Mbola tanora loatra ny sasany raha hahatsiaro ilay Fitondran'ny Holafitra Vaovao mahery setra, notantanin'ilay mpanao didy jadona Suharto izay nitondra tao Indonezia nandritra ny 32 taona hatramin'ny fametram-pialàny tamin'ny 1998. Na dia izany aza, miezaka ny hiverina eo amin'ny fahefana ireo mpitondra tamin'izany fotoana izany, amin'ny fifidianana filoham-pirenena fidiana mivantana faha-telo eo amin'ny tantaran'ny firenena .
Tsy mahagaga raha samy nanatanteraka fampielezan-kevitra antserasera amin'ny fomba vaovao ireo kandidà nirotsaka hofidiana filoham-pirenena mba hiezaka hisarika ireo tanora mpifidy. Nitarika tamin'ny fametahana anarana “fifidianana amin'ny media sosialy” ny fanasongadinana ny fifidianana tao amin'ny Facebook sy Twitter, ary nampiseho ny tanora Indoneziana misara-tsaina amin'ny safidin'izy ireo.
Noho ny fisian'izany fisainana izany, namorona ny Suara Baru (Feo Vaovao) ny EngageMedia, hanasana ireo tanora mpamorona sarimihetsika, mpikatroka, mpanoratra gazety olo-tsotra mba hamorona tantara an-dahatsary ka ny tanjona dia ny hahatakatra ireo vinavinan'ny tanora amin'ny fifidianana, ny kandidàny, ary koa ny fanantenan'izy ireo sy ny hetahetan'izy ireo hoan'ny firenena.
Nampahafantarina tao amin'ny aterineto sy ireo fantsona ivelan'ny aterineto ireto lahatsary ahitana dikan-tsoratra amin'ny teny Anglisy ireto mba hampandraisana anjara ny tanora sy handrisika adihevitra momba ny olana sy fandaharan'asa resahina mandritra ny fifidianana. Tsindrio eo afovoan'ny lahatsary raha hijery ny habaky ny EngageMedia.

Ny Fanantenan'ny Tanora Papuan: Mila filoham-pirenena Indoneziana hitondra fandrosoana ny tanora ao Raja Ampat, Papua andrefana.

Jery avy eny an-tsisiny: Lahatsary tsotra milaza ny antony mahatonga ireo tanora Indoneziana sasany tsy hifidy amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2014.

Fifidianana sy fifandonana: Nahoana ny fifidianana filoham-pirenena Indoneziana no mamadika ny tanora mpinamana ho lasa mpifahavalo?