Tantara tamin'ny 15 Jolay 2016
Ireo Sarimiaina Hongroà Mahasondriana Tamin'ny Vanim-Potoanan'ny Ady Mangatsiaka
Fantaro ireo sarimiaina nivoaka avy tao Hongria, hatramin'ilay mpandrangindrangitra "Gustav" ka hatramin'ireo antonona ny fianakaviana "Anganom-bahoaka hongroà."
Mpahandro Sakafo “Tian” i Valdimir Putin Indrindra: Voarohirohy Amin'ny Fanafihana Mpanao Gazety sy Mpikambana Amin'ny Mpanohitra
Mieritreritra ireo niham-boina fa voakendry noho ireo lahatsoratra sy sary nozarainy tany amin'ny tambajotra sosialy izy ireo. Io, araka ny fahitana azy, dia ampy nandranitana ireo sasany tsy mitonona anarana, milaza ny tenany ho ''tia tanindrazana.''
Misy Fahendrena Sy Hatsikana Hita Voaloko Eny Amin'ny Lamosin'ny Kamiao Nepaley
''Any Amerika, ny tanora no mpitondra firenena; Ny antitra misotro ronono. Any Nepal, ny antitra no mitondra ny firenena; Ny tanora no mahazo fifandirana.''
Ny Fikarakarana ny Hanina Amin'ilay Fetin'ny Sambo Dragona Sy Ry Nenitoa Mpanao Azy ireny
Betsaka ireo Taiwaney Amerikana no miantehitra amin'ireo ''nenitoa'' --- ireo mpivarotra izay mivarotra bah tsang amin'ny alalan'ny tambajotra tsy ara-dalàna — mba hahavoky azy.
Manana Hira Famantarana ‘Doo Doo Doo Doo’ Ny Fialan'i David Cameron Tsy Ho Praiministra Britanika
Nanome aingam-panahy tamin'ny fiangaliana mozika, hatsikana ary fanehoan-kevitra maro ny melodian'i Cameron voarakitra tao amin'ny fandraisam-peony rehefa avy nanambara ny fialany izy.
Nanendry ny Vadiny, sy Ireo Mpitarika Mpanohitra Ho Amin'ny Toerana Ambony Ny Filoha Ogandey
"Mitandrema fotsiny amin'ny firodanan'ny fanabeazana tanteraka ao Oganda. Tsy manana fitondra-tena tsara ity vehivavy ity."
Tantara Mitohy Amin'ny Radio Mamelona Indray Tantaram-Behivavy Iray Sy Mametraka An-Tsarintany Ny Fiarahamonina Lesbiana Ekoadaoriana
Nahatratra tanjona maro i “Lesbiana Mihitsy i Mariana”: mampamelombelona tantaram-behivavy, fanandratateny ho amin'ny zon'ny lesbiana, ary fitrandrahana ny zava-niainan'ireo nonina tao Ekoadaoro raha mbola nosokajiana ho heloka bevava ny fahapelahana.