Tantara tamin'ny 13 Jolay 2014
Hazakazaky Ny Fitantanan-draharaha Rosiana Hanara-maso Ny Aterineto
"...ny fahamarinana tena mampangorintsina indrindra dia mety hoe tsy miandry mandrakariva ny mpanao lalàna mba hangataka fahazoan-dàlana ara-dalàna ny masoivoho Rosiana mpampihatra lalàna rehefa tonga amin'ny hoe fanaovana polisin'ny aterineto."
77 Taona Lasa, Nanomboka ny Ady Teo Amin'i Sina sy Japana Izay Nahafatesan'Olona An-tapitrisany
Niresaka mikasika ny fitsingerenantaona ny Filoham-pirenena Sinoa Xi Jinping, raha toa ka nangatsiaka ny fifandraisana teo amin'i Pékin sy Tokyo noho ny disadisa miainga amin'ny fiadiana ireo nosy sy ny fitmboan'ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ny firenena roa tonta.
Arzantina : Miara-Mitaintaina Amin'ny Ekipam-Pireneny Ny Mpankafy Baolina Kitra
Miara-mitaintaina amin'ny ekipam-pireneny izay nandresy an'i Soisa tamin'ny elanelan'isa kely 1-0 tamin'ny fanalavàm-potoana ireo mpankafy baolina kitra Arzantina.
Iza i Sachin Tendulkar? Aza Manontany An'ilay Tompon-dakan'ny Tennis, Maria Sharapova
Noho ny teny kely anankiroa, nahavita nampahatezitra ireo mpankafy marobe an'ilay "andriamanitry ny cricket" Indiana Sachin Tendulkar ilay Rosiana mpilalao tennis malaza Maria Sharapova .
Mety Hampisy Fiantraikany Goavana Amin'ny Fifidianana Ao Indonezia Ny Tanora Mpifidy. Ahoana Ny Hevitr'izy Ireo?
Nanangona lahatsary notontosain'ireo tanora Indoneziana izay manazava ny vinavinan'izy ireo momba ny maha-zava-dehiben'ny fifidianana filoham-pirenena 2014 ny EngageMedia.
Hetsi-pahatsiarovana Bisikileta Fotsy Ao Orogoay
Manontany ny dikan'ireo bisikileta fotsy mitandahatra ao amin'ny arabe ao Montevideo, Orogoay ny olona. Hitanao ato amin'ny lahatsoratra ny valinteny.
Serbiana Mpanao Politika Mandrahona Hamely Amin'ny Angady Ilay Mpikatroka Mafàna Fo Mikarakara Hetsi-panoherana Avy Ety Anaty Facebook
Mpikatroka iray mafàna fo niantso hetsi-panoherana sy ezaka fanarenana, notsenain'ny manampahefan'ny tanàna Serba iray tamin'ny fandrahonana tety anaty aterineto.
Ravo Tanteraka Tamin'ny Fahavoazan'i Brezila Mpifaninana Aminy Nanoloana An'i Alemaina i Argentina Ka Na ity Orkesitry Ny Zandary ity Aza Mba Nankalaza
Niventy hira iray misy tonony manaraby an'i Brezila noho ny fahareseny nanoloana an'i Arzantina tamin'ny Amboara Erantany 1990 ny Orkesitry ny Zandary "Alto Peru " nandritry ny andro fankalazana ny nahazoana ny fahaleovantenan'i Arzantina.
Noroahin'i Bahrain Ny Iraka Manokana Amerikana Misahana Ny zon'Olombelona
Bahrain, anjakan'ny fianakaviana Sonita al-Khalifa, no mitsena ny tsikera eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona hatramin'ny namotehan'ny miaramila ny hetsi-panoherana notarihan'ny Shi'ita manohitra ny governemanta tamin'ny 2011.
Zavatra Dimy Tsara Fantatrao Amin'ny Mariazy Turkmen
Raha mieritreritra an'i Turkmenistan ho toy ny tany tsidihana ijerena mariazy ianao, dia tokony hahalala zavatra iray - raha hankalazan mariazy ry Turkmen dia aza mitsabatsabaka ao.