Tantara tamin'ny 14 Jona 2017
Hatezerana Be Tampoka: Sakànan'i Tajikistàna Eny An-dàlana ny DHL, ny UPS Ary Ny Pony Express
"Mba misy tompony ve ity DHL ity? Afaka tonga aty Tajikistan?"
Fahasamihafàna, Voasakana: Simban'ny Ady Masina Amin'ny Pelaka Ny Endrika Fandeferan'i Okraina

Koa satria miditra amin'ny herinandro farany ny Fifaninanan-Kira Eurovision amin'ity taona ity, nisy andohalambo miendrika avana miloko amin'ny ampahany natao ho fanamarihana ny teny fanevan'ilay hetsika, "Ankalazao ny Fahasamihafàna", nanidintsidina toa mampatahotra teny ambonin'ny afovoan-tanànan'i Kiev.
Iran: Lehilahy Voatora-bato Ho Faty Rehefa Avy Nigadra 11 Taona An-tranomaizina
Maro ireo hanao tsoa-kevitra tahaka ny View from Iran (Fijery avy ao Iran) hoe: Vono olona mazava sy tsotra izao ny fitoraham-bato....
Namoaka Ny Fanisanandron'ny ‘Fanamelohana Ho Faty’ Ny Sampandraharahan'ny Fonja Federaly Ao Rosia

Manasongadina ny fomba fitantanana ny fanamelohana ho faty samihafa isam-bolana ny fanisanandro mitondra ny lohateny hoe "Ny Fomba Ambony Indrindra amin'ny Fitsarana Ara-tsosialy".
Brezila: Tandindonin-doza Avy Amin'ny Doro Tanety Tsy Ara-dalàna Ny Valan-javaboarim-Pirenena
Tsy nitsahatra nirehitra tao anatin'ny iray volana ny Valan-javaboary Chapada Diamantina ary may ny 50 isanjaton'ny faritry ny ala ao aminy (mitovitovy habe amin'ny tanandehiben'i New York ).Nilaza ny manampahefana fa vokatry ny fanadiovan'ny mpiompy ny faritra ho an'ny hanim-biby no niatombohan'ny afo.
Tetikasa Pedicab: Posiposy Amin'ny Endriny Vaovao Ao Nepal
Manome tolotra fitaterana lehibe ho an'ny ankamaroan'ny Azia Atsimo ny Pedicab (fantatra amin'ny hoe posibisikileta. Ny indostrian'ny famokarana sy ny fitantanana posiposy dia asa sy fidiram-bola lehibe ihany koa ho an'ireo tena mahantra indrindra eo amin'ireo mahatra.
Tranonkala “Dindo” Manampy Ny Tiorka Ho Afaka Miditra Indray Amin'ny Wikipedia

Na mitoetra ho voasakana aza ilay sehatra, marobe ireo tranonkala "dindo" no noforonina -- tranonkala narafitra hamerina ireo votoaty avy ao amin'ny Wikipedia, izay tsy tapaka ampanarahana ny zavamisy.
Lehilahy Palestiniana Iray Manira-Tena Hampanao ny Fambolena An-tanandehibe ho Azo Iainana Kokoa
Fantaro i Said Salim Abu Naser , mpanohana ny fambolena maharitra izay mipetraka sy miasa ao an-tanàndehiben'i Gaza , Palestina, manamorona ny Morontsirak'i Mediteranea.
Nandrehitra Ny Hatezerana Tao Malezia Ny Lahatsary Dokambarotra Nilaza Fa Tsy Tsara Tarehy Ny Mainty Hoditra
"Esory ny dokambarotra ary ataovy misoratra anarana ao amin'ny kilasin'ny fahatsapana ara-tsosialy 101 ny lehibenareo sy ny sampan-draharahanareo azafady," hoy ny mpisera Twitter iray nanoratra ho an'ny fantsona Watsons ho an'ny fahasalamana sy ny hatsaran-tarehy.
Arzantina: Hackathons Sy Ny Mangarahara Ara-bola Ao Bahía Blanca
Raha nandre ny vaovao momba ireo fifanekena mampiadihevitra nataon'ny governemanta ao an-toerana ao an-tanànan'i Arzantina Bahía Blanca i Manuel Aristaran (@manuelaristaran), nijery ny tranonkalany [governemanta] izy ary nanamarika fa tsy azo nidirana tsotra izao ny fandanian'ny kaominina. Ka namaha izany olana izany izy.