Ekoadaoro: Ireo Fokon'I Amazonia Miady Amin'ny Orinasa Lehibe Mitrandraka Solitany

(Marihina fa tamin'ny 4 Jona 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Morning in the Amazon by markg6 used according to Creative commons attribution license
Ny marainan'i Amazonia… avy amin'i markg6 nampiasàna lisansa Creative Commons .

Ny fahalianana miredareda amin'ny harenan'i Amazonia dia vokatry ny iray amin'ireo sary nivoaka tao amin'ny Aterineto vao haingana tamin'ny 23 May izay mampiseho ny mpikambana ao amin'ny foko Amazonia Breziliana tsy mbola nanana fifandraisana mihitsy tamin'ny olona avy any an-drenivohitra ary nitifitra ny fiaramanidin'ny mpaka sary tamin'ny zana-tsipìka. Na dia izany aza, tsy lavitra tao an-tsain'izy ireo i Amazonia ho an'ny fikambanana sasany, ary ho hitantsika androany ireo lahatsary nentin'ny Amazon Watch izay efa navoaka tao amin'ny fizarana The Hub avy ao amin'ny Witness ny sasany .

Voalohany,  manazava ny halehiben'ny fahavoazana izay vokatry ny fitantanan'ny orinasan'ny solitany Chevron-Texaco ny fako nandritra ny taona maro ka nanapoizina ny siniben-drano Amazoniana ao Ekoadaoro ny lahatsary iray. Ao amin'ity lahatsary manaraka ity , nilaza ny olana ara-pahasalamana niainany, ny homamiadana ary ny raharahany mikasika ny Chevron-Texaco izay angatahin'izy ireo hanadio ny faritra voaloto ny mpikambana ao amin'ny vondron'ny tompotany.

Manaraka, naka ireto lahatsary roa manaraka ireto i Chris Michael. mpiandraikitra avy ao amin'ny The Hub.  Voalohany, ny sarimiaina izay maka tahaka ny lahatsarin'ny fampielezan-kevitry ny orinasa  ary mampiseho ny zava-doza ateraky ny fako manapoizina avy amin'ny solitany any Ekoadaoro, ary hanasana ny mpijery mba hahafantatra bebe kokoa momba ny fitsarana ny Chevron-Texaco ao Ekoadaoro sy ny valintenin'izy ireo milaza fa manaraka ny lalàna izy ireo ary tsy avy aminy no antony mahatonga ny zava-doza, ary hita ao amin'ny Chevrontoxico.com amin'ny ankapobeny ny mikasika ny loza vokatry ny fitrandrahana ny solitany ao amin'ny siniben-drano Amazoniana

Mampiseho ny tantaran'ny lehiben'ny foko miady mafy mba tsy hiverenan'ity zava-doza ity intsony ny lahatsary manaraka, sy ny fikirizan'ny governemanta Ekoadaoriana amin'ny fanomezana taratasy fitrandrahana ny solitany ao amin'ny faritra misy ny indizeny, tsy noho ny tsy fankasitrahan'ireo foko tompotany ihany fa noho ny fanoheran'izy ireo hentitra ihany koa .

http://hub.witness.org/xspf/node/2955

Farany, fanadihadiana iray tsy miankina izay azo alaina maimaim-poana ary mitondra ny lohateny hoe Justicia Now: One People's Fight Against Big Oil (Ny Adin'ny Vahoaka amin'ny Orinasa Lehibe Mitrandraka Solitany). Ity manaraka ity ny lahatsary fohy tamin'ny horonantsary izay mitantara ny faritra ara-piarovana lehibe indrindra misy ny solika  ao afovoan'ny Amazonia izay faritra manana zavaboary lehibe indrindra, ny faritra ara-piarovana Yasuni ao Ekoadaoro:

https://youtube.com/watch?v=EpRXEudb8Ro

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.