Fihomehezana ny Fangon'ny [Lôgô] Mondialy 2018 ao Rosia

Laughing at the 2018 World Cup logo. Images edited by Kevin Rothrock.

Laughing at the 2018 World Cup logo. Images edited by Kevin Rothrock.

Mihoatra ny 300 kilaometatra any ambony tsy taka-maso any ny olombelona no mahita maso ny fangon'ny mondialy FIFA manaraka, izay hotontosaina ao Rosia ao anatin'ny efa-taona. Nanao karazana fampisehoana i Rosia tamin'ny namoahana azy ka nomeny ireo “kôsmônaoty” telo mirahalahy any amin'ny Toby an'Habakabaka Iraisampirenena ny andraikitra fanaovana izany.

Nalefa tamin'ny fahitalavitra rosiana nandritra ny fotoana nahabe mpijery azy indrindra ny fandefasana mivantana ny fango [lôgô] ny fifaninanana baolina fandaka [kitra]. Teo noho eo ihany dia norakofan'ny manampahefana ara-panatanjahantena fampisehoana ara-maso [jiro sy taratra] mitantara ny famindrana ny Amboara avy any Brezila mankao Rosia ny Efitrano fanaovana tantara tsangana Bolshoi.

Azo itokiana ho fotoana lehibe hoan'i Rosia eo amin'ny sehatra manerantany ny fampiatranoana mondialy, izay lanonana ara-panatanjahantena tokana malaza indrindra manerana ny planeta, efa simba vokatry ny herisetra ao Okraina ihany manko ny laza tsaran'i Moskoa nateraky ny lalao olaimpikan'i Sochi amin'ny andro ririnina tao anatin'izay volana maromaro izay. 

Andao atao hoe tsy ampy ihany koa ny faniriana tsara ao amin'ireo mpiseraseran'ny tambajotram-pifandraisana rosiana, ary lasibatry ny fanimbazimbana avy hatrany ny fangon'ny Mondialy 2018 tamin'ny fotoana nivoahany ho hitan'ny besinimaro. Manolotra ny sasantsasany amin'ireo hatsikana mivezivezy ao amin'ny Twitter miteny rosiana ny RuNet Echo.

Mampafanafana fo.

Mondialy 2018 jerena [avy ao] ivoho.

Ahahhah.

Vita tsara ihany koa ity iray ity an. 🙂

Na ny fango aza dia tsy tena vita rosiana. Ny BrandiaCentral, sampan-draharaha mpanao mari-pamantarana iray miorina ao Portiogaly izay nandresy ireo orinasa enina hafa, ka ao anatin'izany ny orinasa rosiana, no tompon'ny haikanto. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.