Tantara tamin'ny Avrily, 2010
Soudan: web ampiasaina hampadio fifidianana, fahamarinana ary ny demokrasia
Eo am-piandrasana ny vokatra farany tamin'ny fifidianana manan-tantara tany Soudan isika dia andeha hojerena ny fandaminana sy ireo hetsika hita any amin'ny web nampanjakana ny fahamarinana, ny fahafahana sy ny demokrasia any Soudan. Sudan Sham Elections 2010 no tambajotra anankiray manohana ny fandriam-pahalemana maharitra any Soudan. Hoy ity tambajotra ity,...
Polona: Fahoriana lalina tany anaty aterineto taorian'ny 10.04.2010
Sylwia Presley dia mitatitra fa samy nanova ny loko lafiky ny tranonkalany lokon-davenona, mainty ary fotsy ny vavahadin'izy ireo avy ireo mpilaza vaovao amin'ny aterineto, ireo mpilaza vaovao ara-tsosialy, ireo tranonkalan'ny governemanta ary ny vavahadin'ny tranonkalan'ireo fikambanana Poloney erak'izao tontolo izao koa dia mba nanova ny loko lafiky ny tranonkalany...
Rosia: Fipoahana volokano niteraka fifanampiana sy hanihany
Roa andro izay dia naneho ny heriny Ramatoa Natiora tamin'ny alalan'ny fipoahan'ny volokano tany Islande nomena anarana tsy fantatra hoe “Eyjafjallajökull” ary nameno setroka be ny lanitry Eoropa. Arakaraky ny hikisahan'ny rahona miantsinanana dia seranam-piaramanidina maro no mikatona, mitarika any amin'ny fitotonganan'ny zotra rehetra manerana an'i Eoropa. Ny mpitoraka bilaogy rosiana – voakasik'ity loza...
Iran: Nihen-danja ve ny fitorahana blaogy hatramin'ny fifidianana filoham-pirenena?
Moa nanova ny fampiasana ireo fantsona sy fitaovana median'olon-tsotra ve ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana? Iraniana iraikambinifolo mpitoraka blaogy sy matihanina amin'ny fampahalalam-baovao mahasolotena ny firehana politika rehetra no namaly ny andiam-panontaniana mikasika ny fivoaran'ny fampahalalam-baovao avy amin'ny Iraniana olon-tsotra Iran hatramin’ny fifidianana.
Kolombia: Ny Arepas, fomba fanao isaky ny tolakandro
Any Kolombia, ny fotoana eo anelanelan'ny amin'ny 3 sy 6 ora hariva dia matetika natokana ho an'ny kafe na sôkôla mafana miaraka amin'ny arepa na mofo hafa namboarina. Efa zary lasa fomba amam-panao ifandovan'ireo taranaka mifandimby izany.
Loka Best of Blog 2010 : Ireto avy ireo nahazo…
The BOBs have been decided! Tonga eo amin'ny famaranana ny andiany fahaenina amin'ny fifaninanana Best of Blogs (BOBs) karakarain'ny Deutsche Welle ka midera ny mpandresy tamin'izany ny fiaraha-monin'ny Global Voices. Tamin'ity taona ity, maro tamin'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices no voafantina (araka ny nasongadin'i Diego Casaes), ary misy koa ny...
Polonina: 10 aprily 2010 Sabotsy mainty, Andro fisaonana
Satria isika mbola mamakivaky tanteraka ao anatin’ny 24 ora voalohany amin'ny fangirifirian’ny firenena Poloney, maneho hevitra mikasika ny zava-nitranga io maraina io ireo fampahalalam-baovao ara-sosialy isan-karazany, raha namoy ny Filoham-pireneny sy olo-manan-kaja hafa miisa 95 i Polona.
Ireo fanakatonana ataon'i Facebook
Tao amin'ny blaogin'i Jillian C. York no nipoiran'ity lahatsoratra ity voalohany. Nandritra iny herinandro lasa iny, nahazo tatitra avy amina olona maromaro aho fa nakatona na nofafana tao amin'ny Facebook ny pejy manokan'izy ireo tao amin'nyFacebook- . Tamin'ny voalohany dia namana lehilahy any Maraoka no tratra. Avy eo vehivavy, namana...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...