Nandrehitra Ny Hatezerana Tao Malezia Ny Lahatsary Dokambarotra Nilaza Fa Tsy Tsara Tarehy Ny Mainty Hoditra

Pikantsary avy amin'ny lahatsary dokambarotra  Watsons Malezia talohan'ny nanesorana izany tao amin'ny YouTube.

Voatery nanaisotra ny lahatsary dokambarotra an-tserasera iray mampiseho ny vehivavy iray  “voaozona amin'ny fihodirana mainty” ny tranombarotra fahasalamana sy ny hatsaran-tarehy Watsons ao Malezia, rehefa nilaza izany ho fanavakavaham-bolokoditra ny mpisera.

Mitantara ny tantaran'ny printsy iray mitady ny endrika ao ambadiky ny hatsaram-peo tanaty nofiny ny dokambarotra Watsons. Gaga izy anefa raha nahita fa mainty hoditra ilay vehivavy . Kanefa nahita ilay printsy rehefa nanapa-kevitra ny hanambady azy fa fitsapana fotsiny ihany ilay fihodirana mainty mba hanaporofoana ny fahatsoram-pony.  Nosasan'ilay vehivavy ny endriny mba hanehoana ny maha-fotsy hoditra azy.

Manasongadina ny sasany amin'ireo olo-malaza ao Malezia ilay dokambarotra maharitra 15 minitra. Natao izany mba hankalazana ny fiavian'ny Hari Raya (teny Maleziana hanondroana ny Eid al-Fitr amin'ny Islamo, na ny faran'ny Ramadany). Manana mponina Miozolomana betsaka i Malezia kanefa mirehareha ihany koa izy amin'ny fananany fiarahamonina ara-pirazanana maro .

Voatsikera noho ny fampiasana endrika mainty sy ny filazana mainty ≠ tsara tarehy ity lahatsary ho an'ny Hari Raya avy amin'ny Watsons Malezia ity.

Taorian'ny nandefasana ny dokambarotra tao amin'ny YouTube,  nitsikera haingana izany ho mampiroborobo ny fanavakavaham-bolonkoditra sy manavakavaka ny vehivavy ireo mpisera.

Mpanjifa mahafatra-po nandritra ny taona maro aho. Fa noho ity dokambarotra manavakavaka vehivavy, tatsinanana sy volonkoditra ity dia hanao ankivy ny Watsons Malezia aho.

Tsy tsara noho izany ny #WatsonsMalezia. Esory ny dokambarotra ary ataovy misoratra anarana ao amin'ny kilasin'ny fahatsapana ara-tsosialy 101 ny lehibenareo sy ny sampan-draharahanareo azafady

Nanaisotra ny lahatsary ora vitsy taorian'ny nivoahany ny Watsons, na dia mbola azo jerena ao amin'ny pejy Facebook hafa aza izany.

Mihevitra ilay mpanoratra ao amin'ny tranonkala Coconuts KL miompana amin'ny vaovao sy ny fialamboly fa miendrika kabary fankahalana ny dokambarotra :

In a country like Malaysia, where we have so many races, cultures and people coming together, to say that the darker ones are ugly is so out of touch, so wrong and so damaging to the self-esteem of every single person out there who is on the more-tan part of the spectrum, that this video verges on the fringes of hate-speech.

Ao amin'ny firenena tahaka an'i Malezia izay ahitantsika ny fitambaran'ny firazanana, ny kolontsaina ary ny olona maro dia tsy mitombina, tena diso tanteraka ary tena manimba ny maha-sarobidy ny olona tsirairay izay voakasik'ity fihodirana ity ny filazana fa ratsy tarehy ilay mainty kokoa izay mampitovy ity lahatsary ity amin'ny kabary fankahalana.

Nanazava tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Watsons fa fitantarana indray ny vakodrazana Maleziana ny dokambarotra :

The Legend of Dayang Senandong is a Malay folklore about a lady who was born cursed with black skin but blessed with a beautiful voice. The legend depicts that the king fell in love with Dayang Senandong because of her voice and inner beauty.

Vakodrazana Malay momba ny vehivavy iray izay teraka voaozona ho mainty hoditra kanefa nohasoavina tamin'ny hatsaram-peo ny Anganon'i Dayang Senandong. Asehon'ny angano fa raiki-pitia tamin'i Dayang Senandong ny mpanjaka noho ny feony sy ny hatsarana anatiny.

Nilaza ihany koa izy fa ny fisian'ny tena fitiavana no tiana hasongadina tao amin'ny dokambarotra :

We stand firm on the belief that unity and fairness plays an important role, and we respect people from all nationalities. The video was shot to highlight the Legend and its moral values of inner beauty and that true love exists. We are sorry that some of our fans feel offended by the video which was not our intention.

Resy lahatra tanteraka izahay fa manana anjara toerana lehibe ny firaisantsaina sy ny rariny, ary manaja ny olona avy amin'ny firenena rehetra izahay. Nalaina ny lahatsary mba hanasongadinana ny Angano sy ny maha-zavadehibe ny hatsarana anaty sy ny fisian'ny tena fitiavana. Ialanay tsiny raha nahatohina ireo mpankafy ny lahatsary fa tsy fikasanay velively izany.

Kanefa nisy mpisera sasany nieritreritra fa tsy araka ny tokony ho izy ny fialan-tsinin'ny Watsons noho ny fanavakavaham-bolokoditra tao amin'ny dokambarotra ary toa manome tsiny ny vahoaka noho ny tsy fahazoana ny hafatra tao amin'ny lahatsary ny fanambarany.

Angamba noho ny fahitana fa maro ireo Maleziana mbola tezitra tamin'ny dokambarotra dia namoaka fanambarana ho fialan-tsiny tamin'ny lahatsary ihany koa ny lehiben'ny Watsons Malezia ao amin'ny firenena  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.