Misy Fahendrena Sy Hatsikana Hita Voaloko Eny Amin'ny Lamosin'ny Kamiao Nepaley

This truck carries the message: If you want to pluck a flower, don’t lop off the branch; if you want to lead a life, don’t deceive [anyone]. Image by Flickr user Jana Reifegerste. CC BY-SA 2.0

Ity kamiao ity dia mitondra ny hafatra: Raha te-hioty voninkazo ianao, aza tapahina ny sampana; raha te hitarika fiainana ianao, aza mandiso fanantenana [na iza na iza]. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Jana Reifegerste. CC BY-SA 2.0

Amin'ny fotoana manaraka andehananao any Nepal, mety hahatsikaritra zavatra manokana mikasika ny kamiao mivezivezy eny amin'ny làlan'ny firenena ianao. Tsy toy ny any Pakistan, izay ny kamiao dia matetika voaravaka amin'ny zavakanto maroloko, fa ny kamiao Nepaley mitondra andininà teny fisainana hafahafa sy tsikera fanazavàna ny zavamisy.

Ny hafatra dia miainga avy amin'ny politika sy filozofia mankany amin'ny fitiavana, hatsikana ary na ompa aza. Ankehitriny, tsy voafetra ho kamiao ihany izy ireo, fa hita eo amin'ireo fiara fitateram-bahoaka sy ireo safa tempo (tuk-tuk mandeha bateria – misy maotera) ihany koa.

Misy hetsika vitsivitsy tany Nepal mba hanangonana ireny fomba fiteny ireny. Araka ny mpanoratra an-gazety CP Aryal, nisy gazety antsoina hoe Bus Sahitya, izay midika hoe ”fiara fitateran'ny literatiora,” natomboka taona maro lasa izay tao anatinà hetsika hanomezana hasina ny lanja ara-literatioran'ireo teny fisainana voafafy eny amin'ny lamosin'ireo fiara. Ary Subid Guragain, mpanao gazety sady mpampianatra, dia  nizara fitambarana hafatra 700 mitondra ny lohateny hoe Truck Sahitya, izay midika hoe ”ny literatioran'ny kamiao,” tamin'ny 2011. Manoratra i Aryal:

Ny mahatonga ny olona hanoratra ireny andlana ireny amin'ny fiarany? Ary maninona no maro no manao izany? Govinda Lamsal, izay mamily kamiao, dia miteny fa amin'ny làlan'ny asa izay diso mekanika loatra, ireo teny na sary ireo dia fomba iray entina hampisehoana ny talentam-pamoronana sy filozofian'ny tena manokana. ”Ny fahitan'ny olona anay dia olona maty fo tsy mba manana fihetsehampo,” hoy izy. ”Eny, manana fihetsehampo koa izahay, ary izany no hany fomba tokana ahafahanay mampiseho amin'izy ireo izany eny an-dalàna.”

Ny tambajotra sosialy dia feno ohatra amin'ireny teny fisainana ireny. Ito kamiao ito dia mitondra hafatra mitanisa ny Facebook sy Twitter:

Raha tsy afaka manana Facebook ianao, mandeha ao amin'ny Twitter;
Raha tsy afaka mahazo sipa ianao, ataovy ho toy ny anabavi[nao] izy.

Betsaka amin'ireo hafatra no miresaka ny olam-pitiavana ary tsy mahavita ny hitsahatra tsy hiresaka momba ny zaobaviny :

Na amin'ny fiakarana na amin'ny fidinana, manantena fa hisy tranonà ranaotra ao ambony tendrombohitra ao;
Na mainty izy na fotsy, manantena fa misy zaobavy ao amin'ny tranon-dranaotra.

Ary tsy hamindran'izy ireo fo ny politika sy ireo mpanao politikan'ny firenena:

Any Amerika, tanora no mitondra ny firenena;
Ny antitra misotro ronono.
Aty Nepal, ny antitra no mitondra ny firenena;
Ny tanora no mahazo fifandirana.

Ny hafatra sasany dia manana endrika somary filozofika:

This truck is conveying the message: Don’t lose your cool in sorrow, Don’t cross your limit in happiness. Image by Prabin Gurung. Used with permission.

Ity kamiao ity dia mampita ny hafatra: Aza ariana ao anatin'ny fahoriana ny fifehezantenanao; aza mitsambiki-mikimpy ao anatin'ny fahasambarana. Sary an'i Prabin Gurung. Fampiasàna nahazoana alalana.

Tahaka izany koa ity iray ity:

Mandania vola ho an'ny voninahitra,
Aza mandany voninahitra ho an'ny vola.

Ny hafatra sasany miresaka mikasika ny fiainan'ireo mpamily ary ny zava-tsarotra atrehan'izy ireo:

Ny sakafon-jazakely, biskoitra sy mofomamy;
Ny fiainan'ny mpamily, ny familiana sy ny hisatra.

Ny hafatra sasany kosa dia manesoeso, tahaka ity iray izay natokana ho an'ireo tsy mety mitsahatra ny milaza fa toerana nahaterahan'i Bouddha i Nepal:

Havoana no manodidina, farihy no eo afovoany;
Misy mosarim-pahendrena eto amin'ity firenena nahaterahan'i Bouddha ity.

Ary ity misy hafatra ho an'ireo tsy manam-paharetana:

Iangaviana tsy hampaneno anjombona,
Matory ny fireneko.

Raha mieritreritra ny handeha ela amin'ny lalambe Nepaley ianao, ireo hafatra fohy ireo dia azo antoka fa handrava ny endrika tsy misy fiovàna mahazatra amin'ny dianao ary hitondra tsiky eo amin'ny molotrao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.