Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Syria: Famonoan'olona maro, nanjavona ny Bilaogera sy Mpanao gazety

Mbola mitohy ny fifandonan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Daraa, Syria . Vao maraim-be, tafika manokana no namono farafahakeliny olona 6 nandritra ny fanafihana tao amin'ny Moské Al Omari mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana izay efa nanao ny toerana ho toeram-pivoriana sy hopitaly feno harena.

Nitatitra ny televiziona Syriana eto amin'ny firenena fa andia-jiolahy nitondra basy, fitaovam-piadiana, grenady, sy atonta-bola miafina ao anatin'ny moské no nanafika ny fiara mpitondra marary sy ny mpitandro ny filaminana:

http://www.youtube.com/watch?v=lRg9tdaHgpQ

Nanasongadiana haingana ireo Syriana fa ratsy ny nanaovana ny horonan-tsary. Feno bodofotsy sy fitaovam-panafody ka naloto ny tao amin'ny Moské Al Omari taorian'ny fihetsiketsehana, mifanohitra izay niseho tamin'ny fahita-lavitra Syriana. Nifananihany ireo mampiasa Facebook fa toy ny mampahonena ny faharatsin'ny fitantanana ny fahitalavitra Syriana eto an-toerana ary mitaraina ireo governemanta fa tsy misy manakana ny rano [sivana?].

Nitatitra koa ireo mampiasa Twitter fa Khaled Elekhetyar, mpanao gazety Syriana sady bilaogera no tsy heno mihitsy, ary nisy nanao hosoka ny kao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.