Japana: Onagawa, ilay tany fonenako fahiny

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011.

Niala ny taniny tany Onagawa any amin'ny “préfecture” an'i Miyagi i @kombu_s, mpampiasa Ttwitter ka nifindra tany Sendai.

Indro ny mombamomba azy:

現在、宮城県女川町で見てきた範囲のみの情報をツイートをしています。※ツイート履歴を確認してください。※ 不安なのはとてもわかるのですが、私が見た範囲でしかわかりません。通ってない地区や個人の安否等はわかりません。車で第一保育所まで行き、総合体育館まで瓦礫の中を歩いて家族を迎えに行っただけです。
http://twitpic.com/photos/kombu_s

Mandefa tweets momba ny zavatra hitako tany Onagawa aho izao, any amin'ny prefektioran'i Miyagi. Mba araho ny tweets-ko azafady. Azoko tsara fa miahiahy ny tsirairay fa izay hitako ihany no fantatro. Tsy manana vaovao momba ny faritra tsy nandehanako aho na momba ny tsirairay manokana. Nitondra fiara aho nankany ami'ny Toby Fanomezana Fitsaboana Voalohany ary nandeha tongotra hatrany nanivatsiva tamin'ireo korontana ho any amin'ny General Gym aho haka ny fianakaviako. http://twitpic.com/photos/kombu_s

Rehefa tonga soa aman-tsara tany Sendai izy dia namoaka ireo sary nalainy teny an-dàlana tamin'ny 12 Martsa.

@kombu_s: ※リプライはしません。見たことしかしりません。普通の一般人が自分の家族を迎えに行っただけです。当然、他の個人の安否は名前や住所を聞いてもわかりません。今ツイートしてる本人は仙台にいます。ツイート履歴を見てください。 #onagawa #save_miyagi_onagawa

Tiako ny hanamarika fa tsy mamaly tweets aho. Izay hitako ihany no fantatro. Izaho dia olon-tsotra izay nandeha naka ny fianakaviany. Tsy manana vaovao aho, na manome ahy adiresy na anarana aza ianao. Ny olona mandefa ity tweet ity dia aty Sendai. Mba araho ny tweet-ko. #onagawa #save_miyagi_onagawa

Ity manaraka ity dia tweets notsongaina, milahatra araka ny nipoirany.

Ny tweet-n'i@kombu_s voalohany momba ny horohorontany dia tamin'ny 10 Martsa:

地震で何回も起きたから眠いよー

Nanaitra ahy matetika ny horohorontany, ka reraka aho!

Tamin'ny 11 izy dia nandefa tweet:

@kombu_s: あ、生きてます けど街は死んでるし部屋もぐちゃぐちゃ

Mbola velona aho. Maty anefa ny tanàna, ary mikorontana ambony ambany ny efitranoko.

Tamin'ny 12 Martsa avokoa ny tweet manaraka rehetra avy aminy.

@kombu_s: 無事です。生まれ育った街が、家が、すべて波に流されました。写真は本来、住宅街だったところです。 http://twitpic.com/48q6zl

Salama aho. Lasan'ny onjan-drano avokoa ny trano sy ny tanàna nahalehibe ahy. Ity sary ity dia sarin'ny tanàna lehibe iray.

@kombu_s【RT希望】宮城県女川町についての情報です。地元民が本日現地に行きました。町は清水地区まで津波に流されほぼ壊滅状態です。避難した町民は総合体育館 に集まっています。町内がケータイ圏外の為、連絡することが不可能に近いです。繋がらないと不安にならず、ご家族の無事を信じてあげて下さい。

[RT azafady] Ity dia vaovao momba ny tanàn'ny Onagawa any amin'ny prefektioran'i Miyagi. Nitsidika ny faritra voa ireo mponina androany. Nivondrona tao amin'ny General Gym avokoa ireo mpiray tanàna nafindra monina. Tsy mbola misy aloha ny fifandraisana amin'ny finday, satria tsy misy tambajotra ivelan'ny tanàna. Aza matahotra satria hoe tsy afaka miresaka amin'izy ireo mivantana ianao. Minoa fa avotra sao aman-tsara ny fianakavianao.

@kombu_s: 家族と仙台の私の家に戻りました。皆さんありがとうございます。ご心配をお掛けしてすみません。ここは電気のみ復旧してます。

Tafaverina aty amin'ny tranonay aty Sendai niaraka tamin'ny fianakaviako. Misaotra betsaka, ary miala tsiny nampiahiahy anareo. Misy herinaratra izahay aty.

@kombu_s: 地元女川町の情報を出来る限り流していくつもりです。もしよろしければ、可能な範囲でRTしていっていただけるでしょうか?苦手な方はリムお願いします。これを見てどうしても聞きたいことがある地元民の方はDMしてください。見た範囲、可能な範囲のみですが、対応します。

Mieritreritra ny hanohy hanome vaovao momba an'i Onagawa tanindrazako aho. Angatahiko ianareo mba hamerina hamoaka azy araka izay azo atao. Aza arahina intsony aho raha tsy tianareo ny vaovao alefako. Raha mpiray tanàna amiko ianao ka manana fanontaniana, mba andefaso mailaka mivantana aho. Hovaliako araka izay hitako hatreto izany.

@kombu_s: 女川駅の線路です。右奥にある白と緑の車両は第二小学校の下の墓場まで流されています。

Ireo ny lalàmby ao Onagawa. Nentin'ny rano hatrany amin'ny fasana akaikin'ny sekoly ambaratonga fototra ireo fiaran-dàlamby maitso sy fotsy.

@kombu_s: 正午に総合体育館に到着。一中の体育館が屋根にひびが入って危険なため、生徒も含めそこに避難した人は全員総合体育館に移動したそうです。その時点では食糧や防寒対策が不足し、とても疲れた様子でぐったり横になっていました。 #onagawa #save_miyagi_onagawa

Tokony tamin'ny mitataovovonana teo aho no tonga tany amin'ny General Gym. Nitriatra ny tafon'ny kolejy, ka ny olona rehetra tao dia nifindra tany amin'ny General Gym. Tsy ampy ny sakafo sy ny bodofotsy tamin'izany. Natory tamin'ny tany ny ankamaroan'ny olona, valaka tanteraka.

@kombu_s: 正午の時点の話ですが、被災してから食糧は汁物一杯と小さな羊羹を2~3人で分けるよう言われたとしか聞いていません。毛布ではなく、みんなカーテン?を巻いて寝ていました。個人的に物資の供給は十分ではないと思いました。 #save_miyagi_onagawa #onagawa

Ary tamin'ny mitatao vovonana tany ho any, reko fa nisy lasopy “miso” sy “confiture” mandehandeha any, ifampizaraina amin'olona roa na telo. Tsy nisy bodofotsy, ary nirakotra lamba toa “rideau” ny olona. Heveriko fa tsy ampy ny fanampiana natolotra. #save_miyagi_onagawa #onagawa

@kombu_s: 正直、熊野神社から下の風景を見た時は何も言葉が出ませんでした。涙が出てきたし、乾いた笑いが込み上げるだけでした。そのくらい悲惨な状態です。でも逃げ延びた人々は自分達よりも町の外の親戚や知人のことを心配していました。 #onagawa #save_miyagi_onagawa

Tsy nahaloa-peo aho tamin'ny nahita voalohany ny toerana akaikin'ny toerana masina Kumano. Rako-dranomaso ny masoko ary nihomehy tsy ravo aho. Nampitahotra loatra. Na izany aza, niahiahy momba ireo tapaka sy namany tany ivelan'ny tanàna ireo izay nanampy namindra toerana ny olona.

@kombu_s: その時点ではケータイも圏外、ワンセグも対象外の地域で見ることが出来ませんでした。ラジオのみでは詳細が分からず、女川から無事を知らせることも出来ないことにとても心を痛められていました。連絡出来ないので不安になるとは思いますが、ご家族を信じてあげて下さい。 #onagawa

Amn'izao dia tsy mandeha ny findainay, ary tsy miasa koa ny 1seg aty amin'ny faritra misy anay. Tsy dia nazava tsara ny vaovao tamin'ny onjam-peo, ary narary ny foko fa tsy afaka nampandre na iza na iza izahay hoe tsy maty fo aman'aina aty Onagawa. Fantatro fa mampiahiahy ny tsy fahampian'ny fifandraisana amin'ny olona akaiky fa mba matokisa ny fianakavianao.

@kombu_s: 毛布や暖房器具、食糧や水、あとはトイレ事情が最悪だったのでトイレットペーパー等、生きるのに必要な物資の供給があれば助かると思いました。あとはやっ ぱり情報が欲しいと思います。テレビもケータイも使えませんので。女川の外の状況を動画や写真で伝えてあげる手段があればいいと思うのです。

Noheveriko fa ho voavonjy izahay raha mbola ampy ny vatsy ilain'ireo tsy maty fo aman'aina; bodofotsy, fitaovana fanafanàna, sakafo, rano, ary taratasy fifirana (loza mihitsy ny momba ny trano fivoahana). Ary mila vaovao bebe kokoa izahay! Na ny fahitalavitra na ny finday tsy misy mandeha avokoa. Raha mba nisy fomba afaka nizaràna video sy sarin'ny zava-mitranga ivelan'ny Onagawa mantsy.

@kombu_s: というのも、どうしても田舎ですから、比較的高齢の方が多いので…ラジオや新聞じゃ耳が遠かったり目が見えずらかったりする方も多いとおもうので、映像っ て大事だと思います。災害掲示板や災害ダイヤルにしても、高齢の方にはややこしいと思うのです。そもそもその時は繋がらない状態だったのですが

(cont)Sisintany aty ary be zokiolona. Zava-dehibe ny video satria tsy ampy ny onjam-peo sy ny gazety ho an'ireo tsy dia mahita tsara na tsy dia maheno tsara. Somary zava-tsarotra ho an'ny antitra ihany ny takelaka ho an'ny fiantsoana mpamonjy voina sy ny laharana fiantsoana mpamonjy voina. Mazava ho azy fa tsy nanana izany ry zareo tamin'ny androny….

@kombu_s: 祖母やその友人の方たちから、残酷な話もたくさん聞きました。ただそれは田舎特有の横のつながりで広がってきた話ですので、正確性に欠けるかと思いツイー トを控えています。実際不安からの想像もいくつかあると思いますので。ですが、そんな話も出ている、ということは事実です。 #onagawa

Naheno tantara mampivarahontsana avy amin'ny renibeko sy ny namany aho. Na izany aza dia fosafosa miparitaka amin'ny fomba iavahan'ny sisintany izany, ka aleo tsy alefako tweet fa sao tsy mety. Heveriko fa ny ampahany lehibe amin'izany dia fandefasana eritreritra lavitra, arahin'ny tahotra. Na izany aza dia mandeha izany resaka izany amin'izao.

@kombu_s: 女川病院から、マリンパル通り?下はマリンパルから女川高校へ登っていく坂で商店街だったところを撮影 実際歩いたとき生魚がたくさん落ちてました http://twitpic.com/48s41e

Avy any amin'ny tobim-pitsaboan'i Onagawa, naka sary ny làlana iray feno tsena aho raha nihanika fiakarana nanomboka tany amin'ny sekolin'i Onagawa hatrany amin'ny làlana Marinpal. Raha izaho nandalo iny dia feno trondro manta teny amin'ny tany. http://twitpic.com/48s41e

@kombu_s: そういえば、体育館へ向かう途中、小さく火が出ているのを見ました。石巻で、11日夜に無理矢理女川へ向かった知人の方から、赤い光と煙がいくつか上がっ ているのを見たとも聞きました。何とかしたくても消火活動が行える状況ではなく、そのまま見過ごすしかありませんでした #onagawa

Efa miresaka momba izany ihany, raha teny an-dàlana ho any amin'ny toerana fanaovana fanatanjahantena (gymnase) aho dia nahita  afo kely. Any Ishinomaki, henoko avy amin'ny namako ny harivan'ny 11 Marsa izay nankany Onagawa na dia teo aza ny loza, nahita hazavana mena sy lelan'afo izy. Na dia naniry ny hanao zavatra aza izy, tsy tranga natao hihetsehana izany ka hany heriny dia nandalo fotsiny.

@kombu_s: 指入ってる>< 熊野神社から女川病院への階段下りたらいきなりこんな感じでした…街灯も根本から折れてた http://twitpic.com/48sk5z

Oadray, lasa teo amin'ny sary ny rantsan-tanako. Hitako tamin'izaho nidina ny tohatra avy any amin'ny toerana masina any Kumano hankany amin'ny tobim-pitsaboan'i Onagawa io. Folaka amin'ny fotony koa ireo andrin-jiro mpanazava làlana.

@kombu_s: 解りづらいですが、女川病院に自衛隊のヘリが降りてきたところ 病院関係者が誘導してたみたいですが、病院の中は見てないのでどんな人達がいたかはわかりません http://twitpic.com/48sosz

Somary sarotsarotra ihany ny mijery azy ity, saingy ity ny sarin'ny angidimby an'ny Hery Fiarovana tamin'izy tonga tao amin'ny tobim-pitsaboan'i Onagawa. Nanoro làlana azy ny tompon'andraikitry ny tobim-pitsaboana saingy tsy hitako hoe karazan'olona toy ny inona no tao anatin'izany tobim-pitsaboana izany.

@kombu_s: 私たちが女川に着いた時にはいくつかの避難場所から総合体育館や第一保育所に移動している方々とたくさんすれ違いました。高齢者は多いけれど、お互いに助け合って、男性陣は女性や子供、お年寄りの避難の補助をされていました。本当に良い町です。 #onagawa

Raha nandeha tany Onagawa izahay, dia nandalo olona nifindra monina maro niala tamin'ny toerana nivondronany tany aloha ka nifindra tany amin'ny [toerana lehibe kokoa toa ny] General Gym ohatra, na ny Fitaizan-jazakely Daiichi. Maro ny zokiolona saingy nifanampy daholo ny rehetra. Ny lehilahy nanampy ny vehivavy sy ny ankizy ary ny antitra mba hihetsika. Tena tanàna mahafinaritra i #onagawa

@kombu_s: 言おうか言わまいか迷っていることがたくさんあって 不安にさせたくてツイートしているわけじゃないから、本当にどうしようって さっきの中学生について もちょっと悩んだけど、無事でいてほしいからツイートしました 心配ですよね、不安ですよね、本当にごめんなさい #onagawa

Be ny zavatra mandalo ato an-tsaiko sy tsy haiko intsony natokony na tsy tokony holazaiko izy ireny. Tsy mandefa tweet mba hamafy tahotra aho, noho izany, dia manontany tena aho hoe inona no tsara atao. Nisalasala aho ny hitanisa ny amin'ireo mpianatra ao amin'ny kolejy [ny twet efa nalefany teo aloha no tiany resahana eto] saingy nandefa tweet momba izany ihany aho satria heveriko fa avotra soa aman-tsara ry zareo. Iombonako ny ahiahinareo. Tena miala tisny marina tokoa. #onagawa

Ny tweet farany nalefany taorian'ny misasakalina tao Japana.

@kombu_s: う、わたしも寝ておくかな… また何か思いだしたりリプ見て何か言えることあったら起きてから呟きますね~>< おやすみなさい!

Oay, tena tokony hatory kely angamaba aloha. Raha misy zavatra tadidiko dia rahampitso alefako tweet. Tafandria mandry daholo!

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011.

Lahatsoratra niarahana nanoratra tamini  Chris Salzberg.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.