Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

30 Oktobra 2014

Tantara tamin'ny 30 Oktobra 2014

Fahatsiarovana An'i Hazel Ward-Redman ilay Olo-Malaza Mpisava Làlana Ny TV Tao Trinidad & Tobago

Nodimandry i Hazel Ward-Redman, izay nanasongadina ny talenta ara.javakanto sy mozikan'ireo tanora ao Trinidad sy Tobago tamin'ny alàlan'ny fandaharany tao amin'ny fahitalavitra. Maneho fanajàna azy ireo taizany sy ireo mpankafy.

Fihomehezana ny Fangon'ny [Lôgô] Mondialy 2018 ao Rosia

Akon'ny RuNet

Ankavitsiana no ahitana hatsaram-panahy eo amin'ny mpiseraseran'ny tambajotram-pifandraisana rosiana, ary lasibatry ny fanimbazimbana avy hatrany ny fangon'ny Mondialy 2018 tamin'ny fotoana nivoahany ho hitan'ny besinimaro.

‘Ny Fomba Fitantara sy ny Media Ho Amin'ny Tontolo Tsara Kokoa': Zaikaben'ny Media Manova 2014 Ao DC

Hiresaka fomba fitantara, famoronana ifarimbonana, teknolojia vaovao, orinasa sy fivelomana maharitra, ny mahasoa sy ny mahasalama, ny saripka, ny horonantsari-mihetsika sy ny mozika, ny asa fanoratan-gazety, ohatra amin'ireo lohahevitra maro hodinihana, ireo mpandray anjara amin'ny TMSummit.

Ndeha Mba Hitety An-tsary Ny ‘Kianjan'ny Elo’ an'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong

Tranolay maherin'ny 1.600 no nijoro tao amin'ny foiben-toeran'ny hetsika Occupy Central, toerana nilasian'ireo mpanao hetsi-panoherana nitakiany amin'ireo manampahefana ao Hong Kong sy Beijing mba hisian'ny fifidianana mangarahara sy malalaka

Mitokona Noho Ny Zava-doza Tao Ayotzinapa Ireo Meksikana Mpianatry ny Anjerimanontolo

"Velona ry zareo no nalaina, Velona izy ireo no tianay hita miverina!" Maneho ny firaisankinany ho fitakiana ireo mpianatra nanjavona tao Ayotzinapa, Guerrero, ary tsy mbola nahitam-bahaolana, ny vondrom-piarahamonin'ireo mpianatra ao Meksika

Fantaro Ireo Olon-tsotra Roa Mpampita Vaovao Ao Amin'ny “Voices of Hope” (Feon'ny Fanantenana)

Rising Voices

Fantaro i Twinkle sy i Eric John, roa amin'ireo olon-tsotra mpampita vaovao mandray anjara amin'ny tetikasa Voices of Hope ao Estancia, IloIlo, Filipina.

Manome Tsirim-Panantenana Ireo Mpikatroka Mpanohana ny Demaokrasia Indray Ny Fiarahaba ‘Hunger Games’

Ny fiarahabana fanangana-tanana amin'ny rantsa-tanana telo nandritra ny fandoroana ny fatin'olom-panjakana teo aloha iray indray no nataon'ny mpikatroka ho fiampangana ny ny fanonganam-panjakana sy ny fahaverezan'ny demaokrasia ao Thailandy.