Ny gitara no sary masina lehibe amin'ny mozika nenti-paharazana Venezoelana. Tamin'ny voalohany no nianarana azy matetika ary miaraka amin'ny ankamaroan'ny hira mitantara ny hira vako-drazan'ny firenena. Mety amin'ireo bàn-kira isan-karazany ny gitara, miaraka amin'ny ampongamaroanaka avy any amorotsiraka, ny mozika calypso avy any atsimo. Matetika mampiasa gitara ny amboaram-peo nentim-paharazana, manao ny hirany amin'io zavamaneno io koa ny antoko-mpihira. Nipaka tany amin'ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra amin'ny aterineto ihany koa ny gitara: naparitaka tao ny gadon-kira joropo sy gaita, ary ny tantarany, ny mpanao mozika fa kosa ahoana no fampiasana ny zava-meno, izay no niadin-kevitra ngezabe tao?.
Ny bilaogy Recreateoficial [es] nitantara sombiny amin'ny tantara:
Tiene sus orígenes muy remotos. Instrumentos similares aparecen en grabados Iraníes y Cretenses en forma ovoidal y cuadrado (…) El laúd árabe o thimphle, a través de las invasiones moras, llega a España a comienzos del siglo XVI con cuatro órdenes, donde fue adoptando una nueva forma menos ovalada y más parecida a la actual, en forma de «ocho» (…) El laúd llegó a las Islas Canarias, hasta transformarse en el timple . Este se exportaría a America y el Caribe con la Conquista de América, dando lugar, muchos años más tarde, a las versiónes conocidas hoy en día en sudamérica. El cuatro puertoriqueño, sin embargo, guarda más parecido con su antecesor el laúd que con el timple de Canarias.
Ny bilaogy micuatro.com [es] sy tucuatro.com [es] nizara ny tendry sy hira misy naoty, fanarahambolontany ary ny ohatra isan-karazany.
Misy toerana ho an'ireo mpankafy azy ao amin'nyYouTube, noho ny fisian'ireo kaoontin-dahatsary ho an'ireo mpitia CuatroCriollo [es], izay mandahatra ireo hafatra ka manamora ny fianarana amin'ny voalohany:
Tahaka ity mampiasa gitara ity, maro koa ireo hafa no mizara izay efa nianarany. Manoratra fotsiny hoe “Venezoelan cuatro” amin'ny fikarohana, tsy mana-pahataperana ny valiny azo. Misy fahafahana malalaka ahitana ireo karazana mozika tadiavina. Ny gitara, no tena malaza amin'ireo fampisehoana betsaka tsy ho amin'ny fialam-boly ihany fa mba hianarana bebe kokoa momba ny zavakanto.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...