Tantara Mitohy Amin'ny Radio Mamelona Indray Tantaram-Behivavy Iray Sy Mametraka An-Tsarintany Ny Fiarahamonina Lesbiana Ekoadaoriana
Efa ho feno roapolo taona taorian'ny nanesoran'i Ekoadaoro ny fahapelahana ho tsy heloka bevava intsony, dia re sy vonona amin'ny aterineto ny fampisehoana tantara tsangana mitondra ny lohateny hoe “Lesbiana mihitsy i Mariana”. Ny tantaran'i Mariana, tanoravavy iray monina ao Quito, izay tonga amin'ny fanekeny ny fironany ara-pananahana ao anatin'ny fanenjehana faratampony ireo LGBT, no voalaza ao amin'ity tantara mitohy ity. Tantara nitranga tao Ekoadaoro tamin'ny taompolo 1990s—fony mbola napetraky ny lalàna federaly ho jiolahy ireo ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny LGBTQ. Ny tantara mitohy fandefa amin'ny radio dia nakana aingam-panahy avy amin'ny Orina Mpanasoa Causana, “vondrona lesbiana feminista iray mpanandrateny hiaro ny zon'ireo karazan'olombelona manondro tena ho vitsy an'isa.” Nivoaka voalohany tao amin'ny radio ity tantara ity tamin'ny volana marsa tamin'ity taona ity, ary azo narahina tao amin'ny Youtube tamin'io volana io ihany koa.
Araka an'i Diana Maldonado, izay niresaka tamin'ny gazety iray ao an-toerana El Telégrafo amin'ny anaran'ny Orina Mpanasoa, ny tantara dia mamelona indray karazana fomba fitantaram-behivavy nalaza dia nalaza tany amin'ny faritra entina milaza ireo tantaram-behivavy maro izay feran'ny lalàna ny fiainana an-takonan'izy ireo. Eo imason'i Maldonado, dia zavatra kely dia kely monja no resahin'ireo vehivavy ireo, eny fa na dia taorian'ny nanalana ny maha heloka bevava ilay fironana ara-pananahana aza::
Es una iniciativa buena, porque de una manera dinámica han abordado un tema del cómo fue el diario vivir de una mujer lesbiana en una época en la que la homosexualidad era considerada un delito. Es importante traer esto al día de hoy, en el que muchos jóvenes y chicas no conocen de esta realidad, que se puedan enterar de lo que era vivir en esa época y crear conciencia de lo que tiene que ver con nuestros derechos.
Fandraisana an-tanana tsara nahitana ny fomba navitrika hamantarana izay fiainana andavanandron'ny vehivavy lesbiana iray tamin'ny fotoana niheverana ny fahapelahana ho heloka bevava. Zava-dehibe ny mitondra izany amin'ny tontolo ankehitriny, fa betsaka ny tanora lahy sy vavy tsy mahalala izany zavanisy izany, ka ahafahan'izy ireo mioty hoe tahaka ny ahoana ny fiainana tamin'izany fotoana izany hamelona fanairana amin'ny zontsika.
Ny tantara mitohy dia ahitana fizaran-tantara miisa 11 ary vonona hojerena ao amin'ny fantsona YouTube an'i Orina Mpanasoa Causana.
Lalàna, Fahapelahana, ary Fiarahamonina
Araka ny nosoratan'ny bilaogera iray tsy miseho anarana raha niresaka “ny lasitry ny lalàna momba ny fahasamihafana ara-pananahana ao Ekoadaoro,” fotoana nahafahana nanova zavatra teo amin'ny tantaran'ny firenena ny fametrahana ho ara-dalàna ny fiarahamonina LGBTQ, saingy “fandresena tapany ihany” ilay fanesorana azy tao amin'ny fanitsakitsahan-dalàna, raha jerena ny fomba fihevitry ny Fitsaran-Dalampanorenana:
El Tribunal Constitucional no motivó su resolución de anular el delito de homosexualismo consentido bajo criterios de libertad de conciencia, de autonomía y soberanía corporal, tampoco de respeto a la diferencia, a la intimidad, al proyecto de vida y a la identidad y menos aún por la consideración de que la diversidad fuera valiosa y tuviera relevancia en el ámbito de los derechos culturales. El 516, inciso 2do, se despenalizó bajo tres consideraciones: Primera, que el homosexualismo era una enfermedad, segunda, que la condición de enfermedad eximía la responsabilidad delictiva; y tercera, que despenalizar esta enfermedad evitaría que se propagara en las cárceles.
Tsy noho ny idealin'ny fahalalahana hisaina, fizakan-tena, fiandrianan'ny tsirairay amin'izay anaovany ny vatany na noho ny fanajana fahasamihafana, fifandraisan'olona akaiky, fandaminam-piainana na mari-panondroana no nanesoran'ny Fitsaran-Dalampanorenana ny fahapelahana tsy ho ao anatin'ny heloka bevava intsony. Tsy noho ny fanomezana lanja ihany koa ny fahasamihafana na hoe zava-dehibe eo amin'ny tontolo ara-kolontsain'ny zon'olombelona izany. Fa ny fototra telo voalazan'ny Fanitsiana 516, fizarana faha-2, nanesorana ny fahapelahana ho tsy heloka bevava intsony dia : voalohany, aretina ny fahapelahana; faharoa, izay toetra maha aretina azy izay no manaisotra azy tsy ho tompon'antoka amin'ny heloka bevava rehetra; ary fahatelo, ny fanesorana ity aretina ity hiala ao amin'ny heloka bevava no ahafahana misoroka ny fanitarana ny fonja.
Raha mbola tsy ara-dalàna ny mariazin'ny samy lahy na samy vavy, dia efa nandray ny fiarahan'olon-droa samy lahy na samy vavy an-tokantrano ihany i Ekoadaoro efa ho folo taona izao, tamin'ny taona 2008. Ankehitriny, mbola maro ny tolona ataon'ny fiarahamonina LGBTQ ao amin'ny firenena hahazoany ireo zo fototra tokony ho azy ireo, saingy ny tantara tahaka ny an'i Mariana sy ny tantaran'ireo vehivavy hafa mivoaka amin'ny radio no ahatarafana mazava ny fanenjehana sy ny fitiavana voadaka eny anjorom-balan'ny fiarahamonin'i Ekoadaoro amin'ny ankapobeny.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...