25 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 25 Marsa 2011

Bahrain: Ny Anjara Raisin'Ireo Mpila Ravinahitra

Tahaka ireo firenena rehetra mpikambana ao amin'ny GCC (Gulf Cooperation Council), dia miankina betsaka amin'ny herim-pamokarana avy any ivelany i Bahrain, indrindra indrindra fa ny avy any amin'ireo firenena ao Azia Atsimo, na izany ho an'ireo asa mila fari-pahaizana ambony na ny salantsalany. Raha araka ny fanisàna natao tao Bahrain tamin'ny 2010, manome ny efa ho 51 isan-jaton'ireo hery afaka mamokatra amin'ny mponina 1.2 tapitrisa ao Bahrain ny mpiasa nafarana.. Indiana iray mpila ravinahitra no mizara ny fahitany ao anatin'ity lahatsoratra ity.

25 Marsa 2011

Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy

Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany. Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any.

25 Marsa 2011

Japana: Onagawa, ilay tany fonenako fahiny

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011. Niala ny taniny tany Onagawa any amin'ny “préfecture” an'i Miyagi i @kombu_s, mpampiasa Ttwitter ka nifindra tany Sendai. Indro...

25 Marsa 2011