Serbiana Mpanao Politika Mandrahona Hamely Amin'ny Angady Ilay Mpikatroka Mafàna Fo Mikarakara Hetsi-panoherana Avy Ety Anaty Facebook

A tweet from activist Dragan Murar includes a screenshot of Deputy Mayor Ivan Jegorović's threatening Facebook message.

Bitsika iray avy amin'ilay mpikatroka, Dragan Murar, ahitàna dikasarin'ny hafatra fandrahonana ho azy tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Lefitry ny Benny Tanàna.

Nandrahona tanaty hafatra hitan'ny daholobe tao amin'ny pejiny Facebook ilay lefitry ny ben'ny tanàna ao amin'ny fari-piadidiana any avaratr'i Obrenovac fa hoe hasiany amin'ny angady ny “lamosin” ilay mpikatroka mafàna fo Dragan Murar, izay niantso ny hanaovana hetsi-panoherana ao ho fitakiana ny hisian'ny ezaka bebe kokoa sy tsara rindra ao amin'ity tanàna voa mafin'ny tondradrano ity.

Obrenovac, 30 kilometatra eo ho eo miala an'i Belgrade, no tsy isalasalàna fa tena nizaka ny mafy indrindra tamin'ilay tondradrano nahatsiravina indrindra nitranga tsy ela akory izay nandravarava firenena maro tao amin'ny faritra Balkana. Azo lazaina ho fongana ara-bakiteny ny ankamaroan'ny trano, vokatra sy fandraharahana tao Obrenovac ary nafindra toerana ho ao Belgrade sy ireo tanàna manerana ny faritra ny ankamaroan'ireo mponina maherin'ny 30.000 tao aminy, mandra-pisian'ny fepetra vaovao raha mbola eo ampanatanterahana azy kosa izao ny asa fanadiovana. Miadana sy mandreraka be ny dingana fanatanterahana azy. Saiky mbola isanandro no mirotsaka ny orana ao amin'ny faritra, ary marobe no manakiana ny lazain-dry zareo ho tsy fahampian'ny fandaminana avy amin'ny manampahefana amin'ny famerenana ireo faritra ho azo honenana indray.

Isan'ireo nitaky ampahibemaso ny hanaovana ezaka tsara kokoa avy amin'ireo governemantam-paritra sy nasionaly i Dragan Murar mba hanampiana an'i Obrenovac hiarina indray. Niezaka ny hitarika hetsi-panoherana izy tao amin'ny Twitter, eo anoloan'ny tranoben'ny fiadidiana ny tanàna ary nanolotra an-tànana, tamin'ny anaran'ny olom-pirenena ao Obrenovac, lisitra iray misy ireo soso-kevitra sy fitakiana ho an'ny manampahefan'ny tanàna :

Ireto ireo fitakiana mazava tsara izay natolotra ny kabinetran'ny Praiminisitra, Marko Blagojević [voatendry ho filoha mitarika ny Biraon'ny Asa Fanarenana], sy Zorana Mihajlović [Lefitry ny Praiminisitra sady Minisitry ny Asa Fanarenana, Fitaterana ary Fotodrafitrasa] pic.twitter.com/U092AmdVp9

— Dragan Murar (@muki68) July 7, 2014

Tohin'ny fitakian'i Murar sy ny ezaka ho famoriana mpanao hetsi-panoherana, nanakiana mibaribary an'i Murar tao amin'ny Facebook i Ivan Jegorović, lefitry ny ben'ny tanàna ary taoriana kelin'izay dia nandefa sarin'angady ho hitan'ny besinimaro teo amin'ny sary mombamomba azy, niteraka fanehoankevitra niraradraraka, na nanohana na namely an'i Murar, avy amin'ireo mpampiasa Facebook izay nanaraka ilay fifanasàna vangy tety anaty aterineto.

Nanomboka teo dia lasa tsy azon'ny olon-drehetra notsidihana intsony ny fanavaozam-baovao ao amin'ny Facebook-n'i Jegorović, saingy betsaka ireo mpampiasa no nanao dikasarin'ilay hafatra, nahitàna an'i Jegovorić nilaza hoe :

Ti pijanduro sto predvodis ove nazovi proteste i sto brukas Obrenovac i Obrenovcane zastupajuci politiku mediokritetskih politickih partija, bolje bi ti bilo da uzmes lopatu u ruke i uradis nesto korisno za svoj grad. Bavis se politikom i tvitujes u vreme kada je ovom gradu potreban krvav rad. UZMI TU LOPATU DA TI JE JA NE BIH DAO PO LEDJIMA.

Ianao ilay mamo lava izay nitarika ireny ambara ho hetsi-panoherana sy nanohintohina an'i Obrenovac sy ny vahoakan'i Obrenovac ireny tamin'ny fanehoana ireo politika na antoko politika tsy misy ilàna azy, tsaratsara kokoa [ho anao] ny mandray angady ho eny an-tànanao sy manao zavatra mahasoa amin'ny alàlany. RAISO ITO ANGADY ITO RAHA TSY TIANAO NY HAMETAHAKO AZY AO AN-DAMOSINAO.

Murar no isan'ny voalohany nanao dikasary tamin'ilay hafatra no sady avy hatrany dia nibitsika azy io ho an'ireo mpanjohy azy :

Antso misokatra ho amin'ny fitsaram-bahoaka!! Tsy afaka ny hivezivezy an-kalalahana mitety ny tanànako aho noho ny amin'ny lefitry [ny ben'ny tanàna] Čučković. Voapetraka soa aman-tsara any amin'ny mpitandro filaminana pic.twitter.com/l8BiQJrEvU

— Dragan Murar (@muki68) July 7, 2014

Nanomboka teo dia nisarika ny sain'ny olona ho amin'ity fifanasàna vangy ity ireo mpikatroka mafàna fo sy fikambanana samihafa ary nanameloka ny fampiasàna fandrahonana am-bava tahaka izao avy amin'ireo mpanao politika. Ny “Blog Open”, mpikarakara ny fihaonambe isan-taona malaza fanaon'ireo bilaogera ao amin'io firenena io dia namoaka fanambaràna iray mikasika io olana io, nanitrikitrika hoe:

Niko, nikakvim povodom, ne sme pretiti nikome, a posebno ne koristeći društvene mreže, jer na taj način svoje pretnje čini još opasnijim, i mogu se razumeti kao ućutkivanje, zastrašivanje i javni poziv na linč.

Svačije je pravo da izražava svoje stavove i mišljenje o bilo kakvoj društvenoj pojavi, a posebno u situaciji kada su životni uslovi toliko otežani, a dignitet ljudi toliko povređen, kao što je to slučaj u Obrenovcu.

Tsy misy olona, na antony ahoana na ahoana, manana alàlana handrahona ny hafa, indrindra fa amin'ny fampiasàna tambajotra sosialy, satria vao mainka mahatonga ilay fandrahonana ho zava-doza kokoa izany ary azo raisina ho fanakendana, fanaingàna hanao ramatahora ary fiantsoana fitsaram-bahoaka.

Manana zo haneho ny toerana raisiny sy ny fomba fiheviny mikasika ny trangam-piarahamonina ny tsirairay, ary indrindra moa fa rehefa ao anaty toe-draharaha izay mahasaotra ny miaina sy manitsakitsaka ny maha-olona ny olona, toy ny tranga misy ao Obrenovac.

Hafa ankoatry ny fitanisàna an'i Murar ao anatin'ny fanavaozam-baovaony faramparany sy ny fanehoankevitra, tsy nanao fanambaràna hafa intsony ingahy lefitry ny ben'ny tanàna, Jegorović, momba ity raharaha ity. Marobe ireo mpaneho hevitra any amin'ny kaontin'ireto lehilahy ireo aty anaty media sosialy no nanakiana ny rahom-bavan'ilay mpanao politika, raha ny sasany indray niombon-kevitra taminy sy vao mainka nanentana resaka fankahalàna sy fandrahonana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.