Namoaka Ny Fanisanandron'ny ‘Fanamelohana Ho Faty’ Ny  Sampandraharahan'ny Fonja Federaly Ao Rosia

Ho an'ny fitaovana fanapahan-doha ny volana Janoary

Toa tsy midika ho fampitsaharana ny fankalazana ny fanamelohana ho faty ho an'ny sampan-draharahan'ny fonja ao amin'ny firenena ny fampiatoana vonjimaika izany avy amin'ny fanjakana ao Rosia: tamin'ny Alatsinainy, namoaka ny sarin'ny fanisanandro izay manome voninahitra ho an'ny fanamelohana ho faty ny tranonkala secretmag.ru izay voalaza fa navoakan'ny Sampan-draharahan'ny Fonja Federaly Rosiana (FSIN) tamin'ny volana Janoary.

Manasongadina ny fomba fitantanana ny fanamelohana ho faty samihafa isam-bolana ny fanisanandro mitondra ny lohateny hoe “Ny Fomba Ambony Indrindra amin'ny Fitsarana Ara-tsosialy”. Nilaza ny Secretmag.ru fa efa nalefan'i Petr Yakovlev tao amin'ny Facebook ny sary izay navoakany, mpiasa iray ao amin'ny Sampan-draharaha Federaly manohitra ny Ampihimamba ao Saint-Petersbourg departemanta  Rosiana ranamana io.

Nilaza tamin'ny secretmag.ru i Yakovlev fa nozaraina ho toy ny fanomezan'ny orinasa amin'ny Taombaovao ny fanisanandro .

Ahitana ny filazalazana momba ny heloka sy ny famaritana lava ny tantaran'ny fanasaziana ny endriky ny famonoana ho faty isam-bolana. Manana anjara vazivazin'ny fanamelohana ho faty ihany koa ny fanisanandro :

«Лучшее средство от перхоти — гильотина»

“Ny fitaovana fanapaha-doha no fanafody tsara indrindra amin'ny angadrano”

«Смертная казнь была бы гораздо более эффективным средством борьбы с преступностью, если б она применялась до преступления»

“Ny fanamelohana ho faty no fomba tena mahomby iadiana amin'ny heloka raha toa ka ampiharina mialoha ny heloka bevava izy.”

Manasongadina ny fitaovana fanapahan-doha ny volana Janoary , natokana ho an'ny fanapahan-doha ny volana Febroary, manoritsoritra ny famantsihana ny volana Jona, ary manasongadina ny fitoraham-bato ny volana Aogositra. Tsy azon'ny RuNet Echo ny volana 8 hafa ao anatin'ny taona sy ny fomba famonoana ao anatiny.

 

Ny fonon'ny fanisanandro  “Ny Fomba Ambony Indrindra Amin'ny Fitsarana Ara-tsosialy”.

Ho an'ny fanapahan-doha ny volana Febroary

Ho an'ny fandoroana eny ambony hazo ny volana Jona

Ho an'ny fitoraham-bato ny volana Aogositra

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.