  YouTube Symphony Orchestra (Amboaram-peon-javamaneno YouTube) tao amin'ny Carnegie Hall ny bilaogera avy any Amerika Latina, izay nahitana ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana an-tserasera manerana izao tontolo izao nalefa fiaramanidina ho any New York mba handray anjara amin'ity orikesitra ifarimbonana ity. Nisy ny mpandresy voafantina hilalao any amin'ny Carnegie Hall taorian'izany, ary nisy tsy nahatanteraka ny nofinofiny ihany koa ny sasany tamin'izy ireo .

Fifaninanana nokarakarain'ny YouTube izay ahitana mpiangaly mozika manerana izao tontolo izao nandefa ny lahatsariny mampiseho azy ireo mitendry zavamaneno tamin'ny santionana mozika efa voafantina ny YouTube Symphony Orchestra, ary ny mpikambana hafa ao amin'ny YouTube sy ilay mpiangaly mozika Michael Tilson Thomas avy eo no nifantina azy ireo mba hiseho ao anatin'ny lahatsary natao mixage izay ahitana ireo mpifaninana rehetra sy ahitana ihany koa ny mpandresy miara-milalao ary ny fandehanana any New York handray anjara amin'ny fihaonana an-tampony momba ny mozika  izay  ahafahan'izy ireo mifampuzara amin'ireo mpandresy hafa rehetra sy ireo mpitendry mozika goavana. Indro ny lahatsary tao amin'ny Carnegie Hall :

Hoy ilay bilaogera Peroviana kinua raha nanoratra :

El peruano Marco Antonio Mazzini tocará en el Carnegie Hall de Nueva York este 15 de abril. El portal de videos Youtube lo seleccionó después de participar en el concurso que lanzó vía Internet y al que se presentaron 3 mil músicos aficionados y profesionales de 70 naciones.

Hilalao ao amin'ny Carnegie Hall any New York amin'ny 15 Aprily ilay Peroviana Marco Antonio Mazzini. Nisafidy azy ny sehatra lahatsary YouTube rehefa avy nandray anjara tamin'ny fifaninana an-tserasera izy izay nahitana  mpankafy sy mpitendry zavamaneno matihanina miisa 3 arivo avy amin'ny firenena miisa 70 samihafa nandray anjara.

Na dia mipetraka any Belzika aza i Mazzini, dia nilaza izy fa misolo tena an'i Però ihany koa amin'ny fandraisany anjara. Nahitana an'i Irina Simeonova Kodin ihany koa ny fandraisana anjara hafa tamin'ny fifaninanana, izay teratany avy any Bolgaria, kanefa mipetraka sy misolo tena an'i Brezila. Ity lahatsary manaraka ity dia nalefan'i Irina an-tserasera mba hanasongadinana ilay tanàndehibe izay nitaiza azy;

https://youtube.com/watch?v=I5egUONl88A

Ny tantaran'ireo mpitendry mozika isankarazany dia notaterin'ny GramaFilm tao amin'ny Harmony, horonantsary iray izay mampiseho ny làlana nolalovan'ny mpitendry mozika maro samihafa nankany Carnegie Hall . Ny lahatsary manaraka dia lahatsary fampahafantarana momba an'i Manuel Ramos Reynoso avy any Meksika, sy ny fahatanterahan'ny nofinofiny tamin'izy fahazaza amin'ny fitendrena mozika ao amin'ny Carnegie Hall :

https://youtube.com/watch?v=99X6yHD2nAY

Na izany aza, tsy afaka nandeha tany Carnegie Hall i Yurii Inti Bullon Bobadilla na dia voafidy ho  mpandresy aza izy, noho ny visa-ny nolavina. Ary namoaka lahatsary manazava ny antony tsy nahafahany nandeha :

Mbola avy any Amerika Latina ihany koa i Larissa Natalia Ferreira De Mattos avy any Brezila sy Jhon Wilson Gonzalez C . avy any Kolombia. Azonao jerena ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana sy ireo hafa araka ny firenena niaviany ao amin‘ity pejy ity. Mirary soa ho azy rehetra  ireo Isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.