Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy
Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany.
Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, ny zava-doza dia efa rentsika daholo ireny, efa voarakitra sy notaterina tanaty gazety. Ireo lohandohany amin'ny Fanjakana sy ny manampahefana fara-tampony amin'ny governemanta dia mitohy manao litania / tsianjery maimbo azy ireny – ary dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any. Tsy niarahantsika nahita ve ireo mpanohana an'i Gaddafi nihogahoga sy nitehaka azy rehefa nanambara izy fa hanao ny fomba hamongorana ireo Libiana mitroatra manohitra ny fitondrany naharitra efa 42 taona. Tantara toy izany no miverina mitranga manerna ny faritra.
Ireto ny andàlana vitsivitsy nofantenana avy amin'ilay Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy:
@iyad_elbaghdadi: Tsory fa ny hetsi-panoherna dia nanomboka tamina hetsika tena an'ny tanora madiodio saingy “voapaingotry” ny tombontsoa avy any ivelany. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Ampiasao ny finoana. Antsoy ny tampom-pahaizana ara-pinoana eo amin'ny firenenanao ary omeo toky izy fa hahazo karama be amin'ny fanaovana fatwa araka ny tokony ho izy. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Lazao fa hoe voarebirebin'i X (KFC, Nescafe, drugs, sex, etc.) ny tanora mba hanao hetsika fanoherana #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Antsoy izay olo-malaza mpisolelaka fantatrao (mpihira, mpandihy, mpilalao baolina, sns…). Angataho hiteny fanohanana anao ao amin'ny fahitalavitra. #ArabTyrantManual
@L_Auvergnate: Rehefa mihasarotra ny raharaha, manaova kabary ora iray manodidina ny misasakalina eo hilazànao ny fandavan-tenanao ho an'ny firenena #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Lazao fa tsy nahy ny nitifirana ny mpanao fihetsiketsehana avy eny ambony angidimby/fiaramanidina/fiara mifono vy #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Manaova fety miaramila. Lazao fa ho an'ny tanindrazana izany. Raha ny marina dia ho fanehoana amin'izy ireo ny miandry azy raha mikasa hitroatra izany. #ArabTyrantManual
@L_Auvergnate: Mody ambarao fa misokatra amin'ny fifanakalozan-kevitra ianao ary hanao izay azo atao sady mamono ny mpanao fanoherana ihany #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Lazao fa tamim-pitiavana sy fanetran-tena no nitantananao ny fanjakana ary tsy manana hetahetam-pahefana sy vola izany ianao. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Avereno hiseho masoandro ireo Rakakabesola tamin'ny andron'ny dadabenareo: Kolonialisma & imperialisma. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Manaova valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mba hanangonana ny mpanao gazety. Avy eo, alefaso ny jiolahim-boto hidaroka azy ireo sy hamotika ny fitaovana fakan-dry zareo sary. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Mikarakarà fihetsiketsehana ho fanohanana ny fitondranao. Saingy aza mizara sainam-pirenena & na sora-baventy ho azy ireo. Omeo 50 bucks (vola io) & sy AK47 iray (basy io) ry zareo. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Raha manakiana ireo firenena vahiny, tsinio ho tsy mahalala ny kolotsainao izy ireny. ” Ao anaitn'ny kolotsainay, izaho no mifehy. Ry zareo manaiky.” #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Mamonoa an'arivony. Ary avy eo lazao fa tsy azonao an-tsaina mihitsy izay fomba nahafaty azy ireny satria ianao tsy nampiasa hery “hatreto”. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Manaova resadresaka mampandry adrisa miaraka amina mpanao gazety fanda-daza iray. Amanpour ohatra . #ArabTyrantManual
@kissmyroti: Miresaha mikasika ny fanajàna #zonolombelona #humanrights amin'ny “ampidiro eto ny fiteny eropeana tianao”, avy eo ampijalio izay rehetra nangataka hijery azy ireny #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Ny tombontsoa vahiny X (eto X dia mety ho : Islamisma, Zionisma, Israel, Iran, USA, colonialisma, imperialisma…) #ArabTyrantManual
@QuimFont: Ampangao i Israely sy Etazonia. Mametraha taratasim-bola avy any Israely sy Etazonia mankany amina kaonty Soisa. #ArabTyrantManual
@defendfreespeak: Ampitahory amin'ny resaka Firahalahian'ny samy Silamo ny vahoaka #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Ambarao fa tsy mbola vonona amin'izay resaka demaokrasia ny vahoakanao. Mbola mila manonana ny làlana mankany ianao, amin'ny fanaovana toetran'alika. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Lazao fa takatrao ihany nony farany n y tian'ny vahoaka hatao. ” Azoko ankehitriny ny tianareo ho lazaina .” #ArabTyrantManual
@studentIslam: Tsy tena tompon'ny tenany ireo olona mitsangana manohitra anao. Ny Al-Qaeda no tsy maintsy mamoky azy ireo amina zava-mahadomelina. #ArabTyrantManual
@minimaliteter: @iyad_elbaghdadi manaova fisehoana tsy ampoizina, sy matetitetika ao amin'ny fahitalavitra, tsy miteny na inona na inona mihitsyan #ArabTyrantManual
@studentIslam: Ilazao ny tsy mahalala fa ny firenenao dia tsy manana mpitarika ary ianao dia mpiahy fotsiny sy rahalahy eo imason'ny vahoaka. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: LAzao fa “voarainao ny hafatra” ary “handinika izany ianao ato ho ao”. Aza faritana ny hevitr’ ilay “ato ho ato”. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Teneno azy ireo fa raha tsy mamonjy fodiana ry zareo dia ho avy ka haka ny solikany ireo ratsy saina . #ArabTyrantManual
@AmbroseandDogII: @iyad_elbaghdadi [A] AVY EO Teneno azy ireo fa raha tsy mamonjy fodiana ry zareo dia ho avy ka haka ny ankohonany ireo ratsy saina. #ArabTyrantManual
@L_Auvergnate: Midina an-dalambe miaraka amin'ny tafika mba hiaro ny sivily#ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Alefaso eny an-dalambe ny miaramilanao. Lazao fa tonga eny izy ireo “hiaro ny ankizy madinika”. Asaivo maka ankeriny na manao ankeriny ny ankizy izy ireny raha ny marina. #ArabTyrantManual
@iyad_elbaghdadi: Misintona Bundy iray (“in-efatra mikitika anaty lalao iray”). Arantirantio ny zava-bitanao nandritra ny ady natao ho an'ny firenena. #ArabTyrantManual
@L_Auvergnate: Mody lazao fa tsy tahaka an'i #Tunisia/#egypt/#libya/#yemen/#Syria ny firenenao..#ArabTyrantManual
@EG_Freedom: Mandefasa fanelezan-kevitra tsy marim-pototra mikasika orinasa mpanodina sakafo iray toy ny KFC ohatra, satria iza no mahalala, mety hanampy n y toy izany an. #ArabTyrantManual
@EG_Freedom: Tapaho ny fifandraisana ary kendao ny fandraharahana na dia hampakatra lahatsary ihany aza ireo mpanao fihetsiketsehana rehefa miverina amin'ny laoniny ny aterineto. #ArabTyrantManual
@imstrawman: Raha tsy nahomby izay rehetra natao, mipetraha manoloana ny camera ary maka ny toeran'ny ‘niharam-pahavoazana’ #ArabTyrantManual
@chanadbh: #ArabTyrantManual Asidino eny ambonin-dry zareo ny fiaramanidina mba hilazana aminy fa tsy misomonga ianao
@L_Auvergnate: Ampitahory amin'ny resaka AlQaeda ny olona #ArabTyrantManual
@L_Auvergnate: Mikarakara hetsika sandoka manohana anao #ArabTyrantManual
@studentIslam: Tsy naniry velively ny ho mpanao jadona ianao. Manaporofo izany ny asa atonao ho an'ny vahoaka. #ArabTyrantManual
@studentIslam: Manaova fanambaràna fa mpitarika iraisam-pirenena ianao, mpanjakan'izay milaza ho mpanjaka eto Afrika, ary ny toerana misy anao eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy mamela anao hitambotsitra mihitsy #ArabTyrantManual
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...