Vaovao Farany GV Lingua : Jona 2017

The Lingua ProjectMiarahaba ny rehetra! Ity ny mikasika ny Lingua volana Jona 2017.

Tamin'ny fitambaran'ity volana ity, namoaka lahatsoratra 764 isika, nahasarika mpitsidika 225.409 ary jeripejy miisa 2888.004. Nahatratra 266.057 ny mpankafy ny pejy Facebook iombonana Lingua, ary mpanjohy 266.103 tao amin'ny Twitter.

Ity ny topi-maso mikasika ny fandehan'ny tranonkala rehetra tamin'ny volana lasa.

Songadina

  • Nanatevin-daharana amin'ny Toniandahatsoratra Lingua Frantsay i Gwenaëlle Lefeuvre
  • Ary i Etsumi Itai no Toniandahatsoratra Lingua Japoney
  • Niala tsy ho Toniandahatsoratra Lingua Portogey i Diego Casaes
  • Ny Toniandahatsoratra Lingua  Malagasy, Portogey, Italiana sy Alemà no nanana ny vokatra fandikan-teny betsaka indrindra tao anatin'ny taona, tamin'ity volana ity! Tena mahafinaritra!

 

Ireo nitarika tamin'iny volana iny:

Lahatsoratra

Malagasy 227
Espaniola 164
Frantsay 75
Rosiana 49
Grika 44

Ireo Pejy Be Mpitsidika

Espaniola 85.276
Frantsay 35.617
Japoney 24.998
Portogey 24.597
Shinoa T. 15.271

Facebook

Arabo 134.378
Shinoa 42.390
Espaniola 19.783
Frantsay 17.845
Amharic am 8.740

Twitter

Arabo 44.192
Shinoa 175.880
Espaniola 7.520
Bangla 6.983
Frantsay 5.579

Ho an'ny mpandika GV teny rehetra, sy ho an'ny toniandahatsoratra Lingua rehetra, misaotra betsaka anareo tamin'ny fanatontosana izany! Tamin'ny fandikan-teny, ny famoahan-dahatsoratra sy ny fampiasana ny fiteny! Tsy afaka nanao izany izahay raha tsy teo ianareo ?

Aza adinoina ny manaraka ny Lingua ao amin'ny Twitter, Facebook, ary  Google+! Zarao amin'ny namanao sy ny tambajotra azafady ny taratasy fangatahana hanatevin-daharana ny Lingua. Mandika teny amin'ny teny maherin'ny 40 isika !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.