Manana Hira Famantarana ‘Doo Doo Doo Doo’ Ny Fialan'i David Cameron Tsy Ho Praiministra Britanika

Mety misy fomba maro ahafahana hanehoana ny fihetseham-po rehefa miala amin'ny toerana maha praiminisitra Britanika. Ho an'i David Cameron dia tamin'ny alàlan'ny hirahira no nanaovany izany.

Tamin'ny 11 Jolay,  nanambara ny famindrany fahefana tany amin'i Theresa May i Cameron, izay nifaninana irery tamin'ny fitondrana ny Antoko Mpandala ny Mahazatra. Efa nampanantena ny hiala izy taorian'ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka Brexit, izay nahitana mpifidy 51,9% tao amin'ny Fanjakana Britanika nilaza te hiala amin'ny Vondrona Eoropeana (nanao fanentanana ny hijanona i Cameron ).

Nandeha nody tany amin'ny Number 10 izy avy eo, raha mbola velona ny fandraisam-peo amin'ny fehitendanyka nihira hira fohy i Cameron .

Faly tamin'ny melodian'i Cameron  ireo vahoaka nomerika ary nanao vazivazy sy hatsikana momba ilay izy. Nanome aingam-panahy hanaovana dihy Remix ilay izy na dia tsotra kely aza, “Doo Doo Doo Doo izay” , novokarin'ny @graemecoleman haingana  ary efa nozarain'ireo mpisera Twitter in-2600 tao anatin'ny 24 ora.

Nandany ny hariva aho omaly nanao remix an'i David Cameron . Tena mirehareha aho … #cameron #humming

Nanolo-kevitra ny hamadika izany ho Darth Vaderian ny mpisera iray hafa sy nanova ny melodia tsy fahita firy ho  “Fehin-kira Tory Ratsy”  (anarambositry ny antoko mpandala ny mahazatra ny Tories):

Namoaka ny melodian'ny Tory Ratsy i #Cameron rehefa avy nanambara fa ho PM i #TheresaMay amin'ny Alarobia. ( Mila feo … Andraso kely !)

Nirotsaka tao amin'ny fampitahana ny tononkalon'i Cameron sy ny tantara an-tsehatr'i William Shakespeare ny mpisera mifandray amin'ny teatra iray raha nandray ny tokontanin'ny korontana ara-politika izy:

Lasa manana endrika tsara kokoa ny kabary lehibe rehetra  rehefa ampiana ny melodian'i Cameron ..

Nanome torohevitra ny mpitsikera sasany fa mamisavisa asa vaovao ny praiminisitra teo taloha ary tsy afaka nisafidy andro tsara kokoa izy mba amoahany ny hirany raha mbola tany aminy ny mason'olona rehetra sady teo anoloan'ny fakantsary izy.

https://t.co/SO1ETrLJ9w  ‘ heverina fa tsy ho melodian'ny “fipetrahany teo nandritra ny taona maro ny ‘ Doo Doo , Doo Doo ‘, ka tsapany fa tokony havoaka amin'izay’

Angamba mety ho lasa hiran'ny taona 2016 ny ” Doo Doo , Doo Doo ” an'i @David_Cameron

‘Tsy tamin'ny fipoahana fa tamin'ny DO Doo Doo Doo . Ekena ‘ no fomba niafaran’ izao tontolo izao ‘

Sa santionany amin'ny mozika fampitoniana ve izany?

” Anio hariva no ilay alina,
Doo Doo Doo Doo , izay! ” #CamerontheMusical

Nanova haingana ilay melodia malaza ho feonkira famantarana ilay mpisera maranitra amin'ny teknolojia avy any Alemaina iray, ary nilaza fa mendrika ny handoavam-bola ny fandikana ny ( lasa fahazarana ankehitriny ) hira ho an'ny finday.

Doo , Doo , Doo , Doo – RETWEETE Ahazoana Jumba ity lahatsary ity – Raketo ! ( Tsy misy sara amboniny ao anatiny)

Nanamafy kosa ny hafa fa natao ho an'ny olona ilay feonkira sady manome  fanoroana maimaim-poana amin'ny filalaovana azy .

Haha ! Ny hira Doo Doo Doo !

Tsy fantatro izay nanao izany – kanefa tena mahafinaritra ilay izy. Hira malahelo sy sarotra hadinoina an'i Cameron

Vazivazy kely etsy ankilany, nanondro ny fikarohana sary-sy-soratra tao amin'ny aterineto fa ny votoaty sy ny sary-sy-soratra malaza be matetika dia ahitana hevitra sarotra sy fampatsiahivana amin'ny politika matotra, na ahitana mihitsy ny fomba fijerin'ny olona ny zava-mitranga amin'izao fotoana izao sy ireo hevitra manan-danja aza.

Tsy mahagaga noho izany raha maro ireo mpaneho hevitra an-tserasera nanararaotra ny fitsikerana an'i Cameron ho nitarika ny Fanjakana Britanika ho amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka Brexit . Raha nifidy ny ” hivoaka ” ny ankamaroan'ny mpifidy, nifidy ny hijanona ao amin'ny Vondrona Eoropeana kosa ny 48.1 % , vokatra izay nampizara ny firenena .

” Doo doo doo ” . Ny hiran'ny rangahy matihanina izay vao nitondra ny firenena ao amin'ny kizo

Hoy ny fanehoan-kevitra hoe: tsy misy saina Doo Doo ianao.

Ao anatin'ny vazivazy Doo Doo sy ny fanesoana manindrona, na izany aza, dia nisy ny onjan'ny fangoraham-po sy ny famindram-po. Nandia tapabolana sarotra ilay mpanao politika raha ny marina .

Nanao azy ho olona mampihomehy ilay hiran'ny fametraham-pialan'i David Cameron ( raha alaina sary an-tsaina fa miovaova endrika tahaka ny tanalahy izy sns ) .

Tsy mino aho fa afaka hitia an'i Davida Cameron, fa ny santionan'ny hira kely sy ilay hoe ‘izay’ tsy misy henatra akory … Tsy misy zavatra tsara kokoa aseho noho ny doo – de- doo

Mariky ny fialana olana ve ilay hirahira, sa melodia mahazatra sendra nandalo fotsiny tao an-tsain'ny Praiminisitra teo aloha ihany? Mazava fa tsy ho fantatra ny momba izay. Na izany aza, afaka nisento kely ireo mpisera Twitter Britanika tamin'ny fanadinoana indray mipi-maso ny mety ho fahasarotana ara-toekarena sy ny adihevitra politika mafana. Izay.

Fisentoana kely amin'ny sarimihetsika politika! Aleo aho hihomehy @ClassicFM #cameronslament

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.